Seminera
Lioka 2:1–39; Matio 2:1–12


Lioka 2:1–39; Matio 2:1–12

Vavolombelon’ny Mpamonjy

Sary
Witnesses to the Savior’s birth

Ireo mpiandry ondry, ny Magy, sy i Simeona, ary i Ana dia vavolombelon’ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Rehefa mianatra ny zavatra niainan’izy ireo ianao, dia afaka mampitombo ny hetaheta hikatsaka sy hampitombo ary hifaly ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana ireto: Manao ahoana ny fahatsapanao fa afaka mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianao? Ahoana no ahafahanao manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy?

Sahanasa fianarana azo atao

Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Atombohy amin’ny fihirana ny hira hoe “Je sais qu’il vit, mon Rédempteur” (Cantiques, no. 73). Tena mety ho ilaina ihany koa ny mizara fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?

Raha sendra ka sahirana amin’ny fanazavana ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona ny mpianatra dia mandraisa fanazavana avy ao amin’ny Gospel Topics [Lohahevitra momba ny filazantsara] ao amin’ny fizarana “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra”.

  • Inona no azonao atao mba hampahomby sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

  • Fantatra anefa indraindray fa ny hafa dia afaka manampy anao hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona, fa maninona ny ray aman-dreninao, ny iray tampo aminao na ny namanao no tsy afaka manome anao fijoroana ho vavolombelona?

Miseho ho azy ny fijoroana ho vavolombelona rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina ny fahamarinana eo amin’ireo tena mikatsaka izany fatratra. Aza kivy raha toa ka ela ny fahazoanao fijoroana ho vavolombelona. Rehefa tsy mitsahatra mikatsaka fijoroana ho vavolombelona amin-kitsimpo ianao dia hamaly anao amin’ny fotoany sy ny fombany ny Tompo.

Raha manampy ny mpianatra izany, dia manaova fifanakalozan-kevitra fohifohy momba ny fomba fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona. Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia mety hanampy: Jaona 14:26 ; 16:13 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23 ; 8:2–3 .

Vakio ny Jaona 15:26 sy ity tenin’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity, ary tadiavo ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny hevitrao:

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo ho fanomanana amin’ity lesona ity. Omeo fotoana izy ireo hieritreretana momba ny valin-teniny. Hevero ny hifanakalo hevitra mikasika ny fanontaniana faharoa.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no izany no fahamarinana tena manan-danja indrindra hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona aminao?

  • Ahoana no ahafahanao manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy?

Hianatra mikasika ireo vavolombelon’ny fahaterahan’ny Mpamonjy isika ato amin’ity lesona ity. Rehefa mandalina ny tantaran’izy ireo ianao dia tadiavo ny fomba nahalalan’ireo vavolombelona ireo ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony tamin’ny fijoroana ho vavolombelona voarain’izy ireo. Ataovy ao an-tsainao ity fahamarinana ity rehefa mandalina ianao: Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana momba an’i Jesoa Kristy dia azo avy amin’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina.

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity, ary amporisiho ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

I Simeona sy i Ana

Valo andro taorian’ny nahaterahan’i Jesoa, dia noentin’i Maria sy i Josefa tany amin’ny tempoly i Jesoa zazakely araka ny lalàna Jiosy (jereo ny Eksodosy 13:2). I Simeona sy i Ana, izay tao amin’ny tempoly dia nanaiky an’i Jesoa ho Mpamonjiny.

Vakio ny Lioka 2:25–33, 36–38 , hitadiavana ny porofo maneho fa nanampy an’i Simeona sy i Ana ny Fanahy Masina handray tenivavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ny fehezan-teny hoe “niandry ny fampiononana ny Isiraely” ao amin’ny andininy faha-25 dia maneho ny fiandrasana ny fiavian’ilay Mesia izay ho avy.

  • Ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina an’i Simeona hahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy?

  • Inona no nataon’i Ana izay nanampy azy hahazo tenivavolombelona momba ny Tompo?

