2010–2019
Zanakavavy malala
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Zanakavavy malala

Ivon’ny zavatra rehetra ataontsika ao amin’ny Zatovovavy ny fanirianay hanampy anareo hahazo finoana tsy voahozongozona an’ny Tompo Jesoa Kritsy.

Ry rahavaviko malala isany, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo! Vavolombelon’ny fitobahan’ny fanambarana isika izay sady mampiasa hery ara-panahy be no mampientanentana be ihany koa.

Eto am-panombohana dia te-hampahafantatra aminareo namana vitsivitsy aho; izy ireo dia zatovovavy miavaka amin’ny talenta, fombafomba, ary toe-javatra manokana eo amin’ny fiainany sy ny an’ny fianakaviany. Izy ireo, tahaka ny tsirairay avy aminareo, dia nikasika ny foko.

Sary
Bella

Voalohany, indro i Bella. Izy dia mijoro matanjaka amin’ny maha-hany tovovavy azy ao amin’ny sampana misy azy any Islandy.

Sary
Josephine

Indro i Josephine be fanolorantena avy ao Afrika, izay nanolo tena indray handalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro. Eo am-pahitana ny hery sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fanaovana izany zavatra tsotra sy mahatoky izany izy.

Sary
Ashtyn

Ary farany dia indro i Ashtyn namana lalaiko, zatovovavy mahatalanjona izay nodimandry rehefa nitolona mafy tamin’ny homamiadana nandritra ny enin-taona. Mbola manakoako ato am-poko ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka nananany momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ianareo rehetra dia zatovovavy miavaka daholo. Miavaka ianareo, samy manana fanomezam-pahasoavana sy traikefa anareo avy ianareo nefa manana zavatra itoviana amin’ny lafiny iray tena manan-danja sy mandrakizay.

Tena zanakavavy ara-panahin’ny Ray aman-dReny any An-danitra ara-bakinteny ianareo ary tsy misy afaka manasaraka anareo amin’ny fitiavan’ Izy Ireo sy ny fitiavan’ny Mpamonjy.1 Rehefa manakaiky Azy kokoa ianareo, na dia ny dingana voalohany bitika indrindra aza no raisinareo mba handrosoana, dia hahita ny fiadanana maharitra izay mitoetra ao amin’ny fanahinareo ianareo amin’ny maha-mpianatra mahatokin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy anareo.

Nangataka ahy ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika, hizara momba ireo fanovana nentanim-panahy sasany izay hanampy anareo “hampitombo ny fahafahanareo manokana sy masina hahavita zavatra sy ho lasa lavitra”2 ary hampitombo ny fahamarinana sarihanareo. Hiompana amina zavatra efatra aho anio alina.

Lohahevitry ny Zatovovavy

Voalohany, ivon’ny zavatra rehetra ataontsika ao amin’ny Zatovovavy ny faniriantsika hanampy anareo hahazo finoana tsy voahozongozona an’ny Tompo Jesoa Kritsy3 ary ny fahalalana azo antoka ny amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo.

Anio hariva aho dia te-hanambarana ny fanovana hatao amin’ilay Lohahevitry ny Zatovovavy. Mivavaka aho ny mba hahatsapanareo ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireto teny ireto eo am-panononako ilay lohahevitra vaovao:

Zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra aho,4 manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.5

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy6 dia miezaka ny ho tonga tahaka Azy aho.7 Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ary mandray andraikitra eo anoloan’izany aho,8 ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.9

Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra aho.10

Eo am-piezahako ho mendrika ny fisandratana,11 dia mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho12 ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro.13 Miaraka amin’ny finoana,14 hankahery ny tokantranoko sy ny fianakaviako aho,15 hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina,16 ary handray ireo ôrdônansy17 sy fitahian’ny tempoly masina.18

Mariho ny fanovana misy eo amin’ny “izahay” lasa “aho.” Mihatra aminao manokana ireo fahamarinana ireo. Ianao dia zanakavavy malalan’ny Ray aman-dReny any An-danitra. Ianao dia mpianatra nanao fanekempihavanana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Manasa anareo aho handalina sy hisaintsaina ireo teny ireo. Fantatro fa rehefa manao izany ianareo dia hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izy ireo. Ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo dia hanova ny fomba hiatrehanareo fanamby sy olana. Ny fahafantaranareo ny maha-izy anareo sy ny tanjonareo dia hanampy anareo hampifanaraka ny sitraponareo amin’ny an’ny Mpamonjy.

Hahazo fiadanana sy fitarihana ianareo eo am-panarahanareo an’i Jesoa Kristy.

