Seminera
Romana 4–5


Romana 4–5

Finoana, asa, ary fahasoavana

Sary
Photograph of actor portraying Jesus Christ in the Bible Videos.

Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana dia nikatsaka ny hanampy ny Olomasina Romana hahatakatra ny fahasoavan’i Kristy i Paoly tamin’ny alalan’ny fampianarana mikasika ny fifandraisan’izany amin’ny finoana sy ny asa. Afaka manampy antsika hampitombo ny fahatakarantsika mikasika ny filantsika famelan-keloka sy famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ny fampianaran’i Paoly. Ity lesona ity dia hanampy anao hampitombo ny fahatakaranao sy ny fankasitrahanao ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Rehefa mamantatra fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina ny mpianatra dia tariho amin’ny fifanakalozan-kevitra izay hanampy azy ireo hamakafaka sy hahatakatra bebe kokoa ny hevitr’ireo fahamarinana ireo izy ireo. Rehefa mahatakatra fotopampianarana na fitsipika ara-pilazantsara anankiray ireo mpianatra dia mahatakatra ny fifandraisan’izany amin’ireo fahamarinana ara-potopampianarana sy fitsipika hafa ao amin’ny drafitry ny Tompo ary mahatakatra ny toe-javatra mety ahafahana mampihatra izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny fizarana “Fahasoavana” na ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ary avy eo hamantatra fomba iray nandraisany ny fahasoavan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no hamonjy anao?

Alaivo sary an-tsaina hoe matin’ny hetaheta ianao any an-tany foana ka misy tavoahangy misy rano eny an-tampon’ny tendrombohitra iray tsy lavitra anao. Ahoana ny maha-zava-dehibe ny tsirairay amin’ireto manaraka ireto amin’ny fahavelomanao?

Asehoy ity andian-teny sy sary manaraka ity ary asao ny mpianatra handika azy roa ao amin’ny diary fandalinany.

  1. Ny finoanao fa afaka manavotra anao ilay rano

  2. Ny ezaka ataonao mba hahatongavana any amin’ilay rano

  3. Ilay rano

Sary
Line drawing of a stick figure man crawling in the desert to get some water. Sun and cactus are in scene

Afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana mikasika izay hamonjy azy ireo ny mpianatra, sy ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy, na tsiroaroa, na ao anaty vondrona kely.

  • Nahoana no ilay rano ihany no hany hanakana anao tsy ho matin’ny hetaheta?

  • Nahoana no tsy ampy ny finoana sy ny ezaka hahazoana ilay rano?

  • Amin’ny fomba ahoana no miara-miasa ny finoanao sy ny ezaka ataonao ary ilay rano?

Ity rafi-tantara ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fampianaran’i Paoly momba ny fifandraisan’ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana amin’ny fanamarinana.

  • Ahoana no hamaritanao ny teny hoe finoana, asa ary fahasoavana?

Mety hanampy ny mamerina ny famaritana ireo teny ireo ao amin’ny lesona momba ny Romana 2–3 na ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Raha namaky ny famaritana ny fahasoavana ny mpianatra tao anatin’ny fiomanany amin’ity lesona ity dia azo asaina hizara ny zavatra nianarany izy ireo.

Nino ny Kristiana Jiosy sasany tamin’ny andron’i Paoly fa voavonjy noho ny asa nataony ho fankatoavana ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Niezaka nanitsy izany tsy fahatakarana izany i Paoly. Vakio ny Romana 4:16 .

  • Inona no ampianarin’io andininy io mikasika ny fomba hanamarinana antsika, na hamelana ny fahotantsika?

Mampianatra i Paoly ao amin’io andininy io fa hamarinina amin’ny finoana sy amin’ny asa isika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Soraty ny teny hoe finoana, asa, ary fahasoavana eo akaikin’ny andian-teny avy amin’ny sarinao izay mifanandrify amin’ny teny tsirairay.

