Seminera
1 Nefia 1: “Nisy mpaminany maro tonga”


“1 Nefia 1: -Nisy mpaminany maro tonga,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 1: -Nisy mpaminany maro tonga,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 1

“Nisy mpaminany maro tonga”

Sary
I Lehia nitory tao Jerosalema

Tsy mizara hafatra izay malaza eto amin’izao tontolo izao foana akory ny mpaminany, saingy ny fampianarana sy ny fampitandreman’izy ireo dia maneho ny fitiavan’ny Tompo ny olony. Nantsoin’ Andriamanitra hitory fibebahana tamin’ny olona tao Jerosalema i Lehia. Na dia teo aza ny fiangaviany sy ny fampitandremany, dia nandà ny teniny sy nitady ny hamono azy izy ireo. Afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fandraisana sy ny fanarahana ireo mpaminanin’ Andriamanitra ity lesona ity.

Fampitandremana

Alaovy sary an-tsaina hoe manana fahafahana hitsingevana na hitaingina lakana eo amin’io renirano io ianao.

  • Hanana fanahiana ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Sary
Renirano tony anankiray

Iny ianao hanomboka ny fitsangatsangananao iny mihitsy no misy olona iray mampitandrina anao fa tony no fahitana ilay renirano fa ho hitanao fa misy ampahany mampidi-doza sy mahafaty amin’ilay izy.

  • Hatoky ilay olona nampitandrina anao ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Ity sary manaraka ity dia io renirano io ihany fa misy ilay ampahany hitanao voalazalaza teo aloha:

Sary
Renirano tony alohan’ny riandrano iray
  • Inona amin’izay no ho fantatrao na tsapanao momba ilay olona nanome fampitandremana?

  • Inona no azon’io toe-javatra alaina sary an-tsaina io ampianarina antsika momba ny anjara andraikitr’ireo mpaminanin’ Andriamanitra?

Miatoa mandritra ny minitra vitsy ary saintsaino ity manaraka ity:

  • Loza nampitandreman’ny mpaminany antsika amin’izao androntsika izao

  • Ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana sy ny mety ho vokatry ny tsy firaharahaina ny fampitandreman’izy ireo

  • Ireo zavatra tsapanao momba ny fanarahana ny fampitandreman’izy ireo

  • Ny antony ilanao ny fampitandreman’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hanaraka ireo mpaminanin’ Andriamanitra.

“Nisy mpaminany maro tonga”

Ny bokin’ny 1 Nefia dia nanomboka teo ho eo amin’ny 600 talohan’i Kristy tany Jerosalema. Tamin’izany fotoana izany dia maro tamin’ireo Jiosy no nahafoy an’ Andriamanitra ary nanompo an’i Bala ilay andriamanitra sandoka, natoky ny tenin’ireo mpaminany nandainga, ary nanao fitondrantena feno fahotana toy ny fangalarana, ny famonoana olona ary ny fahalotoam-pitondran-tena mahatsiravina (jereo ny Jeremia 27). Eritrereto ny fomba itovitovian’ireo toe-java-misy ireo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

Vakio ny 1 Nefia 1:1–4 hitadiavana ny fomba nanombohan’i Nefia ny rakitsorany.

  • Inona no zavatra heverinao fa zava-dehibe ka tokony hotakarina avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Ireo mpaminany noresahina ao amin’ny andininy 4 dia mety hahitana ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha dia i Jeremia, Habakoka, Obadia, Nahoma, Zefania, ary ireo hafa.

Vakio ny 1 Nefia 1:5–15 ary tadiavo ireo antsipiriany momba ny fiantsoana an’i Lehia ho mpaminany.

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra momba ny zavatra niainan’i Lehia? Nahoana?

  • Inona ny zavatra nianaran’i Lehia momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra hitany?

  • Nahoana no ho zava-dehibe amin’ny toe-javatra atrehinao ny mahalala ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo?

