2011
Ny Lafiny Tsara Tamin’ny Kaikitr’Alika Iray
Martsa 2011


Ho an’ny Tanora

Ny Lafiny Tsara Tamin’ny Kaikitr’Alika Iray

Tamin’ny fahavaratry ny taona 2009, dia nokaikerin’ny alikan’ny namako ny tarehiko. Indrisy fa tatak’izany kaikitr’alika izany ny molotro ary dia tsy maintsy nozairina.

Taorian’izany faharatrana izany dia tena lasa kivy aho. Navelako hanenika ny eritreritro ny fahoriana, ary nahatsapa toy ireny hoe rava tanteraka ireny mihitsy ny fiainako iray manontolo. Tsapako be ny nahazo ny molotro ary tsy te-hivoaka teny imason’ny olona mihitsy aho. Raha ny tao an-tsaiko dia simban’ilay faharatrako ireo drafitro momba ny pianô, ny volley, ny fiangonana, ny lomano, ary ny fianarana.

Kanefa isaky ny nivavaka aho sy nandray tsodranon’ny fisoronana ary niresaka tamin’ireo ray aman-dreniko, na notsidihin’ireo fianakaviana sy namana, dia nahazo hery ny fanahiko ary nahatsapa hasambarana aho tao anatin’ny fotoanan’ny alahelo. Fotoana fohy taty aoriana dia tsapako fa raha misy olona mieritreritra momba ny faharatrako, dia mahatsapa fangorahana izy ireo.

Namolavola ny toetrako izany zavatra niainako izany ary nianatra aho fa tsy tokony hiahiahy momba izay eritreretin’ny olona mikasika ahy. Nahazo fitahiana ihany koa aho satria ny ratrako dia nanampy ahy hahatakatra fa tsy tokony hieritreritra be loatra momba ny tenako aho ary tokony hanomboka hikarakara bebe kokoa ny hafa. Tena nahazo hery lehibe ny fanahiko nandritra izany fotoana izany.

Nianatra aho fa ny fahoriana dia tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Ray any an-danitra ho antsika. Raha toa isika ka mitady izay tsara fa tsy izay ratsy, dia afaka mandresy ny fahoriana sy ho tonga olona tsaratsara kokoa, ary hamela ilay zava-miseho hanamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona.