2016
Maneho fitiavana
Septambra 2016


Ho an’ny ankizy

Maneho fitiavana

Nizara tantara momba ny raim-pianakaviana sy ny zanany roalahy i Jesoa. Ilay raim-pianakaviana dia niasa tany amin’ny tanimboaloboka ary niangavy ireo zanany roalahy mba hanampy azy. Nanda ilay lahimatoa tamin’ny voalohany saingy avy eo dia nanampy tany amin’ny tanimboaloboka. Namaly ilay faralahy fa hanampy izy, saingy tsy nanao mihitsy izy. Nilaza i Jesoa fa ilay lahimatoa dia naneho fitiavana bebe kokoa ny rainy tamin’ny alalan’ny fankatoavana.

Ataovy fampisehoana an-tsehatra ity tantara ity! Avy eo dia soraty na ataovy an-tsary ireo zavatra telo azonao atao mba hanehoanao ny fitiavanao ny Ray any An-danitra.