  • Inona no azonao ianarana avy tamin’i Simeona sy i Ana izay afaka manampy anao hikatsaka fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy, sy hampitombo izany ary hifaly amin’izany?

Zarao ho vondrona kely vistivitsy ny mpianatra ary asaivo manatanteraka ireto sahanasa manaraka ireto ireto.

Ankoatra an’i Simeona sy i Ana, dia toa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ihany koa ireo mpiandry ondry sy ireo Magy. Azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’izy ireo fa mety hisy fiatraikany amintsika ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Raha te hianatra bebe kokoa mikasika ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao dia halalino ny momba ny mpiandry ondry ao amin’ny Sahanasa A. Raha toa kosa ka te hanatsara ny fitsaohanao sy hieritreritra fanomezana ho an’ny Tompo ianao dia halalino ny momba ny Magy ao amin’ny Sahanasa B.

Sahanasa A: Ireo mpiandry ondry (Lioka 2:15–20)—Fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Ny alin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy tany Betlehema dia nisy mpiandry ondry niandry ny ondriny teny an-tsaha manodidina ny tanàna. Nisy anjely niseho tamin’izy ireo ka nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, izay nitondra “fifaliana lehibe” ho an’ny “olona rehetra” ( Lioka 2:10).

Vakio ny Lioka 2:15–20 , ka tadiavo ny fomba namalian’ireo mpiandry ondry ny hafatr’ilay anjely.

  • Araka ny hevitrao, nahoana ireo mpiandry ondry no nizara tamin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Mpamonjy?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’io tantara io momba ny amin’ny zavatra mitranga rehefa mandray ny fijoroana ho vavolombelona izay anao manokana momba an’i Jesoa Kristy ianao?

  • Oviana ianao no naniry hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Zarao ny zavatra niainanao iray rehefa nizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao.

Sahanasa B: Ireo Magy (Matio 2:1–12)— Manatsara ny fitsaohana

Nandeha nitady ny Mpamonjy ireo Magy nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahany mandrapahatonga Azy ho ankizy kely (jereo ny Matio 2:1–2).

Vakio ny Matio 2:9-11 , hijerena ny zavatra nataon’ireo Magy rehefa nahita ny Mpamonjy izy ireo.

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatry ny Magy?

  • Inona no fiantraikan’ny fijoroana vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fanirianao hitsaoka Azy?

  • Nanome fanomezana ny Magy mba hitsaohana an’i Jesoa zazakely. Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao mitsaoka ny Mpamonjy?

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Diniho ireo fahatsapana voarainao avy tamin’ny Fanahy Masina nandritra ity lesona ity. Eo am-pandalinanao ny fiainan’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia diniho tsara ny fomba hanambaran’ny Fanahy Masina aminao ny momba an’i Jesoa Kristy.

Maro ny fomba hizaran’ny mpianatra ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Tsy tokony hahatsiaro ho voatery ny mpianatra mba hizara fa tokony hahatsiaro ho voaentana. Ireto manaraka ireto ny fomba ahafahan’ny mpianatra mizara.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy na izay fantatrao momba Azy. Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fomba maro ianao. Ohatra, azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny sarin’ny Mpamonjy eny amin’ny tambajotra ifaneraserana, na soraty ao anatin’ny tahadikana Bokin’i Môrmôna ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary omeo ny ny namana iray na olona ao amin’ny fianakaviana izany.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?

Ny fijoroana ho vavolombelona dia tenivavolombelona ara-panahy nomen’ny Fanahy Masina. Ny fototra iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona dia ny fahalalana fa velona sy tia ny zanany ny Ray any An-danitra, fa velona i Jesoa Kristy, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra, ary nanatanteraka ny Sorompanavotana tsy misy fetra Izy, fa mpaminan’ Andriamanitra i Joseph Smith izay nantsoin’ Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara, fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marin’ny Mpamonjy eto an-tany, ary ny Fiangonana dia tarihin’ny mpaminany velona ankehitriny. Miainga eo amin’io fototra io no hitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ka ho tafiditra ao anatin’izany ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra.

