2016
Inona no mitranga aorian’ny fitiavana?
Septambra 2016


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Septambra 2016

Inona no mitranga aorian’ny fitiavana?

Ny mpaminany malalantsika, Filoha Thomas S. Monson, dia nampianatra hoe: “ny fitiavana no ampahany manan-danja indrindra amin’ny filazantsara.”1

Tena manan-danja ny fitiavana ka izany no nahatonga an’i Jesoa niantso izany hoe: “ny didy voalohany sady lehibe indrindra” ary nolazainy fa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.2

Ny fitiavana no antony fototra ho an’ny zavatra rehetra izay ataontsika ao am-piangonana. Ny fandaharam-potoana rehetra, ny fivoriana rehetra, ny asa rehetra amin’ny maha- mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mitsimoka avy amin’izany toetra izany—fa raha tsy misy ny fiantrana, “ny fitiavana madion’i Kristy,” dia tsinontsinona isika.3

Rehefa takatsika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika izany, rehefa manambara ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika—dia inona no mitranga?

Ampy ve ny mahatsapa fangorahana sy fitiavana ho an’ny hafa? Moa ve ny fanambarantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika mahafeno ny fepetra takina amin’ny adidintsika ho an’ Andriamanitra?

Ny fanoharana momba ireo zanakalahy roa

Tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholon’ny Jiosy dia nanatona an’i Jesoa mba hamandrika Azy amin’ny teniny. Ny Mpamonjy, na izany aza, dia nanova ny zava-misy tamin’ny fitantarana tantara iray tamin’izy ireo.

“Nisy lehilahy iray nanan-janaka roalahy,” hoy Izy nanomboka ny tantara. Nankeo amin’ny lahimatoa izy ka niangavy azy handeha hiasa any amin’ny tanimboaloboka. Saingy nandà ilay zanaka lahy. Taty aoriana io zanaka lahy io ihany dia “nanenina … ka nandeha ihany.”

Nankeo amin’ny faralahy ilay raim-pianakaviana avy eo ka niangavy azy handeha hiasa any amin’ny tanimboaloboka. Namaly ilay faralahy sady nanome toky azy fa handeha, saingy tsy nandeha mihitsy izy.

Avy eo ny Mpamonjy dia nitodika tamin’ireo mpisorona sy loholona ary nanontany hoe: “Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?”

Nanaiky izy ireo fa ilay lahimatoa izany—ilay tamin’ny voalohany izay nilaza fa tsy handeha saingy nony avy eo dia nanenina ary nandeha niasa tany amin’ny tanimboaloboka.4

Nampiasa ity tantara ity ny Mpamonjy mba hanamafisana ny fitsipika iray manan-danja—izany dia ny hoe ireo izay mankatò’ Andriamanitra ireo didy no tena tia an.

Izany angamba no mety nahatonga an’i Jesoa niangavy ny olona mba hihaino sy hampihatra ny tenin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna fa tsy hanaraka ny ohatra asehon’izy ireo.5 Ireo mpampianatra ara-pivavahana ireo dia tsy nanao izay nolazain’izy ireo. Tia miresaka momba ny fivavahana izy ireo, saingy ny mampalahelo dia tsy nananan’izy ireo ny fototr’izany.

Ireo asa sy famonjena antsika

Tamin’ny iray amin’ireo fampianarana farany ho an’ny mpianany ny Mpamonjy dia niresaka momba ny Fitsarana farany tamin’izy ireo. Ny olon-dratsy sy ny olo-marina dia hosarahina. Ny marina dia handova ny fiainana mandrakizay. Ny ratsy fanahy dia atolotra hoamin’ny famaizana mandrakizay.

Inona no fahasamihafana nisy teo amin’ireo vondrona roa ireo?

Ireo izay naneho ny fitiavany tamin’ny alalan’ny asa no voavonjy. Ireo izay tsy nanao izany dia voaheloka.6 Ny tena fiovam-po marina amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy amin’ireo lanjany ary amin’ireo fitsipika dia ho hita amin’ny alalan’ny asantsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro.

Amin’ny farany, ny fanambarana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika fotsiny dia tsy ampy mba hahavoafidy antsika ho amin’ny fisandratana. Satria, araka ny nampianarin’i Jesoa dia: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.”7

Inona no mitranga aorian’ny fitiavana?

Ny valin’ny fanontaniana hoe: “Inona no mitranga aorian’ny fitiavana?” dia mety ho tsotra sy mahitsy. Raha tena tia ny Mpamonjy isika, dia ampanatonintsika Azy ny fontsika ary avy eo dia mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika. Rehefa tia an’ Andriamanitra isika da miezaka ny mitandrina ny didiny.8

Raha tena tia ny mpiara-belona amintsika isika, dia manolotra ny tenantsika mba hanampy “ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory.”9 Fa ireo izay manao izany asa fangoraham-po tsy am-pitiavan-tena sy ny fanompoana izany,10 dia ireo no mpianatr’i Jesoa Kristy.

Izany no mitranga aorian’ny fitiavana.

Izany no fitsipika fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Ny Filoha Uchtdorf dia mamaritra ireo tena mpianatr’i Jesoa Kristy ho ireo izay maneho ny fitiavan’izy ireo Azy sy ny hafa amin’ny alalan’ny asan’izy ireo. Mampianatra antsika izy fa “raha tena tia ny Mpamonjy isika, dia ampanatonintsika Azy ny fontsika ary avy eo dia mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika.” Anontanio ireo izay ampianarinao hoe amin’ny fomba ahoana no nitarihan’ny fitiavana azy ireo ho amin’ny fandehanana amin’ny dian’ny maha-mpianatra. Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa amin’izy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hivavaka mba hanana fiantrana bebe kokoa ary hery hiasa amim-pitiavana.