2016
Adidy masina ny maha-ray aman-dreny
Septambra 2016


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Septambra 2016

Adidy masina ny maha-ray aman-dreny

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Nahoana no hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahy ireo izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano ny fahatakarana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Namorona ny fianakaviana ny Raintsika any An-danitra mba hanampy antsika hampianatra ireo fitsipika marina anatina tontolo hanjakan’ny fitiavana. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Fihino sy omeo fankasitrahana ny zanakao. Lazao azy matetika hoe: ‘Tiako ianao.’ Manehoa foana fisaorana azy. Aza avela velively hisy olana iray mila vahana ho lasa manan-danja kokoa noho ny olona iray mila tiavina.”1

I Susan W. Tanner, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha dia nilaza fa: “Ny Raintsika any An-danitra dia nanome ohatra ny lamina izay tokony harahintsika. Tia antsika Izy, mampianatra antsika Izy, manam-paharetana amintsika Izy, ary manankina amintsika ny fahafahantsika misafidy. … Matetika ny hoe mifehy, izay midika hoe ‘mampianatra,’ dia afangaro amin’ny hoe tsikera. Ny ankizy—toy ireo olona amin’ny sokajin-taona rehetra—dia mivoatra amin’ny fitondran-tena avy amin’ny fitiavana sy ny fankaherezana toy izay avy amin’ny fikarohana ireo fahadisoana natao.”2

“Raha toa ka manatanteraka amim-pahatokiana ny vavaky ny mpianakavy, ny fandalinana soratra masina, ny takarivan’ny mpianakavy, ny tsodranon’ny fisoronana, ary ny fitandremana ny andro sabata isika,” Hoy ny Loholona Quentin L. Cook, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia “ho vonona amin’ny tokantrano mandrakizay any an-danitra [ireo zanatsika], na inona na inona mianjady aminy ato anatin’ity tontolo sarotra ity.”3

Soratra Masina Fanampiny

1 Nefia 8:37; 3 Nefia 10:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40; 121:41

Tantara marina

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa: “Nisisika teo akaikiko ny iray tamin’ireo zafikeliko lahy raha teo am-pamakiana gazety aho.” “Rehefa namaky aho dia faly ery naheno ilay feo kely miteniteny tao aoriako. Alaivo sary an-tsaina ny fahatairako rehefa fotoana fohy taorian’izay, niditra teo anelanelako sy ilay gazety izy. Noraisiny tamin’ny tanany ny tarehiko ary notsindriany tamin’ny orony ny oroko no sady nanontany izy hoe: ‘Dadabe a! Ao ve ianao?’

“… Ny atao hoe ao dia midika hoe mahatakatra ny ao am-pon’ireo tanorantsika ary mifandray amin’izy ireo. Ary ny atao hoe mifandray aminy dia tsy midika hoe miresaka aminy fotsiny fa miaraka manao zavatra amin’izy ireo koa. …

“Tokony handrindra sy hanararaotra ireo fotoana hampianarana isika. …

“… Arakaraky ny hiainako no hahatsapako bebe kokoa fa ireo fotoana nampianarana nandritra ny fahatanorako, indrindra fa ireo fotoana natokan’ny ray aman-dreniko ho an’izany dia nisy fiantraikany teo amin’ny fiainako ary nahatonga ahy ho toy izao.”4

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny Fitiavana ao an-tokantrano—Torohevitra avy amin’ny Mpaminanintsika,” Liahona, aog. 2011, 4.

  2. Susan W. Tanner, “Did I Tell You … ?” Liahona, mey 2003, 74.

  3. Quentin L. Cook, “Ny Tompo no Fahazavako,” Liahona, mey 2015, 64.

  4. Robert D. Hales, “Ny adidintsika amin’ Andriamanitra: Asa anirahana ny ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hataony amin’ny taranaka vao misondrotra,” Liahona, mey 2010, 96, 95.

Eritrereto Ity

Nahoana no tsara kokoa ny mampianatra ny filazantsara amin’ny fiteny sy ny ohatry ny fitiavana?