“Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)
“Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana
Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: ataovy izay hampisy fianarana amim-pahavitrihana
Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo.
Fahaiza-manao
Manaova drafitra mba hiresahana indray ireo fanasana nomena tamin’ny fotoam-pianarana teo aloha ary asao ireo mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa niaina ny zavatra nianarany.
Mamaritra
Rehefa manomana fanasana ho an’ireo mpianatra ianao mba hampihatra ny zavatra ianaran’izy ireo, dia azonao atao ihany koa ny miomana hamerina hiresaka izany indray. Ireny fotoana hamerenana miresaka fanasana ireny dia azo atao amin’ny fiantombohan’ireo fotoam-pianarana manaraka, na amin’ny alalan’ireo fifandraisana ivelan’ny fotoam-pianarana, na mandritra ireo fampaherezam-panahy, na ifanaovan’ny samy mpianatra. Mba hanomanana ireo fotoana hamerenana miresaka fanasana, dia afaka manontany tena ianao hoe:
-
Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ny fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo?
-
Rahoviana no fotoana tsara hamerenana miresaka izany?
Ny fametrahana ireo fanontaniana ireo dia manasa ny Fanahy Masina hitarika anao rehefa miomana ny hamerina hiresaka ny fanasana ianao. Ny fanaovana drafitra hamerenana miresaka fanasana amin’ny mpianatra dia hanampy azy ireo hahatsapa ho tompon’andraikitra sy haniry ny hanatanteraka ny fanoloran-tenany, izay afaka mitarika ho amin’ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy.
Lamina hakan-tahaka
-
Eo am-panomanan-dRahalahy Dalton amim-bavaka ny traikefa amin’ny fianarana manaraka ho an’ny mpianany, dia manontany tena izy hoe: “Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ny fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo? Rahoviana no fotoana tsara amin’ny fotoam-pianarana manaraka mba hamerenana miresaka izany? Tonga tao aminy ny eritreritra mba hanome fotoana ny mpianatra any am-piandohan’ny fotoam-pianarana manaraka mba hanoratra ao amin’ny diarin’izy ireo momba ny ezaka nataony mba hiaina ny fahamarinana iray izay nianaran’izy ireo tamin’ny lesona farany.
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Manaova fanazaran-tena mametraka ity fanontaniana manaraka ity rehefa manomana ireo lesona manaraka ianao:
-
Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ireo fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo?
-
Rahoviana no fotoana tsara hamerenana miresaka izany?
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Hampahalalina ny fiovampon’ny tanora ampianarinao amin’ny fomba ahoana ny famerenana tsy tapaka ireo fanasana?
-
Inona avy ireo fomba efa nitaoman’ny Fanahy Masina anao mba hanampy ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ny zavatra nianarany izy ireo?
-
Ahoana no ahafahanao manao ny fizaran’ny mpianatra ny ezaka ataony mba hiaina ny filazantsara ho toy ny zavatra efa mahazatra mandritra ny taranja ao anatin’ny fe-potoam-pianarana iray.
Mampiditra fahalalana
Rehefa manomana lesona ianao dia mametraha fotoana hametrahana ireto fanontaniana ireto:
-
“Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ireo fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo?
-
Rahoviana no fotoana tsara hamerenana miresaka izany?
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
M. Russell Ballard, “Manohy ny fandraisana andraikitra,” Liahona, mey 2014, 78–81.
Fahaiza-manao
Mametraha fanontaniana mampikaroka izay manampy ireo mpianatra hieritreritra hoe iza Andriamanitra sy hieritreritra ireo fitahiana omeny azy ireo.
Mamaritra
Ny mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra amin’ny fanirian’izy ireo hiaina ny zavatra ianarany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hieritreritra hoe iza Andriamanitra ary inona ireo fitahiana omeny azy ireo. Ireo fanontaniana mampikaroka ireo dia tokony hahitana andinin-tsoratra masina iray sy fanasana ho an’ilay mpianatra mba hamantarana toetra iray na fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra. Tokony hanontaniana izy ireo alohan’ny hamakian’izy ireo ilay andinin-tsoratra masina. Arakaraka ny hahafantaran’ny mpianatra kokoa an’ Andriamanitra sy ny zavatra azony atolotra, no hahavonona azy ireo hanao asa misimisy kokoa.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
-
Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana19:16–19 izay mitaona anao hanara-dia an’i Jesoa Kristy?
-
Rehefa mandalina ny Jaona 14:6 ianao, dia inona no ianaranao momba ny hoe iza i Jesoa Kristy, izay manampy anao hatoky ny zavatra ampanantenainy?
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Ho an’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, dia manorata fanontaniana mampikaroka izay hanampy ny mpianatra hieritreritra hoe iza Andriamanitra ary inona ireo fitahiana omeny azy ireo:
-
Salamo 23:1–2
-
Andinin-tsoratra masina iray avy amin’ny lesonao manaraka
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Inona no ianaranao rehefa mampihatra ireo fanontaniana mampikaroka ireo ianao?
-
Aiza ao amin’ny soratra masina no ahitanao olona manao asa amim-pinoana noho ny zavatra fantany momba an’ Andriamanitra sy ny fampanantenany?
Mampiditra fahalalana
-
Mandritra ireo herinandro vitsivitsy manaraka, dia mitadiava fotoana ahafahana hampiasana io karazana fanontaniana mampikaroka io farafahakeliny indray mandeha isaky ny lesona ampianarinao.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
1 Nefia 3:7 Noho ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy, dia natoky tena mba handeha sy hanao ilay asa i Nefia.)
-
Joseph Smith Tantara 1:13 (Nahafantatra i Joseph Smith fa tokony ho sahy izy hanontany an’ Andriamanitra rehefa nandinika ny zavatra azon’ Andriamanitra atao ho azy.)