2011
Mitady izay Tsara
Martsa 2011


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2011

Mitady izay Tsara

Raha nitady trano ny mpivady vao iray izay Olomasin’ny Andro Farany dia niresaka tamin’ireo mpifanolobodirindrina mety hiara-hiaina aminy momba ny fiaraha-monina sy ny sekoly ao amin’ilay faritra izy ireo.

Ny vehivavy anankiray niresaka tamin’izy ireo dia nilaza momba ny sekoly izay misy ny zanany nanao hoe: “Tena toerana tsy manan-tsahala izany! Ny talen’ny sekoly dia lehilahy iray tsara sady mahafinaritra. Ireo mpampianatra dia manana traikefa tsara sy tsara fanahy ary mahay mifandray aman’olona. Tena faly aho noho ny fahafahan’ireo zanako mianatra ao amin’io sekoly mahafinaritra io. Ho tianao ny eto!”

Nisy vehivavy anankiray hafa ihany koa niresaka momba ny sekolin’ny zanany nanao hoe: “Tena mahatsiravina izany toerana izany. Ilay talen’ny sekoly dia tsy manao afa-tsy izay saim-patany fotsiny. Ireo mpampianatra dia tsy manana traikefa sy tsy mahalala fomba ary tsy mahay mifandray aman’olona. Raha azoko atao ny miala amin’ity faritra ity, dia ataoko izao dia izao izany!”

Ny tena mahavariana dia tsy inona fa io talen’ny sekoly io ihany sy ireo mpampianatra ireo ihany ary io sekoly iray io ihany no samy noresahan’ireto vehivavy ireto.

Efa tsikaritrareo ve fa mazàna ny olona dia izay zavatra tadiaviny, na inona izany na inona, no hitany? Fa raha mijery tsara ianao, dia sady hahita ny tsara no hahita ny ratsy saika amin’ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra. Tahaka izany ihany koa no nataon’ny olona tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany hatrany am-piandohany. Ireo izay mitady ny tsara dia hahita ireo olona tsara fanahy sy feno fangorahana, olona izay tia ny Tompo sy maniry ny hanompo Azy ary hitahy ny fiainan’ireo mpiara-belona aminy. Kanefa marina ihany koa fa ireo izay mitady izay ratsy dia hahita zavatra izay tsy dia tonga lafatra loatra.

Indrisy fa misy fotoana itrangan’izany indraindray na dia ato amin’ny Fiangonana aza. Tsy misy fiafarana ny fahaiza-mamorona sy ny fikikirana ananan’ireo izay mitady antony hahafahana mitsikera. Toa tsy vonona hiala amin’ny filam-banony izy ireo. Mifosa sy mahita hadisoana eo amin’ny hafa izy ireo. Nikolokolo ratra am-polo taonany maro izy ireo ary nanararaotra ny fotoana rehetra mba hanapotehana sy hambaniana ny hafa. Tsy mahafaly ny Tompo izany, “Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra” (Jakoba 3:16).

Ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901) dia nahafantatra tsara ny Filoha Brigham Young (1801–77) sy niara-niasa akaiky taminy nandritra ny taona maro, sady tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no tamin’ny naha-mpanolotsainy azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Taorian’ny nahafatesan’ny Filoha Young, dia nanoratra tao amin’ny diariny ny Filoha Cannon hoe: “Tsy mbola nisy fotoana hoe nitsikerako na nahitako hadisoana tamin’ny fitondrantenan’i [Brigham Young], na ny torolalany na ny fampianarany, tao am-poko, vao maika moa hoe naneho izany tamin’ny fiteniko na tamin’ny fihetsiko. Fifaliana ho ahy izany ankehitriny. Ny eritreritra nitoetra foana tao an-tsaiko tamin’izany dia ny hoe: Raha toa ka mitsikera ny Rahalahy Brigham aho na mitady hadisoana eo aminy, na mitsara azy, dia hatraiza no halehako? Raha manomboka aho, dia aiza aho vao hijanona? Tsy natoky ny tenako aho tao anatin’izany lafin-javatra izany. Fantatro fa ny Apôstazia dia matetika vokatry ny fanomezana vahana ilay toetra tia mitsikera sy mahita fahadisoana eo amin’ny hafa. Ireo hafa izay manana hery sy fahendrena ary traikefa lehibe kokoa noho ny tenako, dia mety afaka manao zavatra maro sy miala amin’ny vokatry ny ratsy izay tsy vitako.”1

Ny torohevitra mafonja nomen’ny Filoha Cannon dia zavatra tokony hodinihantsika mpikamban’ny Fiangonana tsara tokoa. Ny tenin’Andriamanitra dia mamporisika ireo mpanara-dia an’i Kristy mba ho “madio, … tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.” Ary ho an’ireo izay tia fihavanana dia, “afafy amin’ny fihavanana ny vokatry ny fahamarinana” (Jakoba 3:17, 18).

Manana safidy isika. Afaka mitady izay ratsy ao amin’ny hafa isika. Na afaka mamitra-pihavanana amin’ny hafa isika sy miasa mba hanehoana amin’ny hafa ilay halemem-panahy sy tsy fiangarana ary famelan-keloka izay tena iriantsika hiseho amintsika. Manana safidy isika, ka izay rehetra tadiavintsika, dia azo antoka fa izany no ho hitantsika.

Fanamarihana

  1. George Q. Cannon, Journal, Jan. 17, 1878; marin-tsoratra nohavaozina.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

“Mety mahatsapa ianao fa tsy ampy ny fahatakaranao momba ny fitsipika iray izay omaninao mba hampianarina,” jereo ao amin’ny Enseignement, Pas de Plus grand Appel ([1999], 19). “Kanefa, rehefa mandalina izany ombam-bavaka ianao sy miezaka miaina izany, ary miomana hampianatra izany, ary avy eo mizara izany amin’ny hafa dia ho mafy orina sy ho latsa-paka ny fijoroanao ho vavolombelona.”

Rehefa mitady izay tsara eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny hafa ianao amin’ity volana ity dia ho voaomana tsara kokoa hampianatra ity hafatra ity sy hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany.