2012
Loholona Craig C. Christensen
Nôvambra 2012


Loholona Craig C. Christensen

Ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy

Tamin’ny Aogôsitra 2012 no nanombohan’ny Loholona Craig C. Christensen nanompo tamin’ny naha-mpikambana azy tao aminy Fiadidian’ny Fitopololahy taorian’ny niantsoana azy ho eo amin’io toerana io tamin’ny Aprily 2012.

Naterak’i Sheron sy i Colleen Christensen tany Salt Lake City, Utah, Etazonia tamin’ny Martsa 1956 ny Loholona Christensen ary lehibe tany amin’ny faritra avaratr’i Californie “teo anivon’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany iray izay navitrika sy nikarakara.” Namafisiny fa izy dia nino foana fa marina ny filazantsara ary dia nihanatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona nandritra ny asa fitoriana nataony tany Chilie.

Hoy izy hoe: “Fony aho misiônera dia lasa tsy nitsahatra intsony ilay faniriako hahatsapa ny Fanahy Masina, ary lasa lalim-paka ilay fijoroako ho vavolombelona momba ny filazantsara ary lasa azo tsapain-tanana izany ho ahy.” Lasa nanana fitiavana ny Bokin’i Môrmôna izy nandritra ny asa fitoriana nataony izay mitohy ao anatin’ny fampianarany ankehitriny.

Ny Loholona Christensen dia efa mpikambana tao amin’ny Kôlejy Voalohany sy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy nanomboka tamin’ny 2002. Vao haingana izy no Tale Mpanatanteraky ny Departemantan’ny Fisoronana. Toy izao ireo antsony taloha: filohan’ny Vondrom-paritr’i Mexique Atsimo, filohan’ny Misiônan’i Mexico City East Mission, eveka, filankevitra avo, ary filohan’ny tsatòka.

Ny Loholona Christensen dia manana mari-pahaizana licence mikasika ny haitoebola avy ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ary manana mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy ao amin’ny Oniversiten’i Washington. Manana sy misahana orinasa mpaninjara fiara sy mivarotra tany sy trano izy ary mpampianatra mpitsidika tany amin’ny oniversite maro.

Nanambady an’i Debora Jones tamin’ny 28 Martsa 1978 ny Loholona Christensen. Mipetraka ao Holladay, Utah izy ireo ary manan-janaka efatra sy zafikely dimy.

© IRI