Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Eksodosy 33


DJS, Eksodosy 33:20, 23. Ampitahao amin’ny Eksodosy 33:20, 23

Tsy misy olona mpanota afaka mijery ny tavan’ Andriamanitra ka ho velona.

20 Ary hoy Izy tamin’i Mosesy: Tsy afaka mijery ny tavako ianao amin’izao fotoana izao, fandrao hirehitra aminao koa ny fahatezerako ka hamongotra anao sy ny olonao Aho; fa tsy hisy olona eo anivony hahita Ahy amin’izao fotoana izao ka ho velona, satria mpanota izaitsizy tokoa izy ireo. Ary tsy nisy na oviana na oviana olona mpanota nahita, sady tsy hisy na oviana na oviana olona mpanota hahita ny tavako ka ho velona.

23 Dia hanaisotra ny tanako Aho ka hahita ny vohoko ianao, fa ny tavako tsy ho hita toy ny tamin’ireo fotoana hafa; fa tezitra amin’i Isiraely oloko Aho.