  • Inona no azonao ianarana avy amin’io fanoharana momba ny finoana sy ny asa io?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ilay fanoharana momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra fa mitovy amin’ny finoana ny finoana an’ilay rano, ny ezaka atao mba hahatongavana amin’ilay rano dia toy ny asantsika, na ny zavatra ataontsika, ary ilay rano no maneho ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ampio izy ireo hahatakatra fa na dia ilaina aza ny finoana sy ny asa mba handraisana ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, dia ny fahasoavany no mitondra famelan-keloka fa tsy ny finoantsika na ny asantsika.

Mahatakatra bebe kokoa momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy

Mahatonga antsika ho afaka hohamarinina ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, na ho voavela amin’ny fahotantsika, ary mitahy antsika amin’ny fomba hafa ihany koa izany. Tsy vitan’ny hoe manome ny rano manavotra aina fotsiny i Jesoa Kristy, fa manamafy ny finoantsika sy ny ezaka ataontsika koa Izy mba hahafahantsika mahazo ilay rano. Afaka mahazo ny fahasoavany isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny hanehoantsika finoana an’i Jesoa Kristy sy hanatanterahantsika asa tsara.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mandritra ny androm-piainantsika, dia manolotra fitahiana ara-nofo sy fanomezana ara-panahy ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay manitatra ny fahafahantsika manao zavatra sy manatsara ny fiainantsika. Manadio antsika ny fahasoavany. Manampy antsika ho tonga ilay tsara indrindra vitantsika ny fahasoavany.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 108)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy manampy anao ho tonga ilay tena tsara indrindra ao aminao?

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo fitahiana hafa mifandray amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Romana 5:1–2, 21

Etera 12:27

Môrônia 10:32–33

  • Inona no fitahiana fanampiny azo avy amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavany?

  • Oviana ianao no niaina ny fahasoavan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fiantraikan’izany amin’ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy?

Raha miomana amin’ny lesona amin’ny alalan’ny fieritreretana ireo fomba nandraisany ny fahasoavan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainany ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra niainany izy ireo. Mizarà zavatra niainana na ohatra an’ny tena manokana ihany koa.

Raha toa ka tsy nanomana zavatra niainana hozaraina ny mpianatra na raha toa ka misy ohatra iray hafa mety hanampy dia asehoy ny horonan-tsary “Faith Journey: When Parents Get Divorced (Lalam-pinoana: Rehefa misaraka ny ray aman-dreny)” (jereo ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”).

Manasa ny fahasoavan’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainanao

Ny Filoha Uchtdorf dia nanome izao hevi-baovao izao mikasika ny fomba ahafahanao mandray bebe kokoa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Fanomezan’ Andriamanitra ny famindrampo, ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho an’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any an-danitra io isika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, may 2015, 110)

Asao ireo mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao rehefa mieritreritra ny fiantraikan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao ianao?

  • Inona no azonao atao mba hanasana feno kokoa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny filantsika ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny mety hahatonga izany ho tanjaka sy fanomezam-pahasoavana eo amin’ny fiainantsika mialoha sy mandritra ary aorian’ny ezaka ataontsika mba ho mahatoky sy mankatò.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahantsika manaiky fa mila fahasoavana isika?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto momba ny filantsika ny fahasoavana:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Moa ve takatsika ny trosantsika amin’ny Ray any An-danitra ka mitalaho amin’ny fanahintsika iray manontolo ny fahasoavan’ Andriamanitra?

Rehefa mandohalika mivavaka isika, moa ve izany mba hamerenana ireo zava-tsoa vitantsika noho ny fahamarinantsika manokana, sa moa ve izany ataontsika hibabohana ireo fahadisoantsika, ka hitalahoana ny famindrampon’ Andriamanitra, ary handrotsahana ranomasom-pankasitrahana noho ilay drafitra mahagagan’ny fanavotana?

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,”Liahona, mey 2015, 109)

Inona no ohatra iray mampiseho ny fahasoavana miasa eo amin’ny fiainan’ny olona iray?

Ilay horonan-tsary “Faith Journey: When Parents Get Divorce” (Lalam-pinoana: Rehefa misaraka ny ray aman-dreny) (3:05), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia maneho ny zavatra niainan’ny vehivavy iray izay nahita fa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy no nanampy azy hiatrika ny fisarahan’ny ray aman-dreniny.