Vakio ny 1 Nefia 1:18–20 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Lehia sy ny fihetsika nasetrin’ny olona tao Jerosalema.

  • Inona no nampitovy an’i Lehia tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny ezaka nataony?

  • Inona no zavatra ianaranao momba ireo mpaminany avy amin’ny zavatra niainan’i Lehia?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Lehia ny hoe Miantso ny mpaminany Andriamanitra mba hampitandrina amin’ny vokatry ny ota sy hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahitanao anatontosan’ireo mpaminany ireo andraikitra ireo amin’izao androntsika izao?

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny olona sasany hatezerana amin’ireo mpaminany na andavany ny tenin’izy ireo ankehitriny? Nahoana araka ny eritreritrao no toy izany no fihetsika asehon’izy ireo?

Nanazava ny maha-zava-dehibe ny zavatra ampianarin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona Neil L. Andersen

Ny fampifikirana ny fanahintsika amin’i Jesoa Kristy Tompo dia mitaky ny fihainoana ireo olona izay nirahiny. …

Ny feon’ny mpaminany, na tenenina amin-katsaram-panahy aza, dia matetika feo mangataka antsika hiova sy hibebaka ary hitodika amin’ny Tompo. Rehefa misy fanitsiana tokony hatao dia aza mangataka andro. Aza taitra raha mifanohitra amin’ny fomba fijery malaza ankehitriny ny feo fampitandremana ataon’ny mpaminany. Ny fanesoesoana mafy ataon’ireo tsy mpino izay romotra dia mifafy foana raha vao manomboka miteny ny mpaminany. Raha toa ianao manetry tena amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo, dia mampanantena anao fiarovana sy fiadanana fanampiny aho. …

… Ny andraikitra lehibe indrindra izay sahanin’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra izay omen’ny mpaminany iray antsika dia ny tenivavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. (Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26–27)

  • Nahoana araka ny hevitrao no ny fizarany ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy no andraikitra lehibe indrindra sahanin’ny mpaminany?

  • Inona no afaka manampy anao handray am-pahatokiana ny torohevitra sy fampitandreman’ireo mpaminanin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao?

Ny anjara asan’ny ny mpaminany sy ny maha-zava-dehibe ny fanarahana azy ireo

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ireto zavatra manaraka ireto:

    Alaovy sary an-tsaina hoe mandefa ity hafatra manaraka ity any aminao ny namanao iray izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana:

    “Tadidiko ianao nilaza zavatra momba ny fananan’ny fiangonanareo mpaminany. Tena marina ve izany? Inona no ataon’ny mpaminaninareo? Mitovy amin’ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly ve izy ireo?”

    Te hahazo antoka ianao fa voavaly mazava ny fanontanian’izy ireo. Manomàna valiny iray amin’ny alalan’ny fampiasana ny tsirairay amin’ireto manaraka ireto:

    1. Andinin-tsoratra masina sy ohatra avy ao amin’ny 1 Nefia 1 (ary andinin-tsoratra masina hafa mombana mpaminany mety fantatrao) izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny anjara asan’ny ny mpaminany.

    2. Ohatra amin’ny fomba nanampian’ny mpaminany maoderina anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hizara ohatra izay nitaoman’ny mpaminany anao tamina lahateny natao tamina fihaonambe maneran-tany, lahatsoratra tao amina gazetibokin’ny Fiangonana, na ny kiboky Jeunes, soyez fort.

    3. Ohatra avy amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa izay maneho vokatra tsara avy amin’ny fihainoana ny mpaminany. Hevero ny hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona anao manokana momba ireo mpaminany.

Saintsaino ny fomba namalianao ireo fampitandremana vao haingana avy amin’ny mpaminany. Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahitanao fomba ahafahanao mihaino tsara kokoa ny torohevitr’izy ireo. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo hevitra ireo dia mifidiana ombam-bavaka hevitra iray mba hampiharina eo amin’ny fiainanao.