Seminera
Matio 16:18–19; Matio 17:1–7


Matio 16:18–19; Matio 17:1–7

“Ny fanalahidin’ny fanjakana”

Sary
Christ surrounded by light as He is transfigured. Moses and Elias stand with Him. The three figures are standing behind a tree, and large colorful clouds are visible in the background. Peter, James and John sit on rocks in the foreground as they watch.

Raha mbola niaraka tamin’ny mpianany tany Kaisaria-Filipo ny Mpamonjy, dia nampanantena fa hanome an’i Petera ny “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 16:19). Enina andro taty aoriana dia nentin’i Jesoa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ho any an-tendrombohitra iray, izay “niovany tarehy teo anatrehan’izy ireo” (Matio 17:2) teo imason’i Mosesy sy i Elia. Nampianatra ireo mpaminanin’ny andro farany fa nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nampanantenaina i Petera sy i Jakoba ary i Jaona nandritra ny fiovan’i Jesoa tarehy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny hevitry ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny maha zava-dehibe azy ireo eo amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fanalahidy iray izay ampiasan’izy ireo ary ho tonga vonona hizara ny antony ilàna izany fanalahidy izany, ny antony maha zava-dehibe izany, ary izay mety hitranga raha toa ka very izany. Raha tian’izy ireo dia, azon’ireo mpianatra atao ny mitondra ny fanalahidin’izy ireo ao an-dakilasy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

“Fa aiza ny fanalahidy?”

Nampianatra momba ny maha zava-dehibe ny fanalahidy ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Vakio ity teny manaraka ity.

Where Are the Keys?

Sary
Official portrait of Elder Gary E. Stevenson of the Quorum of the Twelve Apostles, 2015.

Indray tolakandron’ny ririnina, rehefa iny hilentika tao ambadik’ilay tendrombohitra midadasika fanaovana ski rakotry ny oram-panala iny ny masoandro dia namely mafy ny takolakay sy ny oronay ny rivotra mamirifirin’ilay tendrombohitra ka toa nanosika anay hamonjy ny fiaranay tao amin’ny fitobiam-piarakodian’ilay toerana fanaovana ski. Ao anatin’izany fiaranay izany dia vetivety foana, noho ireo fampafana, dia hahazo hafanana ny rantsan-tananay sy ny rantsan-tongotray. Ny feon’ny oram-panala mivaingana mikaratsaka ao ambany tongotray dia manambara ny hamafin’ny hatsiaka.

Avy nankafy tontolo andro feno fahafinaretana teo amin’ilay toerana fanaovana ski ny fianakaviako, izay niafara tamin’ny hatsiaka tena mamirifiry. Rehefa tonga teo amin’ilay fiara izahay dia nisava ny paosiko aho hitady ny fanalahidy, avy eo dia nisava paosy iray hafa ary paosy iray hafa koa. “Fa aiza ny fanalahidy?” Samy niandry tamim-pitaintainana ny hahitako ny fanalahidy ny tsirairay! Efa feno ny baterian’ilay fiara, ary efa vonona avokoa ny rafi-pitaovana rehetra, anisan’izany ny fampafana, kanefa raha tsy misy fanalahidy dia tsy ho tafiditra ao amin’ilay fiara izahay. Raha tsy misy fanalahidy dia tsy hamokatra angovo ho an’ilay fiara ny maotera.

(Gary E. Stevenson, “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?,” Liahona, mey 2016, 29)

  • Ahoana no fomba anehoan’ity zavatra niainana ity ny maha zava-dehibe ny fanalahidy?

Asao ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana ao amin’ilay sahanasa fanomanana ny mpianatra.

Eritrereto izay fanalahidy ampiasainao eo amin’ny fiainanao. Nahoana no zava-dehibe izy ireo? Inona no hitranga raha very izy ireo?

Fanalahidin’ny Fisoronana

Sary
Peter in the Chapel in Copenhagen

Ity dia sarivongan’ny Apôstôly Petera nataon’i Bertel Thorvaldsen (1770-1844). Mariho izay hazonin’i Petera eny an-tànany. Ireo fanalahidy ireo dia tandindon’ny hery sy fahefana nampanantenain’ny Mpamonjy an’i Petera.

Vakio ny Matio 16:18–19, ka tadiavo ireo valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nampanantenain’ny Mpamonjy homena an’i Petera?

  • Manana hery hanaovana inona i Petera?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny Mpamonjy sy ny fomba hitantanany ny Fiangonany?