(Gospel Topics (Lohahevitra momba ny filazantsara), “Testimony (Fijoroana ho vavolombelona),” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy eo amintsika?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona momba an’i Kristy:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Ny Fanahy Masina no mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Zanaka Malalan’ny Ray any An-danitra izay tia antsika sy maniry ny hahazoantsika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy ao anatin’ny fianakaviana. Na dia vao manomboka manana izany fijoroana ho vavolombelona izany fotsiny aza isika, dia mahatsapa faniriana ny hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Rehefa mikiry ny hanao izany isika, dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina mba hanome antsika hery ao anatin’ny asa fanompoana ataontsika. Lasa mahita ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra mazava kokoa isika, tena mazava tokoa ka amin’ny farany dia tsy vitan’ny hoe hahatsiaro Azy fotsiny isika, fa hianatra hitia Azy sy ho lasa tahaka Azy bebe kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana.

(Henry B. Eyring, “O Remember, Remember (Ô Tsarovy, Tsarovy),” Ensign , Nov. 2007, 68–69)

Inona no fanomezana azonao atolotra an’i Jesoa Kristy?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ny Tompo dia ny mitandrina ny tenanao mba tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao, ary mendrika ny hiditra ao amin’ny tranony masina. Ny fanomezana hatolony anao dia ny fiadanana sy ny fiarovana noho ny fahafantarana fa mendrika ny hihaona Aminy ianao, na rahoviana na rahoviana no hahatongavan’izany fotoana izany.

Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Isika ihany koa, tahaka ireo Magy dia afaka mikatsaka an’i Kristy sy manome Azy ny fanomezana manan-danja indrindra: fo torotoro sy fanahy manenina. Tokony homentsika Azy ny fitiavantsika. Tokony hanolotra ny fahavononantsika hitondra ny anarany sy handeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika. Tokony hampanantena isika fa hahatsiaro Azy mandrakariva, sy hanaraka ny ohatra nasehony, ary hanao ny tsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempivavahana 20:77, 79 ; Asan’ny Apostpoly 10:38).Tsy afaka hanolotra azy ny fahalavorariana eo amin’ny zavatra rehetra mba ho fanomezana ho Azy isika satria fanomezana mihoatra ny azontsika atolotra izany, raha ny amin’izao fotoana izao aloha. Nefa mitaky antsika Izy ny mba hanomezantsika Azy ho fanomezana ny ezaka tsara indrindra vitantsika handehanana eo amin’ny lalana nomaniny sy nampianariny.

(Dieter F. Uchtdorf, “True Gifts of Christmas (Fanomezana marina amin’ny Noely),” New Era, Dec. 2018, 3)

Nahoana i Maria no nanolotra domoina na voromailala tao amin’ny tempoly?

Ny lalàn’i Mosesy dia milaza fa ny vehivavy dia maloto aorian’ny fiterahany. Mba ho lasa madio dia mila manolotra zanak’ondry iray ao amin’ny tempoly ny reny tera-bao iray hatao fanatitra hodorana, ary voromailala na domoina iray ho fanatitra noho ny ota (jereo ny Levitikosy 12:5–6). “Ary raha tsy tratry ny ananany ny Zanak’Ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy” (Levitikosy 12:8). Ny nitondran’i Maria domoina na voromailala ho solon’ny zanak’ondry dia manambara mazava fa i Jesoa Kristy dia nateraka reny sahirana.

Sahanasa fandalinana fanampiny

Afaka manolotra fanomezana ho an’ny Mpamonjy isika tahaka ireo Magy

Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ny Magy dia asao ny mpianatra hieritreritra ny fanomezana hatolony ny Mpamonjy. Hevero ny hizara ireo tenin’ny Filoha Nelson sy ny Loholona Uchtdorf ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” ao amin’ity lesona ity.