2011
Eo Ambany Fitarihan’ny Fisoronana ary Manaraka ny Lamina araka ny Fisoronana.
Martsa 2011


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Martsa 2011

Eo Ambany Fitarihan’ny Fisoronana ary Manaraka ny Lamina araka ny Fisoronana

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Sary
Relief Society seal

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Ry rahavaviko malala, tena voatahy tokoa isika! Tsy vitan’ny hoe mpikamban’ny Fiangonana fotsiny isika, fa mbola mpikambana koa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana “ilay Fikambanan’ny Tompo ho an’ny vehivavy.”1 Ny Fikambanana Ifanampiana dia porofo mivaingan’ny fitiavan’Andriamanitra ny zanakavaviny.

Moa ve ny fonao tsy mangitakitaka rehefa mahatsiaro ny fiantombohan’ity fikambanana ity? Tamin’ny 17 Martsa 1842 dia nanorina fikambanana ho an’ireo rahavavy ny mpaminany Joseph Smith “teo ambanin’ny fisoronana sy araka ny lamin’ny fisoronana.”2

Ny fiorenana “teo ambany fitarihan’ny fisoronana” dia nanome ireo rahavavy fahefana sy fitarihana. Eliza R. Snow, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa, dia nampianatra fa ny Fikambanana Ifanampiana “dia tsy misy raha tsy eo ny fisoronana, satria izany no loharano hahazoany ny fahefana sy fitarihana rehetra.”3 Ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa “ny fahefana izay natao mba hampiasain’ireo mpiandraikitra sy mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana … dia fahefana izay nirotsaka tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fifandraisan’ny fikambanan’izy ireo tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy tamin’ny alalan’ny fanokanana manokana azy ireo teo ambanin’ny tanan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay niantso azy ireo.”4

Ny fiorenan’ny fikambanana “araka ny lamin’ny fisoronana” dia nanome andraikitra masina an’ireo rahavavy. I Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanazava hoe: “Manatanteraka ny asa amin’ny alalan’ny fomban’ny fisoronana isika, izany hoe mikatsaka sy mandray fanambarana ary manatanteraka izay voalazan’izany, ary mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny filankevitra sy mampifantoka ny saintsika amin’ny fiahiana ny tsirairay avy. Ny tanjontsika dia ilay tanjon’ny fisoronana hoe mba hanomana ny tenantsika hahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana sy fitandremana izany. Noho izany, tahaka ireo anadahintsika izay mihazona ny fisoronana, ny asantsika dia asa famonjena sy asa fanompoana, ary ny fahatongavana ho vahoaka masina.”5

Barbara Thompson, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Avy amin’ny Soratra masina

1 Kôrintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3; 121:36–46

Avy amin’ny Tantarantsika

Nandritra ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo, dia nisy vondrona rahavavy naniry ny hanampy amin’ny fanorenana ny trano. I Eliza R. Snow no namintina ny lalàna mifehy izany vondrona vaovao izany. Rehefa nasehony ny Filoha Joseph izany, dia namaly izy hoe: “Teneno ireo rahavavy fa eken’ny Tompo ny fanatitr’izy ireo, ary manana zavatra tsara kokoa ho azy ireo Izy. … Handamina ireo vehivavy aho ho eo ambany fitarihan’ny fisoronana araka ny lamin’ny fisoronana.”6 Fotoana fohy taorian’izany, dia nolazain’ny Mpaminany tamin’ilay Fikambanana Ifanampiana izay vao naorina hoe: “Ahodiko ho anareo ankehitriny ny fanalahidy, amin’ny anaran’Andriamanitra, ary hifaly ity fikambanana ity, ary ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina dia hirotsaka be dia be ao anatin’izany manomboka amin’izao fotoana izao.”7 Nandrasana tamin’ireo rahavavy ny hanakatra ilay haavom-pahamasinana vaovao sy hiomana amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana izay ho tanterahina any amin’ny tempoly tsy ho ela.

Fanamarihana

  1. Spencer W. Kimball, “Relief Society—Its Promise and Potential,” Ensign, Mar. 1976, 4.

  2. Joseph Smith, quoted in Sarah Granger Kimball, “Auto-biography,” Woman’s Exponent, 1 Sept. 1883, 51.

  3. Eliza R. Snow, “Female Relief Society,” Deseret News, 22 Apr. 1868, 81.

  4. Dallin H. Oaks, “The Relief Society and the Church,” Ensign, Mey 1992, 36.

  5. Julie B. Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Liahona, Nôv. 2009, 111

  6. Joseph Smith, quoted in Kimball, “Auto-biography,” 51.

  7. Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 451.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no hanampiako ireo rahavavy izay tsidihiko mba hahazo ireo fitahiana avy amin’ny asa masin’ny Fikambanana Ifanampiana?

  2. Inona no hataoko amin’ity volana ity mba hampitomboana ny fahafahako mandray ny fanambarana manokana?