2010–2019
Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika

Manasa anareo aho hisaintsaina ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nataonareo tamin’ny Tompo sy tamin’ny hafa, miaraka amin’ny fahitsian-toetra lehibe, sady mahafantatra fa azo antoka ny teninareo.

Ry rahalahy sy anabavy malala, eto am-pamaranantsika ity fivoriana ity, dia enga anie isika tsirairay hihazona ao am-pontsika ny tenivavolombelona nozaraina teto androany momba ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Voatahy isika manana ity fotoana masina iarahana ity mba hanamafisana ny fampanantenana nataontsika tamin’i Jesoa Kristy Tompo fa isika dia mpanompony ary Izy dia Mpamonjy antsika.

Ny lanjan’ny fanaovana sy fitandremana fampanantenana sy fanekempihavanana dia mitambesatra ato an-tsaiko. Manan-danja toy ny ahoana aminao ny mitandrina ny teny nataonao? ny hatokisana? ny hanao izay nolazainao fa hataonao? ny miezaka ny hanaja ireo fanekempihavanana masina nataonao? ny hanana fahitsian-toetra? Rehefa miaina ao anatin’ny fanajana ireo fampanantenana nataontsika tamin’ny Tompo sy tamin’ny hafa isika dia mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana miverina mankany amin’ny Raintsika any An-danitra ary mahatsapa ny fitiavany eo amin’ny fiainantsika.

I Jesoa Kristy Mpamonjintsika no ohatra lehibe ho antsika raha resaka fanaovana sy fitandremana fampanantenana sy fanekempihavanana. Tonga teto an-tany izy nampanantena hanao ny sitrapon’ny Ray. Nampianatra fitsipiky ny filazantsara tamin’ny fiteny sy fihetsika Izy. Nanonitra ny fahotantsika Izy mba hahafahantsika miaina indray. Nanaja ny tsirairay tamin’ireo fampanantenany Izy.

Azo lazaina fa manao izany koa ve isika tsirairay? Inona avy ireo loza raha toa ka mangalatra kely isika, na mirotsaka kely ao anaty fakam-panahy, na tsy manatontosa tsara ireo fanolorantena nataontsika? Ahoana raha toa ka miala amin’ireo fanekempihavanana nataontsika isika? Moa ve ny hafa hanatona an’i Kristy noho ny ohatra asehontsika? Moa ve atokisana ny teninao? Tsy fahazarana ny fitandremana fampanantenana; toetra iray maha-mpianatr’i Jesoa Kristy izany.

Tamin’ny fahalalana hatrany ireo fahalementsika eto amin’ny fiainana an-tany no nampanantenan’ny Tompo hoe: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”1 Nahatsapa ny fanatrehany aho rehefa nila fanomezan-toky indray, na fankaherezana, na hevi-baovao ara-panahy na tanjaka lehibe kokoa. Ary nampanetry tena sy maha-feno fankasitrahana ahy ny finamanany masina.

Nilaza ny Tompo hoe: “Ny olona tsirairay, izay mahafoy ny fahotany ka manatona Ahy ary miantso ny anarako sy mankatò ny feoko ary mitandrina ny didiko, dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho.”2 Izany angamba no fampanantenana lehibe indrindra avy Aminy.

Nianatra ny maha-zava-dehibe ny mitandrina ny teniko aho nandritra ny fahatanorako. Ohatra iray amin’izany rehefa nijoro nifantoka tsara aho mba hitanisa ny Voadin’ny Skoto. Ny fiarahantsika tamin’ny Skoton-jazalahin’i Etazonia, izay mifarana ankehitriny, dia ho lova manan-danja mandrakariva ho ahy sy ho an’ny Fiangonana. Ho an’ny fikambanan’ny Skoto, ho an’ireo lehilahy amam-behivavy maro izay nanompo tamim-pahazotoana tamin’ny naha-mpitarika ny Skoto azy ireo, ho an’ireo reny, tena deraina manokana izy ireo, ary ho an’ireo zatovolahy izay nandray anjara tamin’ny Skoto, dia hoy izahay hoe: “Misaotra anareo.”

Tamin’ity fivoriana ity mihitsy, ny Filoha Nelson sy ny Loholona Cook dia nanambara fanovana izay hampifantoka antsika indray amin’ireo zatovo ary hampifanandrify ireo rafitra ao amintsika amin’ny fahamarinana nambara. Ankoatra izany, vao tamin’ny alahady lasa teo no nanazava tamintsika ilay fandaharana’asa vaovao ho an’ny Ankizy sy ny Zatovon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny Fiangonana iray manontolo ny Filoha Nelson sy ny Filoha Ballard. Ezaka iray atao maneran-tany izany izay mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjitsika. Miray hina ao anatin’ity lalana vaovao horaisina ity ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary mijoro ho vavolombelona manokana aho fa nitarika anay ny Tompo tamin’ny dingana tsirairay teo am-panatanterahana izany. Feno fifaliana aho ho an’ny ankizy sy ny zatovon’ny Fiangonana izay hiaina ity fifantohana manokana amin’izy ireo ity, na any an-tokantrano izany na any am-piangonana, amin’ny alalan’ny fianarana ny filazantsara, fanompoana sy atrikasa, ary fampivoarana ny tena manokana.

