Seminera
Tombano ny fianaranao 4: Enôsa–Môzià 17


“Tombano ny fianaranao 4: Enôsa–Môzià 17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 4

EnôsaMôzià 17

Sary
zatovo miara-mandalina sy miresaka momba ny soratra masina

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna hatreto.

“Tombano … ary manaova ezaka hatrany”

Zava-dehibe ny maka fotoana tsindraindray hisaintsainana sy hanombanana ny fandrosoantsika. Nanambara toy izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny fanasana ataoko amintsika rehetra dia ny handinika ny fiainantsika, hibebaka, ary hanohy hiezaka. … Rehefa miova isika dia hahita fa tena miraharaha bebe kokoa marina mikasika ny maha-isika antsika sy izay hahatongavantsika Andriamanitra, fa tsy izay naha-isika antsika teo aloha. (Dale G. Renlund, “Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany,” Liahona, mey 2015, 58)

Mandritra ity lesona ity dia azonao atao ny mandinika fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Amin’ny lafiny inona no tsapanao fa itomboanao na iovanao noho ny zavatra ianaranao avy amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana ny fandrosoanao tamin’ireo tanjona napetrakao?

  • Inona no tianao hotohizana hatsaraina, na mety hahasoa kokoa ve raha misafidy sehatra ifantohana hafa?

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hanombana ny fahatakaranao, ny fahalalanao ary ny fandrosoana ezahinao atao. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahafantatra ireo ezaka ataonao sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.

Manazava ny anjara asan’ny mpaminany

Rehefa nandalina momba an’i Abinadia mpaminany tao amin’ny Môzià 11–17 ianao, dia mety fantatrao fa i Almà dia nino fa mpaminany izy ary nanaraka ireo fampianarany, fa i Noà Mpanjaka sy ny mpisorona hafa kosa dia nandà azy teo imasom-bahoaka. Mety ho tsikaritrao amin’izao androntsika izao fa ny olona sasany dia manaiky ny mpaminany fa ny hafa kosa dia mandà azy ireny.

Ampiasao ireto loharano manaraka ireto na hafa izay hitanao mba hanomanana valinteny fohy hanampiana olona iray hahatakatra hoe inona izany mpaminany izany sy ny antony ilana ny mpaminany ankehitriny. Mampidira soratra masina iray na maromaro hanohanana ny valinteninao.

Mba tsy hanoratana fotsiny ny valinteninao diaazonao atao ny mamorona zavatra havoaka amina tambajotra sôsialy, horonan-tsary fohifohy, na mieritrereta fomba hafa hizarana ny zavatra fantatrao.

Loharanon-kevitra ao amin’ny soratra masina izay mety hanampy:

Fanontaniana azonao dinihina rehefa mandrafitra ny valinteninao:

  • Inona no atao hoe mpaminany ary inona no ataon’ny mpaminany?

  • Inona avy no fanontaniana na tsy fahazoan-kevitra mety hananan’ny olona momba ny mpaminany?

  • Inona ihany koa no azonao zaraina hanampiana ny hafa hahatakatra ny antony iantsoan’ Andriamanitra mpaminany ankehitriny?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Raketo an-tsoratra ny valinteninao na ny famaritana ny zavatra nomaninao.

Manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy manompo ny hafa

Iray amin’ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny hoe ny asany sy ny voninahiny dia ny manampy ny zanany hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Benjamina Mpanjaka dia nanazava fa iray amin’ireo fomba ahafahantsika manatanteraka ny asan’ Andriamanitra ny fanompoana ny hafa (jereo ny Môzià 2:17). Vao haingana kokoa, ny Filoha Bonnie H. Cordon, izay Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra toy izao:

Ny tanjontsika mandrakizay dia ny hanatona an’i Kristy sy hanampy Azy amim-pahazotoana ao anatin’ilay asany lehibe. Tsotra kely ny manao izany araka ny nampianarin’ny Filoha [Russell M.] Nelson: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika … manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika.” Manjary mahafantatra sy tia Azy bebe kokoa isika eo am-piarahana miasa Aminy. (Bonnie H. Cordon, “Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery,” Liahona, nôv. 2021, 11)

Mieritrereta tanjona na drafitra izay mety nanananao tamin’ireo lesona voalohandohany ka manampy anao handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny:

  • Fanampiana ny Tompo amin’ny asany hanangona an’i Isiraely (jereo ny Jakôba 5:71–72, 75)

  • Fanompoana ny hafa amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy (jereo ny Môzià 2:17)

  • Fiezahana manatratra tanjona hafa mifandray amin’ny filazantsara izay efa anaovanao ezaka na tianao hatomboka hanaovana ezaka

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no fomba nivoaranao (na nahoana ianao no te) hivoatra amin’io sehatra io? Inona no nataonao (na azonao natao) mba hampisy izany fivoarana izany?

    • Inona ny sasantsasany amin’ireo sakana na ady niainanao (na nandrandrainao mba hiainana? Ahoana no niezahanao (na nahafahanao) niezaka nandresy azy ireny?

    • Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra rehefa niezaka nanatratra io tanjona io ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no ho faly amin’ireo ezaka ataonao Izy?

Mahatsapa fahasambarana sy fifaliana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Tao anatin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna dia namaky tantaran’olona maro izay nahita fifaliana sy fahasambarana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ianao. Makà fotoana hamerenana mijery ny sasany amin’ireny ohatra ireny. Ahitana ireto manaraka ireto izy ireny:

Eritrereto ny mety hahafahanao mamaritra na maneho ny fahasambarana tsapanao amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Soraty eo afovoan’ny taratasy iray tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinanao na amina taratasy iray mitokana soraty ny teny hoe Fifaliana sy fahasambarana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Manaova faribolana manodidina ireo teny ireo. Dia manomboha amin’izay mampiditra hevitra izay ampifandraisinao amin’ireo teny ireo. Hanombohana azy dia azonao atao ny mihevitra ny fomba hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Tsapanao ve fa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fifaliana eo amin’ny fiainanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Inona no nianaranao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka nanampy anao hahatsapa ho sambatra kokoa?

  • Tsapanao ve fa tsara kokoa ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny fandalinana soratra masina ataonao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Rehefa mieritreritra hevitra ianao dia soraty amin’ny taratasinao izy ireo ary asio faribolana. Ampifandraiso izy ireo na avereno ampifandraisina amin’ilay andian-teny eo afovoany. Rehefa manampy eritreritra sy hevitra misimisy kokoa ianao, dia mety hanomboka hanana endrika toy izao ny kisary famoahan-kevitra izay nataonao:

Sary
kisary famoahan-kevitra tsy mbola nofenoina

Rehefa vita ny kisary famoahan-kevitra nataonao, dia hevero ny hametraka izany amin’ny toerana hahitanao azy amin’ny herinandro manaraka. Azonao atao ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahazo sy hahafantatra fifaliana sy fahasambarana lehibe kokoa ao amin’ny Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.