Seminera
Matio 2; Lioka 2


Matio 2; Lioka 2

Topimaso

Nandeha nankany Betlehema, izay toerana nahaterahan’i Jesoa, i Josefa sy i Maria. Nanambara ny nahaterahan’ny Mpamonjy tamin’ny mpiandry ondry teo akaikin’i Betlehema ny anjely (jereo ny Lioka 2:9–12). “Nahita an’i Maria sy Josefa ary ny zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona” ireo mpiandry ondry (Lioka 2:16) ka niverina “nankalaza sy nidera an’ Andriamanitra” (Lioka 2:20). Tonga hijery sy hiravoravo amin’ny Mpamonjy azy ireo i Simeona, i Ana ary ny Magy avy any atsinanana. Tamin’ny alàlan’ny fanambarana no nitarihana an’i Josefa hamonjy an’i Jesoa zazakely tamin’ny didin’i Heroda hamono ireo ankizy tao Betlehema.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ny mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Lioka 2:1–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Raha azo atao dia asao ny mpianatra hijery ny “Why We Need a Savior—A Christmas Message about Our Savior Jesus Christ” (2:15), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao izy ireo hieritreritra ny antony ilàn’ izy ireo Mpamonjy rehefa mijery izany.

  • Fitaovana: Andiam-pitaovana ahitana ireo olona sy zava-nisy tao tranon’omby izay maneho ny nahaterahan’i Jesoa Kristy na sary mikasika izany

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Asao ny mpianatra hizara ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalinin’izy ireo ao amin’ny fifandefasana hafatra ho toy ny soratra masina mifandray amin’ny Lioka 2:10–12.

Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:10–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Lioka 2:10–12 , hanazava ny fotopampianarana ary hanaovana fampiharana amin’ny alalan’ny fampiasana fitsipika mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanomboka hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Lioka 2:10–12 : “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio, ao an-tanànan’i Davida dia i Kristy Tompo.”

  • Votoatiny haseho: Sarin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” sy boky fihirana

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Eritrereto ny hampiasa ny breakout rooms hametrahana ireo mpianatra ao anaty vondrona rehefa mifanakalo hevitra momba ny iray na maromaro amin’ireo fitsipika momba ny mahazo fahalalana ara-panahy izy ireo.

Lioka 2:1–39; Matio 2:1–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanana faniriana hitady sy hifaly amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana momba an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana ireto: Manao ahoana ny fahatsapanao fa afaka mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianao? Ahoana no ahafahanao manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy?

Matio 2:11–23

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hamantatra ny fomba sasany ahafahan’ny Tompo mifandray amin’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Angataho ny mpianatra mba hijery tsara ny fiezahan’ny Tompo hifandray amin’izy ireo, ao anatin’izany ny fanambarana sy ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina. Amporisiho ny mpianatra handray an-tsoratra ireo fifandraisana ireo.

Lioka 2:40–52

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanamafy ny faniriany ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy amin’ny fikatsahana hivelatra ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy ary ara-piarahamonina.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo tanjona napetrany ao anatin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba hanampian’ireo tanjona ireo azy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Raha azo atao dia asao izy ireo hitondra tahadikan’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo any an-dakilasy.

  • Miomàna hampiseho: Ireo sarin’ny Mpamonjy fony Izy zatovo. Tranonkala manazava ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo ho an’ny mpianatra izay mety tsy manana

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra hevitra momba ireo tanjona ho an’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo, dia zarao ny efijerinao hanehoana ny votoatin’ny tranonkala voatanisa ao amin’ny lesona.