Ny soratra masina
Fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith


Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith

Izao no tenin’ny mpaminany Joseph Smith momba ny niavian’ny Bokin’i Môrmôna:

“Ny harivan’ny iraika amby roapolo septambra [1823] … dia nanomboka nivavaka sy nitalaho tamin’ Andriamanitra Tsitoha aho. …

“Raha mbola teo am-piantsoana an’ Andriamanitra toy izany aho dia nahita hazavana nipoitra tao an’efitranoko, izay tsy nitsaha-nitombo mandra-pahatongan’ny efitranoko hazava bebe kokoa noho ny amin’ny mitataovovonana, ary niaraka tamin’izay dia nisy olona niseho teo anilan’ny fandriako ary nitsingevaheva izy ka tsy nandia tany ny tongony.

“Nanao akanjo lava, malalaka sy fotsy mangatsakatsaka fatratra izy. Ny hafotsiany dia mihoatra ny zavatra rehetra izay efa hitako hatrizao teto an-tany; sady tsy mino koa aho fa azo atao izay hahatonga ny zavatry ny tany ho lasa fotsy sy hamiratra fatratra toy izany. Nihanjaka ny tanany ary ny sandriny koa, hatreo ambony kelin’ny hatotanany; nihanjaka ihany koa ny tongony, ary koa ny ranjony, hatreo ambony kelin’ny kitrokeliny. Tsy misarona ihany koa ny lohany sy ny tendany. Tsikaritro fa tsy nisy afa-tsy io akanjo lava io teny aminy, ary satria vaky anoloana izany dia hitako ny tratrany.

“Tsy ny akanjony ihany no fotsy izaitsizy fa ny tenany iray manontolo dia namirapiratra tsy hay tantaraina, ary toy ny tselatra marina tokoa ny tarehiny. Nazava fatratra tokoa ilay efitrano nefa tsy mbola tena namirapiratra noho izay manodidina avy hatrany ny tenany. Raiki-tahotra aho raha vao nahita azy; nefa vetivety dia nisinda ny tahotra.

“Niantso ahy tamin’ny anarako izy ary nilaza fa iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra hankaty amiko ary i Môrônia no anarany; fa manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra, fa ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena, ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra ny anarako, fa sady hankalazaina izany no hoharatsiana eo anivon’ny olon-drehetra.

“Nilaza izy fa misy boky iray milevina, voasoratra amin’ny takela-bolamena, izay mitahiry ny tantaran’ny mponina fahiny teo amin’ity kaontinanta ity sy ny loharano nipoirany. Nilaza koa izy fa mirakitra ny fahafenoan’ny Filazantsara maharitra mandrakizay izany, araka ny nanoloran’ny Mpamonjy izany ho an’ireo mponina fahiny ireo;

“Ary misy koa vato roa, ao anaty tandro-bolafotsy—ary ireo vato ireo, mipetaka eo amin’ny saron-tratra iray, no manome ny antsoina hoe: Orima sy Tomima—miara-milevina amin’ireo takelaka; ary ny fananana sy ny fampiasana ireo vato ireo no maha-izy azy ny ‘mpahita’ tamin’ny andro fahagola na fahiny; ary ny tanjon’Andriamanitra tamin’ny nanomanany azy ireo dia ny fandikana ny boky. …

“Nolazainy ahy indray fa rehefa azoko ireo takelaka izay efa noresahiny—fa tsy mbola tonga ny fotoana tokony hahazoako azy ireo—dia tsy tokony hasehoko na iza na iza ireo; torak’izany koa ny saron-tratra mbamin’ny Orima sy Tomima, afa-tsy ireo izay handidiany ahy hampisehoana izany ihany; fa raha manao izany aho dia hofongorana. Raha mbola teo am-piresahana tamiko ny momba ireo takelaka izy, dia nosokafana tao an-tsaiko ny fahitana mba hahafahako nijery ny toerana izay nametrahana ireo takelaka, ary izany dia tena nazava sy voafaritra tsara, hany ka fantatro indray ilay toerana nony efa notsidihiko.

“Taorian’izany filazana izany aho dia nahita ny hazavana tao an’efitrano nanomboka niangona nanodidina avy hatrany ny tenan’ilay olona avy niresaka tamiko, ary tsy nitsahatra izany mandra-pahatongan’ny efitrano ho tavela tanatin’ny haizina indray, afa-tsy ny manodidina azy ihany; ary tampoka teo dia hitako ho toy ny misy lalantsara misokatra miakatra mivantana any an-danitra, ary nandeha niakatra izy mandra-pidifiny tanteraka, ka dia niverina toy ny teo aloha indray talohan’ny nisehoan’io hazavana avy tany an-danitra io ny efitrano.