Romana 4:16 . Nahoana i Abrahama no nampiasaina ho ohatra amin’ny hoe hamarinina?

Mba hanitsiana ilay hevitra fa ireo izay voafora sy nitandrina ny lalàn’i Mosesy ihany no ho voavonjy, dia nampianarin’i Paoly fa nahazo fitahiana i Abrahama talohan’ny namorana azy ary taonjato maro talohan’ny nanomezana ny lalàn’i Mosesy. Nijanona ho mahatoky i Abrahama avy eo, rehefa avy nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra sy noforaina. Noho izany dia afaka naneho i Paoly fa tsy nohamarinina tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’i Mosesy ny olona tsirairay fa tamin’ny finoana sy ny asa tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Ahoana no ifandraisan’ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ny Fahalavoan’i Adama?

Ao amin’ny Romana 5:12–21 i Paoly dia nampianatra fa manampy antsika handresy ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy. Rehefa nandika lalàna i Adama dia niditra tamin’izao tontolo izao ny ota sy ny fahafatesana. Kanefa, noho ny “fanomezana avy amin’ny fahasoavana, izay avy amin’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy” ( Romana 5:15), dia afaka mandresy ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana ny olon-drehetra ary mahazo ny fiainana mandrakizay. Ny firesahan’i Paoly momba ny Fahalavoana dia manampy antsika hahatakatra ny hery lehiben’ny fahasoavan’ny Mpamonjy mandresy ny zava-drehetra.

Sahanasa fianarana fanampiny

“Ny fahoriana mahatonga faharetana”

Anontanio ireo mpianatra raha efa nankasitraka ny fitsapana niainany izy ireo. Mety azo hifanakalozan-kevitra ny fanontaniana toy ny hoe: “Tamin’ny fotoana inona no nahatonga anao nankasitraka?” na “Inona no holazainao amin’ny olona iray mandalo fitsapana ka mety hanampy azy ireo hiaritra izany tsara?” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8). Hazavao fa nandalo fitsapana sarotra maro i Paoly teo amin’ny fiainany ka nanoratra mikasika ireo fitahiana azo avy amin’ny zavatra niaretany. Asao ny mpianatra hamaky ny Romana 5:3–5 ary hitady ny zavatra nolazain’i Paoly fa mety ho vokatry ny fitsapana na fahoriana eo amin’ny fiainantsika. Asao ny mpianatra hizara ny fomba niainany ny iray tamin’izany fitahiana izany.

Mianatra momba ny fahasoavana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nahazo fitaomam-panahy hampianatra sy hanoratra momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavana azontsika amin’ny alalany. Afaka mamaky farafahakeliny telo amin’ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra ary mieritreritra momba ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo azy ireo mikasika ny fahasoavana.

Safidy iray hafa ny mizara ireo mpianatra ho anaty vondrona ary manome andinin-tsoratra masina iray na maromaro ho an’ny mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay. Asaivo mamaky ny soratra masiny izy ireo ary manoratra ny andinin-tsoratra masina sy ny teny na andian-teny tiany indrindra avy ao amin’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny taratasy kely. Avy eo dia asaivo ataony mihodina ilay taratasy ary averiny ilay dingana ho an’ny taratasin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona hafa. Rehefa vita ilay asa ampanaovina dia afaka mijery ny taratasiny tany am-boalohany ny mpianatra ary mijery ireo teny sy andian-teny nosafidian’ny mpikambana ao amin’ny vondrona ho an’ny andininy rehetra.

2 Nefia 2:8

2 Nefia 10:24–25

2 Nefia 25:23

Etera 12:27

Etera 12:41

Môrônia 10:32–33

Fanasana enti-mamarana

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ity lesona ity dia zarao karatra kely na taratasy kely izy ireo. Asao izy ireo hitondra izany miaraka aminy mandritra ny 24 ora eo am-pitadiavana ny fahasoavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany sy hanoratra izay porofo hitany. Asao izy ireo avy eo hivavaka sy haneho fankasitrahana ny toe-javatra tsirairay ary hangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ireo hahita tsara kokoa ny fahasoavany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Afaka mitatitra momba ny zavatra niainany amin’ny fotoam-pianarana manaraka ny mpianatra.