Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 8: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 8: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 8

Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
I Kristy manolo-tanana ny olona

Ny fitadidiana andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery ny iray na ny maromaro amin’ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary sy fitadidiana

Diniho ireto sary ireto ary saintsaino ny mety hamalianao ilay fanontaniana aorian’izany.

Sary
I Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty
Sary
I Jesoa manolo-tanana am-pitiavana zaza iray
Sary
I Jesoa mamonjy zanak’ondry very iray
  • Inona avy ireo zavatra azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fijerena ireo sary ireo?

Ny sary dia afaka manampy antsika hitadidy tranga na fahamarinana manan-danja. Ao amin’Ity lesona ity dia hanana fahafahana hampiasa sary ianao hanampiana anao hanao tsianjery ny toko sy andininy ary andian-teny manan-danja amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Voatanisa eto ambany ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina ireo sy ny andian-teny manan-danja ao amin’izy ireo.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo … [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.”

Mampifandray sary amin’ireo fampianaran’ny filazantsara

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Avereno jerena ireto toko sy andin-tsoratra masina manaraka ireto ary manandrama mitadidy ireo andian-teny manan-danja ao amin’izy ireo. Ampiasao ny tabilao eo ambony raha ilaina. Avy eo dia ampifandraiso amin’ny sary izay tena maneho indrindra ny fampianarana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina ny toko sy andininy tsirairay.

    1. 2 Nefia 26:33

    2. 2 Nefia 32:8–9

    3. Môzià 2:17

    Sary
    zatovo iray mivavaka
    Sary
    zatovo manao asa fanompoana
    Sary
    i Kristy miaraka amin’ny ankizy

Hamorona sary

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Misafidiana toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja tianao hotadidìna tsara kokoa. Manaova sary mba hanampy anao hitadidy ny andian-teny manan-danja ary ampidiro ao anatin’izany ny toko sy andininy. Mety haneho zavatra nitranga ny sarinao, na mety hahitana sary samy hafa hanehoana ilay teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izany. Ohatra, ity sary fanehoana manaraka ity dia afaka manampy anao hahatadidy ny 2 Nefia 2:25: “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.” Raha manana fotoana ianao, dia azonao atao ny mamorona zavatra izay afaka manampy anao hitadidy ilay andininy manontolo izay safidìnao.

Sary
Sary fanehoana ny andian-teny manan-danja avy ao amin’ny 2 Nefia 2:25
  1. Valio amin’ny alalan’ny fampiasana ilay andinin-tsoratra masina nosafidinao ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Manampy anao hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany io andinin-tsoratra masina io?

    • Ahoana ny mety hanampian’ny fitadidiana io andininy io anao hahatadidy ny Mpamonjy na ho lasa mitovy kokoa amin’i Mpamonjy?

    • Inona no zavatra niainanao na olon-kafa izay mifandray amin’ny fotopampianarana ao amin’io andalan-tsoratra masina io?