Fahamarinana iray azontsika fantarina avy amin’ny Matio 16:18–19 ny hoe nampiandraiketin’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpaminany sy ireo apôstôly ny fanalahidin’ny fanjakany mba hitarihana ny asany eto an-tany. Na dia efa nomen’ny Mpamonjy ny fahefan’ny fisoronany aza ireo Apôstôly (jereo ny Matio 10:1–8), dia “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” ( Matio 16:19) no fanalahidin’ny fisoronany.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra efa fantany momba ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no hanazavanao ny maha-samy hafa ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana? Ahoana araka ny hevitrao no hitahian’ny Mpamonjy na nitahiany anao tamin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana?

Henoy tsara ny valintenin’ireo mpianatra. Raha ilaina dia diniho ny hampiasana ny sasany na ny rehetra amin’ireto fampahalalana manaraka ireto hanampiana ireo mpianatra hahatakatra mazava tsara ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fomba hitahian’ny Mpamonjy antsika amin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo.

Ity fampahalalana manaraka ity dia mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana:

Ny fisoronana dia “ilay hery sy fahefana izay omen’ Andriamanitra ny olona mba hiasany amin’ny zavatra rehetra ho famonjena ny olona.”

(Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fisoronana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Ankoatry ny zavatra hafa dia ahafahantsika mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fisoronana amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanasan’ny Tompo ary ny fanafiana masina sy ny famehezana any amin’ny tempoly.

Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia tarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. …

I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana. Eo ambany fitarihany no hanomezana ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ireo lehilahy ho ampiasaina amin’ireo antso manokana ho fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.

(Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 3.4.1, 3.4.1.1).

Ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy sy ny Tempolin’i Kirtland

Enina andro taorian’ny nampanantenainy an’i Petera ny fanalahidin’ny fisoronana dia nanasa an’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona i Jesoa hanaraka Azy hahita ny zava-mahagaga izay lasa fantatra taty aoriana amin’ny hoe ilay Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Mahaliana fa tamin’ny taona 1836 dia niaina zavatra toy izany koa i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland.

Hevero ny hampiasana ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hianatra misimisy kokoa momba ireo zava-mitranga masina ireo. Azon’ny mpianatra atao samirery na tsiroaroa na vitsivitsy mitambatambatra ity sahanasa ity.

Manaova tsipika hizarana roa ny pejy amin’ny taratasy iray na amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Manaova sarina tendrombohitra eo ankavian’ny pejy ary sarina tempoly eo amin’ny ankavanana. Soraty ny hoe “ Matio 17:1–7 ” eo ambonin’ilay tendrombohitrao ary ny hoe “ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–2, 11–16 ” eo ambonin’ilay tempolinao. Vakio ireo tantara ao amin’ny soratra masina, ary tanisao ny anaran’ireo olona nanatrika na ireo olona re feo nandritry ny zava-niseho tsirairay. Eo ambanin’ireo anarana ireo, manorata fehezanteny iray na roa mamintina ny zava-nitranga tao amin’ny tantara tsirairay.

Asao ny mpianatra izay vonona hizara ny sary sy ny famintinana nataony.

  • Inona no zavatra nianaranao tamin’ny fandalinana ireo tantara ireo?

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia milaza fa raha “teo an-tendrombohitra, ny Mpamonjy, i Mosesy, sy i Elia (Elià) no nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana nampanantenaina an’i Petera, sy Jakoba, ary Jaona [History of the Church 3:387], izay nahafahan’ireo rahalahy ireo nanohy hatrany ny asan’ny fanjakana teto an-tany taorian’ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra. Ireo fanalahidy ireo taty aoriana kely dia natolotra ho an’ireo Roambinifololahy rehetra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fiovan-tarehy, Fiovan-tarehin’i Kristy ”).

Nanazava ny maha zava-dehibe ny fanalahidin’ny fisoronana ny Loholona Stevenson. Vakio ity teny manaraka ity:

Sary
Peter in the Chapel in Copenhagen
Sary
Official portrait of Elder Gary E. Stevenson of the Quorum of the Twelve Apostles, 2015.

Arakaraka ny nisaintsainako io zavatra niainako io no nampahalalina tamiko an’io fanoharana io. Talanjona aho amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra an’ireo zanany. Nampiaiky ahy ny nisehoan’ireo olon’ny lanitra tamin’i Joseph Smith sy ireo fahitana ny zavatra mandrakizay izay nasehon’ Andriamanitra azy. Ary indrindra indrindra, heniky ny fankasitrahana ny foko noho ny namerenana ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ny laoniny. Raha tsy nisy izany famerenana amin’ny laoniny izany dia tsy ho tafiditra ao amin’ilay fiara tokony hitondra antsika amin’ilay diantsika hody any amin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra be fitiavana isika. Ny fanatanterahana ny ôrdônansin’ny famonjena rehetra momba ireo fanekempihavanana izay mitondra antsika miverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra dia mitaky fitarihana araka ny tokony ho izy amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana.