Ireo kilasin’ny Zatovovavy

Ny lafiny faharoa tamin’ny fanovana natao dia miantefa amin’ireo kilasin’ny Zatovovavy. Nilaza i Neal A. Maxwell hoe: “Matetika tokoa ny zavatra tena ilain’ny olona dia fialofana amin’ireo tafiotry ny fiainana ao amina toerana masina mahatamana.”19 Ny kilasintsika dia tsy maintsy toerana masina ialofana amin’ireo tafiotra, toerana azo antoka mahatamana anjakan’ny fitiavana. Ao anatin’ny ezaka hanorenana firaisankina lehibe kokoa, hampatanjahana finamanana, ary hampitomboana ilay fahatsapana hoe tiavina ao anatin’ny Zatovovavy, dia hanisy fanovana vitsivitsy ao amin’ny firafitry ny kilasy izahay.

Nandritra ny 100 taona mahery izay dia nozaraina ho kilasy telo ireo zatovovavy. Manomboka izao avy hatrany, dia manasa ireo mpitarika ny Zatovovavy sy eveka izahay handinika ombam-bavaka ny zavatra ilain’ny zatovovavy tsirairay avy ary hampivondrona azy ireo araka ny toe-javatra manokana misy ao amin’ny paroasy. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny mety ho endrik’ izany:

  • Raha vitsy ny zatovovavy ao aminareo dia afaka asiana kilasin’ny Zatovovavy tokana hiarahan’ny rehetra mihaona.

  • Mety hoe betsaka ohatra ny zatovovavy 12 taona ao aminareo ary vitsy ny zatovovavy lehibe taona kokoa. Mety hanapan-kevitra ianareo ny hisian’ny kilasy anankiroa: Zatovovavy 12 taona ary Zatovovavy 13 taona–18 taona.

  • Na raha toa ka paroasy lehibe no misy anareo izay ahitana zatovovavy 60 mpanatrika, dia afaka manana kilasy miisa enina ianareo, iray ho an’ny taona tsirairay avy, arafitra araka ny taona.

Na manao ahoana na manao ahoana kilasy narafitra, ianareo zatovovavy dia tena iankinan’ny fanorenana firaisankina. Aoka ianareo ho hazavana ho an’ireo manodidina anareo. Aoka ianareo no loharanon’ny fitiavana sy fiahiana izay antenainareo avy amin’ny hafa. Miaraka amin’ny vavaka ao am-po, tohizo hatrany ny manolo-tanana ary ny maha-hery ho an’ny tsara anareo. Rehefa manao izany ianareo dia ho feno hatsaram-panahy ny fiainanareo. Hanana fahatsapana tsaratsara kokoa ho an’ny hafa ianareo ary hanomboka hahita ny hatsaran’izy ireo ho valin’izany.

Anaran’ny kilasin’ny Zatovovavy

Fahatelo, miaraka amin’izao firafitry ny kilasy vaovao izao, dia ho antsoina amin’ny anarana mampiray hoe “Zatovovavy” ireo kilasy rehetra.20 Tsy hampiasa intsony ireo fiantsoana hoe “Toho-tantely”, “Farimbona”, ary “Ravintsara” isika.

Mampatanjaka ireo fiadidian’ny kilasy

Ny sehatra farany tiako resahina dia ny lanjan’ireo fiadidiana ao amin’ireo kilasy. Na manao ahoana na manao ahoana firafitra natao tamin’ny kilasy iray, dia tokony ahitana fiadidiana ny kilasy tsirairay avy!21 Lamina masina ny hiantsoana ny zatovovavy mba hitarika ao amin’ny fahatanorany.

Nampatanjahana kokoa sy nofaritina mazava kokoa ny anjara asa sy tanjon’ireo fiadidian’ny kilasy. Anisan’ireny andraikitra goavana ireny ny asa famonjena, indrindra indrindra ao amin’ny fanompoana, asa fitoriana, fampavitrihana, ary asan’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.22 Eny, toy izany no fomba hanangonantsika an’i Isiraely23—asa izay be voninahitra ho an’ireo zatovovavy rehetra amin’ny maha-mpikamban’ny tafiky ny zatovon’ny Tompo azy ireo izany.

