Seminera
Almà 4: Ilay vato mahatafintohin’ny avonavona


“Almà 4: Ilay vato mahatafintohin’ny avonavona,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 4

Ilay vato mahatafintohin’ny avonavona

Sary
I Almà zanany nitory tany Gideona

Ny avonavona dia tsy fisian’ny fanetrentena ary mitarika ny olona hametraka ny tenany ho ambony na hanohitra ny hafa sy Andriamanitra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiavonavonana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Eritrereto ny avonavona hitanao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny sy ny voka-dratsy entin’izany eo aminao sy ireo manodidina anao. Ny avonavona sy ny fifandirana nasehon’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy tamin’ny andron’i Almà dia nahatonga ny Fiangonana ho tsy nahomby tamin’ny fandrosoany. Vokatr’izany dia nahatsapa ho nentanim-panahy hiala tamin’ny maha-lohan’ny mpitsara azy i Almà mba hanokan-tena hitory ny tenin’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampiasa ny tenin’ Andriamanitra handresena ny avonavona sy ny fifandirana.

Vato mahatafintohina iray

Mitadidiava fotoana nahavoafingana na nahatafintohina anao. Tadidinao ve hoe inona ilay zavatra nahavoafingana anao? Eo amin’ny fiainana dia matetika isika no tafintohina amin-javatra izay azo antsoina hoe “vato mahatafintohina.” Marina ara-panahy koa izany.

Sary
sarina bolongam-bato

Manaova sarina bolongam-bato vitsivitsy ary asio soratra milaza zavatra izay mety hahatonga ny zatovo ho tafintohina ara-panahy izany. Ohatra, mety ho sahirana amin’ny fihainoana ny mpaminany na fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena ny sasany.

Eritrereto ny vokatry ny fahatafintohinana amin’ireo zavatra ireo. Saintsaino ny antony ilanao ny fanampian’ Andriamanitra mba hahitanao, sy hisorohanao ary handresenao ireo vato mahatafintohina ireo.

Vao avy niaina fahavoazana lehibe tamin’ny ady tamin’ny Lamanita ny vahoakan’i Almà. Noho ny fahorian’izy ireo dia “nofohazina ho amin’ny fahatsiarovana ny adidiny” izy ireo ary olona maro no natao batisa (jereo ny Almà 4:1–5). Na izany aza dia tsy naharitra ny fiadanan’izy ireo satria nanomboka tafintohina ara-panahy izy ireo.

Vakio ny Almà 4:6–8, hitadiavana ny antony nampiahiahy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “nalahelo mafy” noho ny fitomboan’ny avonavon’ny olona ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana (Almà 4:7)?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Ny fieboeboana no vato mahatafintohina an’i Ziona. Averiko: Ny fieboeboana no vato lehibe mahatafintohina an’i Ziona. (Ezra Taft Benson, “Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 7)

Manaova sarina bolongam-bato lehibe maneho ny vato mahatafintohin’ny avonavona. Mitanisà valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo amin’ilay bolongam-bato:

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny olona iray ho tafintohina ara-panahy?

  • Amin’ny fomba ahoana no anakanan’ny avonavona antsika tsy ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Rehefa manohy mandalina ny Almà 4 ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny avonavona ho vato mahatafintohina eo aminao sy ny zavatra azonao atao mba handresena izany.

Vakio ny Almà 4:8–12 hitadiavana ny vokatry ny avonavona teo amin’ny Fiangonana. Mariho fa ny hoe adilahy dia midika ho tsy fifanarahana na fifandirana feno hatezerana na mangidy. Ny hasomparana dia faniriana hanao ratsy, na sitrapò ratsy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo vokatry ny avonavona teo amin’ny Fiangonana?

    • Amin’ny fomba ahoana no tsy mahamety ireny fihetsika ireny amin’ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

    • Ahoana no fiantraikan’izany tamin’ireo izay tsy tao amin’ny Fiangonana?

Misoroka ny avonavona sy fifandirana

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Ny fanefitry ny avonavona dia ny fanetrentena—halemem-panahy, fahononam-po [jereo ny Almà 7:23]. (Ezra Taft Benson, “Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 6)

Vakio ny Almà 4:13–14 hitadiavana ny zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany mba hisorohana ny avonavona sy hijanonana ho mahatoky. Mariho fa ny hoe nanetry tena eo amin’ny andininy 13 dia manondro fahatongavana ho malemy fanahy kokoa.

Manodidina ilay vato mahatafintohin’ny avonavona izay nataonao sary dia tanisao ireo toetra na fihetsika tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny Almà 4:13–14 izay tsapanao fa afaka manampy antsika handresy na hanohitra ny avonavona.

  • Inona avy ireo fihetsika sy toetra ao amin’ny andininy 13–14 mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampivelarana ireo toetra ireo sy ny fanaovana ireo fihetsika ireo manampy antsika ho tonga tahaka Azy kokoa?

  • Ahoana no nahitanao ny hafa niaina ireo toetra na fihetsika tahaka ny an’i Kristy ireo, ary inona no fiantraikan’izany taminao?

Eritrereto izay rehetra mety ho avonavona na fifandirana mety hisy eo amin’ny fiainanao. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy. Inona no azonao atao mba hampihenana ny olana sy hahatonga anao ho anisan’ny vahaolana?

Tsapan’i Almà fa nila nandany ny fotoany hanampiana ny vahoaka amin’ny lafiny ara-panahy izy. Nomeny an’i Nefihà ny toeram-pitsarana fa notanany ho an’ny tenany kosa ny asan’ny mpisorona avo (jereo ny Almà 4:15–18).

Vakio ny Almà 4:19 ary tadiavo ny zavatra fantatr’i Almà fa afaka “mandrodana” ny avonavona sy ny fifandirana teo anivon’ny olona. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Mitory ny tenin’ Andriamanitra i Almà” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:36 hatramin’ny 1:59, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Almà zavatra tahaka an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà?

Fahamarinana iray avy ao amin’ny Almà 4:19 ny hoe ny tenin’ Andriamanitra sy ny fandrenesana fijoroana ho vavolombelona madio dia afaka manampy antsika handresy ny avonavona sy ny fifandirana.

Tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson momba ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ity fanambarana manaraka ity.

Ny tenin’ Andriamanitra araka izay hita ao amin’ny soratra masina, sy ny tenin’ireo mpaminany velona, ary avy amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia manana hery hampahatanjaka ny Olomasina sy hanome azy ireo ny Fanahy ho fitaovana mba hanoherany ny ratsy sy hifikitra mafy amin’ny tsara ary hahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity. (Ezra Taft Benson, “The Power of the Word,” Ensign, mey 1986, 80)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahafahan’ny tenin’ Andriamanitra sy ny fijoroana ho vavolombelona madio manampy amin’ny fandrodanana ny avonavona sy fifandirana.

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    • Mitanisà olana roa na telo izay vokatry ny avonavona sy fifandirana.

    • Mitanisà soratra masina sy fampianaran’ny mpaminany maoderina izay tsapanao fa afaka manampy amin’ireo olana ireo.

    • Fantaro hoe nahoana ary amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra notanisainao anao hitondra ny hafa tahaka ny mety hanaovan’ny Mpamonjy izany.

Katsaho ny hahatsikaritra sy hahafantatra bitsika avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fomba mety hahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity. Mitadiava lala-misokatra hanarahana hatramin’ny farany ireny fahatsapana ireny.