2010–2019
Hery handresena ny fahavalo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Hery handresena ny fahavalo

Ahoana no ahitantsika fiadanana, sy ahatsiarovantsika hoe iza isika, ary handresena ireo F telon’ny fahavalo?

Rahalahy sy ranabavy, misaotra noho ny zava-drehetra izay ataonareo mba ho lasa, sy hanampy ny hafa ho lasa mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy sy hankafy ireo fitahian’ny tempoly masina. Misaotra noho ny fahatsaranareo. Tena mahavariana ianareo, tsara ianareo.

Ny vavaka ataoko dia ny hahafantarantsika ny fitaomana manamafy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mihatakatsika tanteraka fa zanak’ Andriamanitra isika. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia milaza fa “ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”1 Isika dia “fanahy nofinidy izay notanana ho fiandry mba hivoaka amin’ny fotoam-pahafenoana handray anjara amin’ny fandatsahana ny fototry ny asa lehiben’ny andro farany.”2 Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Nampianarina tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ianareo mba hanomanana anareo amin’izay zavatra rehetra mety hatrehinareo mandritra ity ampahany farany amin’izao andro farany ity izao (jereo ny F&F 138:56). Nijanona niaraka taminareo ny zavatra izay nampianarina anareo!”3

Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra voafidy ianareo. Manana ny hery handresena ny fahavalo ianareo. Ny fahavalo anefa dia mahafantatra hoe iza ianareo. Fantany ny lovanareo avy any an-danitra ary mikatsaka ny hametra ny hery anaty anananareo ety an-tany sy ny any an-danitra izy amin’ny fampiasana F anankitelo:

  • Famitahana

  • Fandrebirebena

  • Fanakiviana

Famitahana

Nampiasa ny fitaovan’ny famitahana ny fahavalo tamin’ny andron’i Mosesy. Hoy ny Tompo tamin’i Mosesy hoe:

“Indro, zanakalahiko ianao. …

“Manana asa ho anao aho, … ary ianao dia natao araka ny endriky ny Zanaka Lahitokako.”4

Fotoana fohy taorian’io fahitana be voninahitra io dia nanandrana namitaka an’i Mosesy i Satana. Mahavariana ny teny nampiasainy: “Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy.”5 Tsy tao anatin’ilay fanasana hidera azy ihany no nisy famitahana, fa tao amin’ny fomba namaritany an’i Mosesy hoe zanak’olona ihany koa. Tsarovy fa vao avy niteny an’i Mosesy ny Tompo hoe zanak’ Andriamanitra izy, nohariana tahaka ny endriky ny Zanaka Lahitokana.

Tsy nihambahamba ny fahavalo nanao fanandramana maro nentina namitahana an’i Mosesy saingy nanohitra i Mosesy nanao hoe: “Mialà amiko ry Satana, fa izao Andriamanitra iray izao ihany no hoderaiko, izay Andriamanitry ny voninahitra.”6 Tsaroan’i Mosesy hoe iza izy, dia zanak’ Andriamanitra.

Mihatra aminareo sy amiko ihany koa ny tenin’ny Tompo tamin’i Mosesy. Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika, ary manana asa tokony hataontsika Izy. I Satana dia miezaka mamitaka amin’ny fanaovana izay hanadinoantsika hoe iza isika. Raha tsy takatsika hoe iza isika dia ho sarotra ny hahafantatra ny olona izay tokony hahatongavantsika.

Fandrebirebena

Miezaka ny mandrebireby ny saintsika ihany koa i Satana mba hanalavitra an’i Kristy sy ny lalan’ny fanekempihavanany. Nizara izao manaraka izao ny Loholona Ronald A. Rasband: “Ny drafitry ny fahavalo dia ny handrebireby antsika tsy hahita ireo vavolombelona ara-panahy ary ny fanirian’ny Tompo kosa dia ny hanazava antsika sy ny hampirotsaka antsika ao amin’ny asany.”7

Amin’izao androntsika izao dia misy zavatra maro mandrebireby ny saintsika, toy ny Twitter, ny Facebook, ny kilalao tontolo tsy tena izy (réalité virtuelle), sy ny maro hafa. Tena mahatalanjona ireo fandrosoana ara-teknôlôjia ireo, saingy raha tsy mitandrina isika, dia mety handrebireby antsika izany ka tsy hahatratrarantsika ny fahafahana masina ananantsika. Ny fampiasana azy ireny araka ny tokony ho izy dia afaka mitondra ny herin’ny lanitra ka manome fahafahana antsika hahita fahagagana rehefa mikatsaka ny hanangona an’i Isiraely miely patrana isika eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.

Aoka isika hitandrina fa tsy hanao tsirambina ny fampiasantsika ny teknôlôjia.8 Katsaho tsy tapaka ny fomba mety hahafahan’ny teknôlôjia mitondra antsika ho akaiky kokoa ny Mpamponjy sy manome fahafahana antsika hanatanteraka ny asany eo am-panomanantsika ny fiaviany fanindroany.

Fanakiviana

Farany, ny fahavalo dia maniry antsika ho lasa kivy. Mety ho kivy isika rehefa mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa na rehefa mahatsapa isika fa tsy mahatakatra ny fari-piainana andrasan’ny olona, tafiditra amin’izany ny an’ny tena.