“Nandrinandry teo aho nieritreritra lalina iny fisehoan-javatra tsy manam-paharoa iny, sady nitolagaga fatratra tamin’ny zavatra nolazain’ity iraka hafakely ity tamiko; fa mbola teo am-pisaintsainana teo aho no nahita tampoka fa nanomboka ho nihanazava indray ny efitranoko ary poa toa izay raha lazaina, dia efa teo anilan’ny fandriako indray ilay iraky ny lanitra teo ihany.

“Nanomboka indray izy, ka ny zavatra teo ihany izay efa nolazainy tamin’ny fitsidihany voalohany tsy misy fiovana na dia kely aza no nolazainy; rehefa izany dia nampahafantariny ahy ny amin’ny famaizana lehibe izay efa ho tonga eto an-tany miaraka amin’ny fandripahana lehibe amin’ny mosary, ny sabatra ary ny areti-mandringana; fa hihatra amin’ny tany, amin’ity taranaka ity ireo famaizana mampangirifiry ireo. Rehefa avy nilaza ireo zavatra ireo izy dia niakatra toy ny efa nataony teo aloha indray.

“Tamin’izay fotoana izay dia tafalatsaka lalina tao an-tsaiko ireo teny ireo ka nandao ahy ny torimaso ary dia nandrinandry teo aho, ankon’ny hagagana noho ny zavatra hitako sy reko. Akory anefa ny hagagako raha nahita io iraka io ihany indray teo anilan’ny fandriako ary nandre azy nanantitrantitra na namerimberina indray tamiko ny zavatra tetsy aloha ihany; ary nampiany fampitandremana ho ahy izany ka nilazany tamiko fa hanandrana ny haka fanahy ahy i Satana (noho ny ankohonan-draiko miaina ao anatin’ny fahantrana) mba hakako ireo takelaka ireo hampanan-karena ahy. Izany no nandrarany ahy ka nilazany ny tsy hananako zavatra hafa hobanjinina, rehefa mahazo ireo takelaka ireo aho, afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny tsy ho voataonan’ny hevitra hafa afa-tsy ny fanorenana ny fanjakany; raha tsy izany dia mety tsy ho azoko ireo.

“Taorian’io fitsidihana fahatelo io, dia niakatra indray tany an-danitra toy ny teo aloha izy ary namela ahy hisaintsaina indray ny maha-hafa kely ity zavatra vao nodiaviko ity; fa raha vantany vao tafakatra tany an-danitra ilay iraky ny lanitra rehefa nandao ahy fanintelony dia naneno ny akoholahy ary hitako fa efa mby akaiky ny maraina, izany hoe tsy maintsy ho nandany iny alina manontolo iny ny fihaonanay.

“Fotoana fohy taorian’izay dia niarina avy teo am-pandriana aho, ary toy ny mahazatra dia namonjy ireo asa fanao isan’andro; nefa raha nanandrana ny hiasa toy ny isan’andro aho, dia nahita fa kely ny heriko hany ka tsy nahefa na inona na inona. Tsikaritry ny raiko izay niara-niasa tamiko fa tsy dia tsaratsara aho ka nasainy nody. Dia niainga aho, ary ny fikasako dia ny hody any an-trano; kanefa raha iny handeha hihoatra ny fefin’ilay tanimboly izay nisy anay iny aho dia nandao ahy tanteraka ny heriko, ka tsy afa-nanoatra aho fa niakarapoka tamin’ny tany ary tsy nahatsiaro tena mihitsy nandritra ny fotoana fohy.

“Ny zavatra tsaroako voalohany dia ny feo niresaka tamiko, niantso ahy tamin’ny anarako. Niandrandra aho ka tazako indray ilay iraka teo ihany nijoro teo ambonin’ny lohako voahodidina hazavana toy ny teo aloha. Tamin’izay dia naveriny tamiko indray izay rehetra efa nambarany ahy halina ary nodidiny aho hankany amin-draiko mba hilaza aminy ny amin’ny fahitana sy ireo didy efa azoko.

“Nankatò aho, dia niverina tany amin-draiko tany an-tsaha ary namerina taminy ny zava-drehetra. Namaly ahy izy fa avy amin’ Andriamanitra izany ary niteny ahy mba handehanako sy hanaovako araka ny nandidian’ilay iraka. Nandao ny saha aho ka nankany amin’ny toerana izay efa nolazain’ilay iraka tamiko fa nametrahana ireo takelaka; ary satria nazava tsara ilay fahitana efa azoko momba izany, dia fantatro ilay toerana raha vantany vao tonga tany aho.

