Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25: “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25: -Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25: -Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana”

Sary
Ny fianakavian’i Adama sy i Eva

Tao amin’ny lesona “2 Nefia 2:17–26,” dia nianatra momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ianareo. Ny fahalalana momba ny Fahalavoana dia afaka manampy anao hitoky amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny 2 Nefia 2:25, ary hanazava ny fotopampianarana ary hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Hazavao sy ianaro tsianjery

Mihevitra ve ianao fa afaka mamaritra ny hoe inona izany elefanta na rajako izany raha tsy mampiasa ny anarany? Mba hanaovana fanazaran-tena manazava zavatra amin’ny hafa, dia eritrereto ny fomba hamariparitanao ireo biby ireo.

Sary
Elefanta afrikanina

Mety ho sarotra hazavaina ny ampahany sasany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, ao anatin’izany ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Tao amina lesona teo aloha, dia nianatra momba ny Fahalavoana ianareo. Vakio ny 2 Nefia 2:25, hieritreretana momba ny zavatra nianaranao. Tadidio fa ny Fahalavoana dia ampahany nanan-danja tamin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra.

Soraty ny fomba hanazavanao ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva amin’ankizy valo taona sy ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny Fahalavoana.

Manaova fanazaran-tena manao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Fomba iray anaovana fanazaran-tena manao tsianjery izany ny fizarana ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho ireto fizarana dimy manaraka ireto:

  • 2 Nefia 2:25

  • “Lavo i Adama

  • mba hisian’ny olona;

  • ary misy ny olona

  • mba hahazo fifaliana.”

Soraty amina taratasy ireo fizarana ireo, ary avereno ny fizarana tsirairay rehefa manondro izany ianao. Avy eo dia mamafà na manakòna teny na andian-teny eo am-pamerenana ny soratra masina. Tohizo mandra-pahavoafafa ny zavatra rehetra ka afaka mamerina ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsy ankijery ianao.

Fampiharana hanazaran-tena

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Amina ravin-taratasy iray tsy misy n’inona n’inona, tsy mijery naoty mihitsy, dia manandrama manoratra ireo fitsipika telo rehetra ho an’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

    • Ahoana ny fahaizanao nitadidy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?

    Raha mila fanampiana ianao amin’ny fitadidiana ireo fitsipika ireo, dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

    • Ahoana no hampiasanao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianaran’ny Fahalavoana hanampiana amin’ny fisahanana ny fanahian’i Gideon?

Raha mila fanampiana ianao amin’ny fitadidiana ireo fitsipika ireo, dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Ampiasao amin’ity rafi-tantara manaraka ity ireo fitsipika ireo:

Eeo am-pianarana momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ao amin’ny kilasy Sekoly Alahady misy azy, dia gaga i Gideon maheno ny mpampianatra azy milaza fa ampahany tena manan-danja amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Manomboka mieritreritra ireo zavatra ratsy rehetra izay afaka mitranga noho ny Fahalavoana izy—fahotana, fahafatesana, aretina, fahasembanana, aretin-tsaina, fitsapana, sy ireo maro hafa. Tsapany fa ireo zavatra tena itarainany indrindra dia matetika no vokatry ny Fahalavoana. Manontany tena izy hoe ahoana no mety haha-zavatra tian’ny Ray any An-danitra hiseho ny Fahalavoana.

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 11–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Ahoana no mety ahafahanao mampiasa io fitsipika io hisahanana ny fanahian’i Gideon?

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

  • Inona no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra hasainao jeren’i Gideon mba hahazoana fanampiana fanampiny?

  • Inona no antony hisafidiananao ireo loharano ireo?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny fanamarihanao.

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny hevi-dehibe sy fanontaniana.

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Ahoana no mety ahafahanao mampiasa io fitsipika io hisahanana ny fanahian’i Gideon?

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny fanamarihanao.

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakaranao ny Fahalavoana sy ny toerany ao amin’ny drafitry ny famonjena manampy amin’io toe-javatra io?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ka mety hanampy?

  • Ahoana ihany koa no ahafahantsika mahita io toe-javatra io amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Manao asa amim-pinoana

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–6 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Ahoana no mety ahafahanao mampiasa io fitsipika io hisahanana ny fanahian’i Gideon?

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

Eritrereto ny traikefanao manokana amin’ny fiatrehana fanamby mifandray amin’ny Fahalavoana. Saintsaino ny zavatra nataonao mba hanaovana asa amim-pinoana sy hitokiana amin’ny Mpamonjy rehefa niatrika fanamby mifandray amin’ny fiainana an-tany.

  • Ahoana no mety hanampian’ny traikefanao amin’ny toe-javatra misy an’i Gideon?

  • Ahoana ihany koa no ahafahan’i Gideon maneho finoana an’i Jesoa Kristy?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny fanamarihanao.