Seminera
1 Nefia 3: Manomana lalana Andriamanitra


“1 Nefia 3: -Manomana lalana Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 3: -Manomana lalana Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 3

Manomana lalana Andriamanitra

Sary
I Nefia nipetraka eo akaikina renirano kely

Rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro an-tany foana i Nefia sy ireo rahalahiny, dia niatrika fizahan-toetra ny fankatoavana sy ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra rehefa nodidiana hiverina tany Jerosalema mba haka ireo takela-barahina tany amin’i Labàna. Hisy fotoana hangatahan’ny Tompo anao ihany koa hanao zava-tsarotra. Afaka manampy anao hampihatra finoana an’ Andriamanitra mba hahavitana izay zavatra ampanaoviny anao ity lesona ity.

Didy sarotra

  • Didy, na fitsipika, na fanasana hafa avy amin’ny mpaminany inona no sarotra ho an’ny zatovo ny mankatò azy ankehitriny? Inona mahatonga izany ho sarotra kokoa noho ny hafa?

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay mahatsapa fa misy didy na fitsipika izay sarotra loatra ny mitandrina azy?

Raha misy didy iray izay sarotra taminao ny nankatò azy, dia eritrereto ilay izy rehefa mandalina ny 1 Nefia 3 ianao. Katsaho izay hianarana avy amin’ireo ohatra izay halalininao, ary saintsaino ny fomba ahafahan’ireo safidinao miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo.

Nanome didy an’ireo zanakalahin’i Lehia ny Tompo

Vakio ny 1 Nefia 3:1–6 hitadiavana ny zavatra nandidina ireo zanakalahin’i Lehia mba hataony.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no marina ny nolazain’ny rahalahin’i Nefia niantso io didy io hoe “zava-tsarotra”? (andininy 5).

Alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ireo zanakalahin’i Lehia rehefa niala ny tranony izy ireo ary nandeha an-jatony kilaometatra namakivaky firenena karankaina ho any an-tany foana kanefa dia nangatahina hiverina tany Jerosalema fotoana fohy taorian’izay mba haka ny takelaka tany amin’i Labàna.

Vakio ny 1 Nefia 3:7–8 ary fantaro ny antony nomen’i Nefia momba ny fahavononany hanao izay zavatra nandidin’ny Tompo.

Ny 1 Nefia 3:7 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

  • Inona no zavatra takatr’i Nefia kanefa mety tsy takatr’ireo rahalahiny?

Zavatra iray ianarantsika avy amin’ny andininy 7 ny hoe manomana lalana mba hahafahantsika manatanteraka izay rehetra asainy hataontsika Andriamanitra.

Hevero ny fomba ifandraisan’io fahamarinana io amin’ireo didy izay mety ho sarotra aminao.

Na dia hanampy anao hanatanteraka ny zavatra angatahiny aza Andriamanitra, dia tsy nampanantena Izy fa ho mora izany na hoe tonga dia hahomby ny andrana ataonao voalohany.

Nanazava toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Ny fanarahana ny Mpamonjy dia tsy hanaisotra ny fitsapana rehetra lalovanao. Kanefa ny fanarahana ny Mpamonjy dia hanaisotra ireo sakana manasaraka anao amin’ny fanampiana tian’ny Ray any An-danitra omena anao. Hiaraka aminao Andriamanitra. (Dieter F. Uchtdorf, “Manin-te hody,” Liahona, nôv. 2017, 22)

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy io teny nambara io?

Avereno eritreretina ireo didy na fitsipika na fanasana hafa avy amin’ny mpaminany hitanao tany aloha tao amin’ny lesona fa sarotra indrindra ho an’ny zatovo ny mankatò azy.

  • Inona avy no sakana mety hahasarotra ny fankatoavana ireo didy ireo?

  • Ahoana no mety hanomanan’ny Tompo lalana hanampiana ny zatovo hankatò ireo didy ireo?

Nanandrana naka ireo takelaka i Nefia sy ireo rahalahiny

Halalino ireto tantara mikasika ireo andrana roa voalohany haka ireo takela-barahina manaraka ireto. Tadiavo ny fihetsika nasehon’ireo mpirahalahy isan’isany tamin’ny andrana tsirairay. (Fanamarihana: Ao amin’ny lesona “1 Nefia 4–5” dia ho fantatrao ny fomba nanomezan’ny Tompo azy ireo lalana tamin’ny farany mba hahombiazan’izy ireo.)

Andrana voalohany: Vakio ny 1 Nefia 3:10–15.

Andrana faharoa: Vakio ny 1 Nefia 3:22–31; 4:1.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no mety ho nianaran’ireo mpirahalahy ireo momba ny tenan’izy ireo avy amin’ireo fanamby natrehiny teo am-piezahana hankatò ny didin’ Andriamanitra?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hamela antsika hiady mafy mandritra ny fotoana iray Andriamanitra alohan’ny hanomezany fomba hanatanterahana ny sitrapony?

    • Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny fihetsika samy hafa nasetrin’ireo mpirahalahy tamin’ny zava-nitranga teo amin’ny finoan’izy ireo sy ny fifandraisany tamin’i Jesoa Kristy? Nahoana?

Mampihatra io tantara io amin’ny fiainanao

Ny Mpamonjy dia afaka manampy anao handresy ireo sakana izay mahatonga ny fankatoavana ny didiny sy ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminaniny ho sarotra kokoa. Mba hanampiana anao hampihatra izany eo amin’ny fiainanao, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  1. Alaovy sary an-tsaina i Nefia manome torohevitra anao mombana didy na ny torohevitra avy amin’ny mpaminany izay hitanao fa sarotra ankatoavina. Araka ny hevitrao dia inona no mety holazainy aminao?

  2. Inona avy ireo asa voafaritra tsara hataonao mba hankatoavana feno kokoa ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra na ireo torohevitry ny mpaminany?

  3. Inona no hitanao na niainanao ka manome anao fahatokiana fa hanomana lalana mba hankatoavanao ireo didiny sy hanarahanao ny mpaminaniny ny Tompo?