Ny lohahevitra ho an’ny zatovo amin’io taona ho avy, 2020 io dia miresaka momba ny fampanantenana tsotra nataon’i Nefia mba “handeha ary hanao.” Nanoratra izy hoe: “Ary ny zava-nitranga dia hoy izaho Nefia tamin-draiko: Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy.”3 Na dia taloha efa lasa ela be aza no nambarana izany, isika ato amin’ny Fiangonana dia mbola mihazona izany fampanantenana izany ankehitriny.

Ny hoe “handeha ary hanao” dia midika hoe mandresy ireo fomban’izao tontolo izao, mandray fanambarana ho an’ny tena manokana sy mandray andraikitra eo anatrehan’izany, miaina amim-pahamarinana omban’ny fanantenana sy finoana ny amin’ny hoavy, manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana mba hanaraka an’i Jesoa Kristy, ka hampitombo ny fitiavantsika Azy, izay Mpamonjy izao tontolo izao.

Ny fanekempihavanana dia fampanantenana ifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany, dia eo amintsika sy ny Tompo. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia nanao fanekempihavanana tamin’ny batisa isika fa hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, ny hiaina tahaka ny niainany. Toa an’ireo izay natao batisa tao amin’ny ranon’i Môrmôna, dia manao fanekempihavanana ny ho tonga olony isika, “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany; … hiara-malahelo amin’izay malahelo, … hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra.”4 Ny fifanompoantsika ato amin’ny Fiangonana dia maneho ny fanolorantenantsika mba hanaja ireo fampanantenana ireo mihitsy.

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao ny fanekempihavanana hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ary manao fampanantenana fanampiny mba hivoatra. Ireo eritreritsika sy zavatra ataontsika isan’andro, na lehibe na kely, dia maneho ny fanolorantenantsika Aminy. Ny fampanantenany masina ho valin’izany dia hoe: “Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo.”5

Ny fanontaniako anio dia hoe: moa ve isika manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika sa izy ireny fanolorantena tsy atao amin’ny fo indraindray, zara raha atao ka dia mora tsy tanterahina? Rehefa milaza amin’ny olona iray isika hoe: “Hivavaka ho anao aho,” moa ve ataontsika izany? Rehefa manolo-tena isika hoe: “Ho tonga any aho hanampy,” hataontsika ve izany? Rehefa mampanantena isika fa handoa trosa, moa ve ataontsika izany? Rehefa manangana ny tanantsika isika mba hanohana mpiara-miangona iray amin’ny antsony vaovao, izay midika hoe manolotra fanohanana, moa ve ataontsika izany?

Indray alina fony aho mbola zatovo dia niara-nipetraka tamiko teo an-tongom-pandriany ny reniko ka niresaka tamin’ny fomba matotra momba ny lanjan’ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena. “Fantatro avy tamin’ny zavatra niainan’ny hafa, taona maro lasa izay,” hoy izy, “ny fanjavonan’ny fiainam-panahy sy ny toetra mora mahatsapa ny fihetseham-pon’ny hafa izay avy amin’ny tsy fanarahana ny Tenin’ny Fahendrena.” Nibanjina tsara ny masoko izy ary tsapako niditra tao am-poko ireo teniny manao hoe: “Mampanantenà ahy ianao ry Ronnie anio [Ronnie no fiantsony ahy], fa hiaina mandrakariva ny Tenin’ny Fahendrena ianao.” Nanao izany fampanantenana izany taminy aho ary nitandrina izany nandritra ireo taona maro rehetra ireo.

Nanampy be ahy izany fanolorantena izany tamin’ny fotoana naha-zatovo ahy sy taona maro taty aoriana rehefa tao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana aho izay nitobahan’ny zava-mahadomelina. Nandray fanapahan-kevitra mialoha mba hanaraka ireo lalàn’ Andriamanitra aho, ary tsy nila niova hevitra ny amin’izany velively. Nilaza ny Tompo hoe: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo.”6 Inona no lazainy amin’ireo izay manaja ny Tenin’ny Fahendrena? Fa hahazo fampanantenana ny ho salama, hatanjaka, ho hendry, hanam-pahalalana, ary ho arovan’ny anjely isika.7

Taona maromaro lasa izay dia tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izaho sy ny Rahavavy Rasband nanatrika ny famehezana ny iray amin’ireo zanakay vavy. Raha nijoro teo ivelan’ny tempoly niaraka tamin’ilay zanakay vavy mbola kely iray izahay, izay mbola kely taona ka tsy afaka hanatrika ilay fanambadiana, dia niresaka momba ny maha-manan-danja ny hoe fehezina ao amin’ny tempoly masin’ Andriamanitra taminy izahay. Toy ny nampianaran’ny reniko ahy taona maro lasa tany taloha tany, dia nolazainay tamin’ny zanakay vavy hoe: “Irinay ianao mba ho voafehy soa aman-tsara ao amin’ny tempoly, ary tianay ianao hampanantena aminay fa rehefa hahita ilay ho namanao mandrakizay ianao, dia hiaraka hametraka daty iray aminy ianao mba hamehezana anareo ao amin’ny tempoly.” Nanome toky anay izy.