(Gary E. Stevenson, “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?,” Liahona, mey 2016, 29)

Tombano ny zavatra tsapanao momba ny famerenan’ny Mpamonjy ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fiantraikan’ireo fanalahidy ireo eo amin’ny fiainanao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hahatakarana ny maha zava-dehibe azy ireo. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ireo fanalahidin’ny fisoronan’ny Tompo eto an-tany?

  • Raha misy olona tsy mahalala firy momba ny fanalahidin’ny fisoronana manontany anao ny antony maha zava-dehibe azy ireo dia inona no havalinao?

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana masina afaka manampy an’io olona ià hianatra bebe kokoa momba ny maha zava-dehibe ny fanalahidin’ny fisoronana?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no dikan’ny teny hoe fiovan-tarehy?

Ny Torolalana ho an’ny soratra masina dia mamaritra ny fiovan-tarehy ho “toe-tenan’ireo olona izay novana vetivety ny endriny sy ny tenany— izany hoe nakarina amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa— mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ireo olon’ny lanitra” (“ Fiovan-tarehy ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Aiza no ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny Fiovan-tarehin’ i Jesoa Kristy?

Avereno jerena ny toko 23 amin’ny Jésus le Christ, nosoratan’i James E. Talmage, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Matio 16:19. Inona no fahefana nampanantenain’i Jesoa Kristy an’i Petera?

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Notazonin’i Petera ny herin’ny famehezana, ny fahefana izay mitondra ny hery hamatotra na hamehy eto an-tany na hamaha eto an-tany ary ho toy izany koa any an-danitra. Ireo fanalahidy ireo dia hazonin’ ny Filohan’ ny Fiangonana—ny mpaminany, mpahita ary mpanambara. Izany herin’ ny famehezana masina izany dia ato amin’ ny Fiangonana ankehitriny. Tsy misy zavatra hafa raisina ho masina [kokoa] noho izany ho an’ ireo izay mahafantantra ny halehiben’ izany fahefana izany. Tsy misy zavatra izay manakaikikaiky izany akory. Vitsy ireo lehilahy izay nametrahana izany andraikitra hihazona ny herin’ny famehezana izany eto ambonin’ny tany mandritry ny fotoana iray—isaky ny tempoly iray dia misy rahalahy nomena izany herin’ny famehezana izany. Tsy misy olona mihazona izany raha tsy avy amin’ny mpaminany, mpahita ary mpanambara izay Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

(Boyd K. Packer, “Ny Tempoly Masina,” Liahona, Okt. 2010, 34)

Iza ilay “Elià” niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland?

Kely ny zavatra fantatra momba ny mpaminany antsoina hoe Elià izay “nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12). Ny anarana hoe Elià dia nampiasaina tao amin’ny soratra masina ho anarana manan-danja nomena ny olona manana iraka manokana.

Sahanasa fianarana fanampiny

“Fa aiza ny fanalahidy?”

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa momba izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fomba hitahian’ireo fanalahidy ireo ny fiainan’izy ireo, dia eritrereto ny hanaovana ity sahan’asa manaraka ity.

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ny lisitr’ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Soraty tsirairay ireo fitahian’ny filazantsara izay mitaky ny fanalahidin’ny fisoronana (voatanisa etsy ambany) amin’ny taratasy miendrika fanalahidy, ary afeno manerana ny efitrano fianarana ny taratasy fanalahidy. Afaka mitady ireo fanalahidy miafina ireo mpianatra. Rehefa hita ireo fanalahidy, dia petaho eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny mpihazona fanalahidy mety aminy izany. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo mpihazona ny fanalahidy sy ireo ôrdônansy isankarazany mitahy ny fiainan’ny mpianatra.

Ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana sasantsasany:

  • Ny Filohan’ny tsatòka sy distrika

  • Ny Eveka sy ireo filohan’ny sampana

  • Ny Filohana tempoly

  • Ny Filohan’ny misiôna

  • Ny Filohan’ny Fiangonana

Ireo fitahian’ny filazantsara izay mitaky ireo fanalahidin’ny fisoronana:

  • Batisa

  • Fandraisana ho mpikambana sy fanolorana ny fanomezana ny Fanahy Masina

  • Fitantanana ny fanasan’ny Tompo

  • Fanitarana ireo antso sy anjara fanompoana ao amin’ny Fiangonana

  • Tsodranon’ny patriarika

  • Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly

  • Ny famehezana any amin’ny tempoly

Matio 16:18–19

Nahazo lalana hampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra

Asao ny mpianatra hitadidy ilay fanontaniana faha-efatra momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay milaza hoe: “Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?” (Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 121). Ampio ireo mpianatra hanombatombana ny fahatakaran’izy ireo amin’ny fangatahana azy ireo hanoratra ny antony hieritreretan’izy ireo fa iray amin’ireo fenitry ny Tompo hidirana ao amin’ny tranony masina izany.