“Ao akaikin’ny tanànan’i Manchester, fivondronan’i Ontario, New York, no misy ny havoana be midadasika sy avo indrindra eo amin’ny manodidina. Tao amin’ny ilany andrefan’io havoana io, tsy dia lavitry ny tampony, ary tao ambanin’ny vato iray ngezabe no nametrahana ireo takelaka, tao anaty vata vato. Matevina io vato io ary mivohon-tsotro ny afovoany amin’ny tampony ary manifinify kokoa ny sisiny rehetra manodidina, ka ny ampahany afovoany dia tazana mihoatra ny tany, fa tototry ny tany kosa ny sisiny rehetra manodidina.

“Rehefa avy nanala ny tany aho dia naka fanoitra iray izay natsofoko teo amin’ny sisiny ambanin’ilay vato ka notsindriako kely hanaingako azy. Nojereko ny tao anatiny ary dia hitako tao tokoa ny takelaka, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra, araka ny voalazan’ilay iraka. Ny vata izay nitoerany dia narafitra tamin’ny vato natambatambatra tamin’ny karazana simenitra. Nisy vato roa nitsivalana tao amin’ny fanambanin’ilay vata, ka nipetraka teo ambonin’ireo vato ireo ny takelaka sy ireo zavatra hafa niaraka taminy.

“Nanandrana ny namoaka azy aho, kanefa noraran’ilay iraka izay nilaza tamiko indray fa tsy mbola tonga ny fotoana hamoahana azy sady tsy mbola ho avy izany raha tsy afaka efa-taona manomboka amin’io fotoana io; fa nolazainy ahy kosa ny tokony handehanako eo amin’izany toerana izany rehefa afaka herintaona katroka, manomboka amin’io fotoana io, fa hihaona amiko eo izy, ary ny mbola hanohizako izany hatrany mandra-pahatongan’ny fotoana hahazoako ireo takelaka.

“Noho izany dia nankeo aho isaky ny faran’ny taona, araka ny efa nandidiany ahy, ary nahita ilay iraka teo hatrany, ary isaky ny nihaona izahay dia nandray torolalana sy fahalalana avy taminy aho momba izay andeha hataon’ny Tompo sy ny fomba hoenti-mitondra ny fanjakany amin’ny andro farany. …

“Rehefa ela ny ela dia tonga ny fotoana ahazoako ny takelaka, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra. Rehefa tonga teo amin’ny toerana nametrahana izany aho ny andron’ny faharoa amby roapolo septambra fito amby roapolo sy valonjato amby arivo, toy ny efa fanao isaky ny mifarana ny taona iray, dia natolotr’ilay iraky ny lanitra ahy izany niaraka tamin’izao fepetra izao: zary tompon’antoka aminy aho, fa raha avelako ho very izany noho ny tsirambina na vokatry ny tsy fitandremako, dia hofongorana aho; fa raha manao izay tratry ny heriko rehetra kosa aho hitehirizana izany ambara-piaviny, izy ilay iraka, haka izany, dia tokony ho voaro izany.

“Tsy ela dia fantatro ny antony nanomezana ahy fepetra hentitra toy izany mba ho azo antoka ny fitehirizana izany ary ny antony nilazan’ilay iraka fa rehefa tontosako ny zavatra angatahina amiko, dia ho avy izy hitaky izany. Satria raha vantany vao fantatra fa azoko izany, dia nampiasaina ny fanerena mahery vaika indrindra mba hanesorana izany amiko. Nampiasaina izay tetika rehetra azo foronina hanatanterahana izany. Nihanangidy sy nihamafy kokoa noho ny teo aloha ny fanenjehana ary nanao andry maso tsy tapaka ny ankamaroany mba hakany izany aty amiko, raha azony atao. Nefa noho ny fahendren’ Andriamanitra dia tafajanona soa aman-tsara teo am-pelatanako izany mandra-pahavitako taminy izay nangatahina tamiko. Nony tonga haka izany ilay iraka, araka ny nifanarahana, dia natolotro azy izany; ka izy no efa miahy izany hatramin’ny andro androany faharoan’ny volana mey, valo amby telopolo sy valonjato sy arivo.”

Mba hahitana ny rakitsoratra feno kokoa dia jereo ny Joseph Smith—Tantara ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

Io rakitsoratra tranainy izay nofongarina toy izany avy tao anaty tany io, toy ny feon’ny vahoaka iray miteny avy ao amin’ny vovoka, ka nadika tamin’ny fiteny ankehitriny noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny, araka ny fanamarinan’ny fanambaran’ Andriamanitra, dia navoaka voalohany teto an-tany tamin’ny teny Anglisy, ny taona 1830 ho toy ny The Book of Mormon.