Sary
Ny zanakavavin’ny Loholona Rasband sy ny vadiny

Hatramin’izay dia nilaza izy fa ny resaka nataonay sy ny fampanantenana nataony dia niaro azy sy nampahatsiahy azy “ny zavatra manan-danja indrindra.” Nanao fanekempihavanana masina izy taty aoriana rehefa nofehezina tamin’ny vadiny tao amin’ny tempoly.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Isika dia … mampitombo ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika rehefa manao fanekempihavanana masina sy mitandrina ireny fanekempihavanana ireny amin’ny antsipiriany. Mamatotra antsika Aminy ireo fanekempihavanantsika ary manome antsika ny herin’ Andriamanitra.”8

Rehefa mitandrina ireo fampanantenana ifanaovantsika isika dia azo antoka kokoa fa hitandrina ireo fampanantenana natao tamin’ny Tompo. Tsarovy ireo tenin’ny Tompo hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”9

Saintsaino miaraka amiko ireo ohatra mikasika ireo fampanantenana ao anatin’ny soratra masina. Nanolo-tena i Amôna sy ireo zanakalahin’i Môzià “ny hitory ny tenin’ Andriamanitra.”10 Rehefa babon’ny tafika Lamanita i Amôna dia nentina teo anoloan’i Lamônia Mpanjaka Lamanita izy. Nanolo-tena tamin’ny mpanjaka izy hoe: “Ho mpanomponao aho.”11 Rehefa tonga hangalatra ireo ondrin’ny mpanjaka ireo mpandroba dia notapahan’i Amôna ny tanan’izy ireo. Gaga tokoa ny mpanjaka, ka nihaino ny hafatr’i Amôna momba ny filazantsara izy ary niova fo.

I Rota, tao amin’ny Testamenta Taloha, dia nampanantena ny rafozam-baviny hoe: “Izay alehanao no halehako.”12 Nanaja ny teniny izy. Ilay Samaritana tsara fanahy, ao amin’ilay fanoharana ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia nampanantena ilay tompon’ny tranom-bahiny fa raha toa ka hikarakara ilay mpanao dia izay naratra izy, “Na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako.”13 I Zôrama, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nampanantena ny handeha any an-tany foana niaraka tamin’i Nefia sy ireo rahalahiny. Nitantara i Nefia hoe: “Nony efa nianiana taminay i Zôrama, dia nitsahatra ny ahiahinay momba azy.”14

Ahoana ny amin’ilay fampanantenana “natao tamin’ny ray” araka ny voafariparitra ao amin’ny soratra masina fa “hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka?15 Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana rehefa nisafidy ny drafitr’ Andriamanitra isika, dia nanao fampanantenana ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly. “Niditra ho mpiara-miasa amin’ny Tompo isika,” hoy ny Loholona John A. Widtsoe nanazava taona maro lasa izay. “Ny fanatanterahana izany drafitra izany avy eo dia tsy lasa asan’ny Ray irery fotsiny intsony, na koa asan’ny Mpamonjy irery intsony, fa asantsika ihany koa.”16

“[Ilay] fanangonana no zava-manan-danja indrindra izay mitranga eto an-tany ankehitriny,” hoy ny Filoha Nelson rehefa nitety izao tontolo izao izy. “Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza tsotra izao an’ity fahamarinana fototra ity: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.”17

Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy no hamaranako amin’ny fanasana sy fampanantenana iray. Voalohany, ilay fanasana: Manasa anareo aho hisaintsaina ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nataonareo tamin’ny Tompo sy tamin’ny hafa, miaraka amin’ny fahitsian-toetra lehibe, sady mahafantatra fa azo antoka ny teninareo. Faharoa, mampanantena anareo aho, fa raha manao izany ianareo, dia hampiorina ny teninareo ny Tompo ary hamaly soa ny asanareo rehefa miezaka amim-pahavitrihana lalandava ny hanamafy orina ny fiainanareo, ny fianakavianareo, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianareo. Hiaraka aminareo Izy, ry rahalahy sy anabaviko malala, ary ianareo dia afaka hiandrandra amim-pahatokiana fa “horaisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoa[nareo] miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana … fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.”18

Izany no ijoroako ho vavolombelona sy ampanantenaiko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.