2012
Nampidinina ny Taona Takiana Ahafahana Mirotsaka ho Misiônera Amin’ny Fotoana Maharitra
Nôvambra 2012


Nampidinina ny Taona Takiana Ahafahana Mirotsaka ho Misiônera Amin’ny Fotoana Maharitra

Nanao fanambarana ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny fanokafana ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isaky ny Tapa-taona faha-182 fa afaka manomboka manao asa fitoriana ny tovolahy rehefa feno 18 taona ary ny tovovavy rehefa feno 19. Tonga dia manan-kery nanomboka tamin’io fotoana io izany.

Taty aoriana nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, dia nohamafisin’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa safidy iray ilay fanovana: “Tsy tokony hanomboka ny asa fanompoany ny tovolahy sy ny tovovavy raha tsy efa vonona ara-panahy sy ara-nofo,” hoy izy. Ireo zavatra toy ny fianarana, toe-javatra miseho eo amin’ny fianakaviana sy ny lafiny ara-pahasalamana dia mbola mitoetra ho zavatra manan-danja tokony ho dinihina handrindrana ny fotoana hanaovana asa fitoriana.

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa azon’ny evekan’ireo izay hirotsaka ho misiônera na ny filohan’ny tsatòkany alefa ilay fangatahana mikasika ny firotsahan’izy ireo hanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra 120 andro alohan’ny handraisany 18 taona na alohan’ilay daty ahafahan’izy ireo manompo. Afaka miditra ao amin’ny Foibe Fanofanana ny Misiônera ny tovolahy rehefa avy nahazo mari-pahazaizana avy amin’ny sekoly ambaratonga faharoa na ny mitovy amin’izany ary feno 18 taona. Afaka miditra any ny tovovavy rehefa feno 19 taona.

Ireo izay hirotsaka ho misiônera dia angatahina mba hanatsara ny fiomanany hanao asa fitoriana alohan’ny fotoana hidirany any amin’ny Foibe Fanofanana ny Misiônera.

“Manafaingana ny asany Andriamanitra,” hoy ny Loholona Holland. “Ary mila misiônera vonona sy mendrika bebe kokoa Izy mba hampiely ny hazavana, ny fahamarinana, ny fanantenana ary ny famonjena avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eto amin’ity izao tontolo izao izay matetika maizina sy mampatahotra ity.”

Tena hisy ireo misiôna fanampiny haorina hoy ny Loholona Holland.

Mba handrindrana ilay ho fitombon’ny misiônera any amin’ireo misiôna maneran-tany dia hahena ho iray ampahatelony ny fotoana hijanonana ao amin’ny Foibe Fanofanana ny Misiônera ho an’ny misiônera rehetra. Ilay fanofanana napetraka vao haingana mandritra ny 12 herinandro any amin’ny sahan’ny misiôna dia hanampy amin’ny fanomanana bebe kokoa ireo misiônera.

Ny tovolahy feno 18 taona sy ny tovovavy feno 19 taona dia afaka manomboka manao asa fitoriana ankehitriny, saingy miankina amin’ny toe-javatra iainan’ny tsirairay manokana izany sy ny fanapahan-kevitr’ireo mpitarika eo an-toerana.

© 2004 IRI