Araka ny efa fantatreo, isaky ny antanan-tohatra ato am-piangonana dia miantso fiadidiana ny Tompo hitarika ny olony. Ry zatovovavy, ny maha-mpikamban’ny fiadidiana ao amina kilasy anareo no mety ho fahafahana voalohany ho anareo mba handray anjara amin’ity lamina amin’ny fitarihana ity. Ry olon-dehibe mpitarika, ataovy laharam-pahamehana ny fiantsoana fiadidiana ao amin’ireo kilasy ary mitariha miaraka amin’izy ireo, tariho sy ampio izy ireo mba hahafahany mahomby.24 Na manao ahoana na manao ahoana traikefa eo amin’ny fitarihana ananan’ny fiadidiana ao amin’ny kilasy dia atombohy amin’izay efa misy eo ary ampio izy ireo hampitombo ny fahaiza-manao sy fatokiantena izay hitahy azy ireo amin’ny maha-mpitarika azy ireo. Mijanòna eo akaikin’izy ireo, nefa aza raisina an-tanana ny raharaha. Hitarika anareo ny Fanahy eo am-pitarihanareo azy ireo.

Sary
Chloe

Mba hanehoana ny anjara asa tena manan-danjan’ireo ray aman-dreny sy mpitarika sy mpanabe dia hizara tantara iray aminareo aho. Nantsoina ho filohan’ny kilasy i Chloe. Namporisika azy mba hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fandrosoana anarana ho an’ny fiadidiany ny mpitarika ao amin’ny fisoronana hendry iray. Nivavaka sy nandray fanentanam-panahy tena haingana ny amin’izay olona tokony ho aroso ho mpanolotsaina izy. Raha nanohy nisaintsaina sy nivavaka momba ny ho mpitantsoratra izy dia nampifantoka azy tsy tapaka tamina zatovavavy iray izay nanaitra azy ny Fanahy, zatovovavy izay tsy dia manatrika fiangonana na fiaraha-mientana.

Somary tsy azony antoka ilay fanentanana ka niresaka tamin-dreniny izy, izay nanazava fa ny iray amin’ireo fomba ahafahana mandray fanambarana dia amin’ny alalan’ny eritreritra miverimberina. Nanavao ny fatokisan-tenany izany, ka dia nahatsapa i Chloe fa afaka handroso an’io zatovovavy io. Nanolotra ilay antso ny eveka ary nanaiky izany ilay zatovovavy. Taorian’ny nanokanana azy dia hoy io zatovovavy mahatehotia io hoe: “Hitanao, tsy mbola nahatsiaro loatra aho hoe nanana anjara na nilaina tamina zavatra iray. Tsy nahatsapa aho hoe manan-toerana. Saingy rehefa nahazo ity antso ity aho dia nahatsapa fa nanana tanjona sy toerana ho ahy ny Ray any An-danitra.” Rehefa nandao ilay fivoriana i Chloe sy ny reniny dia nitodika tany amin’ny reniny i Chloe ary nilaza tamin-dranomaso hoe: “Tena misy ny fanambarana! Tena mahomby ny fanambarana!”

Ry fiadidiana kilasy isany, nantsoin’ Andriamanitra ianareo ary atokisany hitarika vondrona zanakavaviny. “Mahafantatra anareo ny Tompo. … Nisafidy anareo Izy.”25 Ianareo dia natokan’ ny olona izay manana fahefam-pisoronana; midika izany fa rehefa manatanteraka ny adidy ao amin’ny antsonareo ianareo dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana. Manana asa lehibe ho tontosana ianareo. Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina ary mandraisa andraikitra. Rehefa manao izany ianareo dia afaka hanompo amin’n fatokisan-tena, satria tsy manompo irery ianareo!

Ry filohan’ny kilasy isany, mila ny fahendrenareo sy ny feonareo ary ny fahazotoanareo ao amin’ilay filankevitry ny zatovo vaovao izay vao nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook androany. Ianareo dia ampahany tena ilaina amin’ireo vahaolana mba hitondrana ny zavatra ilain’ireo anadahy sy rahavavinareo.26

Ireo fiovana eo amin’ny rafitry ny kilasy sy fitarihana ireo dia hatomboka vantany vao vonona ireo paroasy sy sampana ary tokony efa tafapetraka tsara alohan’ny 1 janoary 2020.

Ry rahavavy, mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fanovana noresahako androany ireo dia fitarihana nentanin’ny Tompo. Rehefa mampihatra ireo fanovana ireo amim-pahazotoana isika dia enga anie tsy hanadino ny tanjontsika: dia ny hampatanjaka ny fanolorantenantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hanampy ny hafa hanatona Azy izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonana. Tena feno fankasitrahana aho amin’ny famelany antsika ho ampahany manan-danja amin’ny asany masina.

Mivavaka aho ny mba hitarihan’ilay Fanahy izay nitarika ireto fanovana ireto anareo eo am-pandrosoanareo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.