Seminera
2 Nefia 9:27–49: “Ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay”


“2 Nefia 9:27–49: -Ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 9:27–49,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 9:27–49

“Ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay”

Sary
zatovovavy mitsiky sady mamindra

Impiry ianao no mieritreritra momba ny hoe hitondra anao mankaiza ny zavatra ataonao sy ny fihetsikao? Rehefa avy nanambara i Jakoba fa manana hery hanafahana ny olona rehetra amin’ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy, dia nampitandrina tsy hanao zavatra na fihetsika mampanalavitra antsika amin’ny Tompo izy. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra azontsika atao hanatonana Azy sy hahavoavonjy izy. Afaka manampy anao hiala amina fitondrantena izay mitarika ho any amin’ny tsy fahasambarana ary mampisaraka anao amin’i Jesoa kristy ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Elanelana amin’ Andriamanitra

Mieritrereta fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao manokana ho akaiky an’ Andriamanitra sy fotoana izay nahatsapanao ho lavitra Azy. Inona avy ireo zavatra natao sasantsasany izay mety ho nitarika tamin’ireo vokatra ireo?

  • Inona no hitanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no nanampy an’i Jakoba hahatsapa ny zavatra nosoritsoritany ao amin’ny 2 Nefia 9:49?

Eritrereto ny fiainanao sy ny fahatsapanao ho akaiky an’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Rehefa mandalina ny toritenin’i Jakoba ao amin’ny 2 Nefia 9 ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

“Atongilano amin’ny teniko ny sofinareo”

Taorian’ny nampianarany momba ny anjara asa tanan’i Jesoa Kristy amin’ny fanampiana antsika handresy fahotana sy fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 9:1–26), dia nampitandrina ny Nefita momba ny fihetsika sy fitondrantena izay hampanalavitra azy ireo amin’ny Mpamonjy i Jakôba.

Vakio ny 2 Nefia 9:27–38, hitadiavana ireo fihetsika sy zavatra atao nampitandreman’i Jakôba. Mety ho azonao heverina ny hanao lisitra azy ireo eo am-pamakiana izany.

Eritrereto ny fomba iharan’ny tsirairay amin’ireo fitondrantena nampitandreman’i Jakôba ireo amin’ny tanora ankehitriny. Ohatra, na dia tsy mandray anjara amina famonoana olona aza ny ankamaroan’ny zatovo, ny andininy 35 dia afaka manampy anao hahatadidy ny hiala amin’ireo eritreritra, fahatsapana ary fitondrantena mahery setra (jereo ny Matio 5:21–22, 38–42).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo ohatra maneho ny fomba hifandraisan’ireo fampianaran’i Jakôba amin’ny zatovo ankehitriny?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fihetsika sy fitondrantena notanisain’i Jakôba miantraika amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra?

Ny olona iray maneho ireo fitondrantena sy fihetsika nampitandreman’i Jakôba dia azo faritana ho “mihevitra ny zavatry ny nofo” (2 Nefia 9:39).

Vakio ny 2 Nefia 9:39, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jakôba momba ny vokatry ny fiheverana ny zavatry ny nofo sy ny fiheverana ny zava-panahy.

  • Inona no hitanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe fiheverana ny zava-panahy?

Avy amin’io andininy io, isika dia mianatra fa ny fiheverana ny zavatry ny nofo dia mitondra mankany amin’ny fahafatesana ara-panahy. Ny fiheverana ny zava-panahy dia mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ny zavatra sasany azonao atao isan’andro mba hihazonanao ny sainao hifantoka ara-panahy amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba ny fanambaran’ny Filoha Nelson?

Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely

Avereno eritreretina ireo fitondrantena feno fiheverana ny zavatry ny nofo notanisain’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:27–38. Inona amin’ireo fampitandremana ireo no hitanao fa sarotra indrindra? Misy fiovana azonao atao izay hanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve? Hevero hoe dingana inona no mety ho azonao atao.

Rehefa mieritreritra ny toe-javatra misy anao manokana ianao, dia vakio ny tenin’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:40–45. Tadiavo ireo fampianarany, indrindra ireo izay momba ny Mpamonjy, izay mety hanampy anao amin’ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao.

  • Teny sy andian-teny inona avy no hitanao ho manan-danja indrindra? Nahoana?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatsiarovana “ny fahalehibeazan’ny Iray Masin’ny Isiraely” (andininy 40) manampy anao hihevitra kokoa ny zava-panahy?

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nianaranao sy tsapanao tamin’ny fandalinana androany. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao izay eritreritra sy fahatsapana nanananao, ao anatin’izany ireo zavatra izay tsapanao fa nobitsihin’ny Fanahy mba hataonao. Tsarovy fa hitahy anao ny Tompo rehefa manao ezaka hanatona akaiky kokoa Azy ianao.