Rehefa nanomboka ny fianarako hahazoako doctorat aho dia nahatsapa ho kivy. Tamin’izay taona izay ilay fandaharam-pianarana dia tsy nandray afa-tsy mpianatra efatra monja, ary tena nahay ireo mpianatra hafa. Nanana naoty ambony kokoa izy ireo tamin’ny fitsapana, ary nanana traikefa arak’asa amin’ny resaka fitantanana, ary nasehon’izy ireo ny fatokian-tenany amin’ny fahaizany. Taorian’ny herinandro roa voalohany nanarahako ilay fandaharam-pianarana dia nanomboka niantraika tamiko ireo fahatsapana fahakiviana sy fisalasalana, izay saika nandreraka ahy mihitsy.

Nanapa-kevitra aho hoe raha te hamita ity fandaharam-pianarana maharitra efatra taona ity aho dia hamita ny famakiako ny Bokin’i Môrmôna isaky ny enim-bolana. Isan’andro rehefa mamaky aho dia hitako ilay fanambaran’ny Mpamonjy hoe hampianatra ahy ny zavatra rehetra ny Fanahy Masina ary hampahatsiaro ahy ny zava-drehetra.9 Izany dia nanamafy hoe iza aho amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy, dia mampahatsiahy ahy ny tsy hampitaha ny tenako amin’ny hafa, ary nanome ahy fatokian-tena amin’ny anjara asako masina ny mba hahomby.10

Ry namako malala, aza avela hisy olona hangalatra ny fahasambaranareo. Aza mampitaha ny tenanareo amin’ny hafa. Mba tsarovy ireo teny mamin’ny Mpamonjy hoe: “Ny fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: tsy tahaky ny fanomen’izao tontolo izao, no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”11

Koa ahoana ary no fomba anaovantsika an’izany? Ahoana no ahitantsika io fiadanana io, sy ahatsiarovantsika hoe iza isika, ary handresena ireo F telon’ny fahavalo?

Voalohany, tsarovy ny didy voalohany sy lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika.12 Ny zavatra rehetra ataontsika dia tokony hatosiky ny fitiavana Azy sy ny Zananilahy. Rehefa mamolavola fitiavana Azy ireo isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny, dia hitombo ny fahafahantsika hitia ny tenantsika sy hitia ny hafa. Hanomboka hanompo ny fianakaviana, sy ny namana, ary ny mpiara-belona amintsika isika satria ho hitantsika tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo izy ireo, dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra.13

Faharoa, mivavaha amin’ Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isan’andro, isan’andro, isan’andro.14 Amin’ny alalan’ny vavaka no ahafahantsika mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy maneho ny fitiavantsika Azy. Amin’ny alalan’ny vavaka isika dia maneho fankasitrahana ary mangataka hery sy risi-po hampandeferantsika ny sitrapontsika amin’ny an’ Andriamanitra sy ho voatarika amin’ny zavatra rehetra.

Mamporisika anareo aho mba “hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, … mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika.”15

Fahatelo, vakio ary halalino isan’andro, isan’andro, isan’andro ny Bokin’i Môrmôna.16 Toa mihatsara kokoa ny fandalinako ny Bokin’i Môrmôna rehefa vakiako miaraka amin’ny fanontaniana ao an-tsaina izany. Rehefa mamaky sady manana fanontaniana isika dia afaka mahazo fanambarana ary hahafantatra fa ny mpaminany Joseph Smith dia nilaza ny marina raha nanambara hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany, … ary hanatona kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny toy izay ao anatin’ny boky hafa.”17 Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny tenin’i Kristy ary manampy antsika hahatsiaro hoe iza isika.

Farany, mandray ombam-bavaka ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, isan-kerinandro, isan-kerinandro. Amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny fisoronana no hanehoana ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.18 Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe: “Ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo dia fanasana masina sy miverimberina mba hibebaka amin-kitsimpo ary mba hihavao ara-panahy. Tsy ilay hoe fandraisana fotsiny ny Fanasan’ny Tompo no manadio amin’ny fahotana. Fa rehefa miomana amin-kitsimpo sy mandray anjara amin’io ôrdônansy masina io isika miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina dia mahazo fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika.”19

Rehefa mandray amim-panetren-tena ny fanasan’ny Tompo isika, dia mahatsiaro ny fijaliany tao amin’izany saha masina antsoina hoe Getsemane izany sy ny fijaliany teo amin’ny hazo fijaliana. Maneho fankasitrahana ny Ray isika noho ny nandefasany ny Zanaka Lahitokana, ilay Mpanavotra antsika, ary maneho ny fahavononantsika ny hitandrina ny didiny sy hahatsiaro Azy mandrakariva.20 Misy fahazavana ara-panahy miaraka amin’ny fanasan’ny Tompo, an’ny tena manokana izany, mahery vaika izany, ary ilaina izany.

Ry namako, mampanantena aho fa rehefa miezaka mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika, mivavaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, mandalina ny Bokin’i Môrmôna, ary mandray ombam-bavaka ny fanasan’ny Tompo, dia hanana ny fahafahana, miaraka amin’ny herin’ny Tompo, handresy ny fitaky ny fahavalo, hampihena ny fandrebirebena izay mametra ny hery masina ananantsika, ary hanohitra ny fanakiviana izay mampihena ny fahafahantsika hahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany. Ho lasa mahatakatra tenteraka ny amintsika isika, dia hoe zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra.

Ry rahalahy sy ranabavy, zaraiko aminareo ny fitiavako ary ambarako aminareo ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa fantatro fa velona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa no Kristy. Tiako Izy ireo. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Manana ny andraikitra masina ny hanangona an’Isiraely sy hanomana izao tontolo izao ho amin’ny fiavian’i Mesia fanindroany isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.