Seminera
2 Nefia 9:1–26: “Sorompanavotana tsy misy fetra”


“2 Nefia 9:1–26: -Sorompanavotana tsy misy fetra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 9:1–26,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 9:1–26

“Sorompanavotana tsy misy fetra”

Sary
He Lives [Velona Izy], nataon’i Simon Dewey

Nampianatra ny Nefita momba ireo toe-javatra atrehin’ny olombelona rehetra noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva i Jakôba. Nijoro ho vavolombelona izy fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny hery manavotra ananany ihany no ahafahan’ny olombelona mandresy fahafatesana ara-panahy sy ara-batana. Afaka manampy anao hahatsapa fankasitrahana lehibe kokoa ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny fanampiana antsika handresy ny fahotana sy ny fahafatesana ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Toe-javatra sarotra

Saintsaino ny mety hamalianao ireto toe-javatra manaraka ireto:

Tamin’ny 5 aogositra 2010, dia mpitrandraka harena an-kibon’ny tany Chiliens miisa 33 no tratran’ny fihotsahana goavana taorian’ny firodanan’ny vatolampy tao anatin’ilay toeram-pitrandrahana. Nifanety tao amina faritra kely azo antoka sy ireo rindrin’ilay toeram-pitrandrahana teo ambanin’ilay firodanana izy ireo, 700 m any ambanin’ny tany.

Toa nampalahelo ny toe-draharaha. Tafasaraka tamin’ny tranony sy ny fianakaviany tamina vatolampy tsy azo nohetsehina efa ho valonjato metatra teo amboniny izy ireo, ary vatsin-tsakafo sy rano kely fotsiny no nananan’izy ireo. Na dia nanana fitaovana sy fahalalana aza izy ireo, noho ny fikorontanan’ilay toeram-pitrandrahana dia tsy afaka namonjy ny tenany izy ireo. Ny hany fanantenana farany ho azy ireo dia ny ho hita sy hovonjen’olona. (Connie Goulding, “Seeking Rescue,” Ensign, jona 2015, 63)

  • Raha ianao no tao amin’io toe-javatra io, inona avy no eritreritra na fahatsapana mety ho nisy teo aminao?

  • Inona avy ireo zavatra maromaro tsy resintsika irery ka ilantsika fanavotana?

Noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny tsirairay amintsika dia hiatrika fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Ny fahafatesana ara-panahy dia entina ilazana ny fisarahana amin’ Andriamanitra izay iainantsika vokatry ny ota.

Vakio ny 2 Nefia 9:10, hitadiavana ny zavatra nampitahain’i Jakôba tamin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nofaritan’i Jakôba ho “biby mahatsiravina” ny fahafatesana (fahafatesan’ny vatana) sy ny helo (fahafatesan’ny fanahy izay vokatry ny fahotana tsy nibebahana)?

Eritrereto hoe mety hanao ahoana ny fiainana raha tsy avotana amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy isika. Hevero ny fomba mety hahafahanao mampita amin’ny olona iray ny filantsika mafy ny Mpanavotra iray mba hanavotra antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Rehefa manohy mandalina ianao, dia saintsaino ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy, izay manampy antsika handresy ireo toetoe-javatra ireo amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Mampianatra momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana i Jakôba

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa fandalinana manaraka ity

Manaova tabilao ahitana ireto lohateny manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao. Halalino ireo andininy voatanisa ao amin’ny isan-tsanganana ary raketo an-tsoratra ao amin’ny tabilaonao ireo hevi-baovao hitanao. Tohizo ny fampidirana hevi-baovao ao amin’ny tabilaonao mandritra ny lesona.

Raha tsy nisy Mpamonjy … (2 Nefia 9:7–9)

Satria misy Mpamonjy dia … (2 Nefia 9:10–13)

Hevero ny hampiditra ireo hevi-baovao fanampiny hitanao ao anatin’ny tabilaonao.

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana nanananao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nandalina ireo andininy ireo ianao?

Fahamarinana iray izay mamintina ireo fampianaran’i Jakôba ao amin’ireo andininy nohalalininao ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, i Jesoa Kristy dia manampy antsika handresy fahotana sy fahafatesana.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io miantraika amin’ny fiainanao?

  • Oviana no nanan-danja indrindra taminao ny fahalalana ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana?

Misafidy ny hanaiky ilay fanavotana

Tadidio ilay tantara momba ireo mpitrandraka Chiliens tany alohaloha tao amin’ny lesona. Rehefa mahalala ny tohin’ilay tantara ianao, dia eritrereto ireo fitovitoviana misy eo amin’ny zavatra niainan’izy ireo sy ny fanavotana antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.

Maherin’ny roa herinandro taorian’ny nampihitsoka ireo mpitrandraka, dia nahita lalana hamatsiana sakafo, rano ary vatsy ho azy ireo ny mpamonjy voina. Efa saika ho roa volana tatỳ aoriana dia vitan’ireo mpamonjy voina ihany nony farany ny nanokatra lalana antonona tsara ka nahafahana nampidina vata kely izay afaka nanavotra ireo mpitrandraka tsirairay. Niakatra tao amin’ilay vata ny mpitrandraka tsirairay ary nisafidy ny hanolotra ny sitrapony ho eo an-tanan’ilay drafitra fanavotana sy ireo mpamonjy voina mba ho voavonjy. Rehefa avy nihitsoka nandritra ny 69 andro, dia voavonjy ny tsirairay tamin’ireo mpitrandraka (jereo ny Connie Goulding, “Seeking Rescue,” Ensign, jona 2015, 63–65).

  • Inona no fitoviana hitanao eo amin’io tantara io sy ny famonjen’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana?

  • Inona no eritreritrao raha toa ka nandà ny hiditra tao amin’ilay vata fivoahana ny iray tamin’ireo mpitrandraka ireo? Nahoana?

Na dia fanomezana omen’ny Mpamonjy ny olombelona rehetra aza ny fanafahana amin’ny fahafatesana ara-batana, ny fanafahana antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy dia miankina amin’ny ampahany amin’ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika.

Vakio ny 2 Nefia 9:21–24 ary mitadiava safidy tsy maintsy ataontsika mba hamonjen’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ireo hevi-baovao hafa azonao momba ny Mpamonjy ao amin’ny tsanganana faharoa ao amin’ny tabilaonao.

  • Inona no nianaranao momba ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hamonjen’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “tsy afaka ny ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” isika raha tsy manao ireo zavatra ireo?

Saintsaino mandritra ny fotoana vitsivitsy ny zavatra nianaranao androany momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony ho anao. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra izay eritreritra na fahatsapana rehetra nanananao na ampidiro ao ny fankasitrahanao ny Mpamonjintsika be fitiavana.