Seminera
Matio 15:1–9


Matio 15:1–9

Moa ve ianao “mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fomban-drazanao”?

Sary
Jesus talking to Pharisees in Jerusalem. Movie still from The Life of Jesus Christ Bible Videos.

Rehefa nanontany ny antony nahatonga ny mpianatr’i Jesoa tsy nanaraka ny fomban-drazana ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia novalian’ny Mpamonjy tamin’ny feo mahery ireo olona manao ny fomban-drazana ho fialan-tsiny ahafahana mandika ireo didin’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia hanampy anao hamantatra hoe inona amin’ireo fomban-drazanao no hanampy anao hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy ary inona amin’izy ireny no mety hampisaraka anao Aminy.

Fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina. Ny sahan-kevitra dia ahitana ireo toe-javatra miseho manodidina na manome fampahalalana momba ny lasa izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina manokana na tantara ao amin’ny soratra masina. Ny sahan-kevitra dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo tantara, fampianarana, fotopampianarana ary ireo fitsipika ao anaty soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fomban-drazany, na ireo “finoan[y] sy fanaon[y] izay miampita amin’ny taranaka fara mandimby” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fomban-drazana ,” ChurchofJesusChrist.org) sy ny antony anaovan’ izy ireo izany.Mety afaka manampy ireo mpianatra ny fampidirana ireo fianakaviany ao anatin’ity sahanasa fanomanana.

Sahanasa fianarana azo atao

Fomban-drazana

Tandremo anefa fa ny fomban-drazana dia mety ho lohahevitra saro-pady. Mety misy ireo mpianatra sasany izay mety hanana fifikirana mafy momba ny fitandrona ny hasin’ny fomban-drazana. Mivavaha mba hahazoana fanampiana rehefa mampianatra ity fitsipika ity. Afaka manome fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahiny ny Ray any An-danitra mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fiarovana eo am-panombatombanan’izy ireo ireo fomban-drazany ao anatin’ny sahan-kevitry ny fenitry ny filazantsara.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto.

Raha ilaina dia hevero ny hanovana ireto fomban-drazana manaraka ireto mba hifanentana kokoa amin’ny zavatra mety amin’ ireo mpianatra. Na koa, afaka ny mpianatra no manomboka amin’ny alalan’ny fizarany ireo fomban-drazana sasany izay tandrovan’ny fianakaviany manokana na ireo fomban-drazana iraisana ao amin’ny faritra izay ipetrahan’izy ireo.

  • Ny fianakavian’ny zatovovavy anankiray dia manana fomban-drazana izay manindraindra ny fianarana. Andrasana aminy ny hahazo vokatra tsara hatrany rehefa manao fampiasana sy fitsapam-pahaizana izy.

  • Nandritra ny taranaka nifandimby dia nanao laharam-pahamehana ny fivavahana isa-maraina sy isan-kalina hatrany ny fianakavian’ny zatovolahy iray.

  • Misy hetsika lehibe ara-tsosialy iray izay hanaovan’ny zatovovavy maro fitafy tsy maotina. Tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny akanjo hanaovany amin’io fotoana io ny zatovovavy iray.

  • Nandritra ny taona maro dia maro tamin’ireo zatovo tao anatin’ny paroasy iray manokana no tsy nandray anjara tamin’ny fo madio ny fanatrehana ny Sekoly Alahady. Anisan’izany ny fahatarana, ny tsy fifantohana, ary ny fandefasana hafatra na ny filalaovana amin’ny finday mandritra ny fotoam-pianarana.

  • Fomba amam-panao ao amin’ny sekoly anankiray ny hoe ny mpianatra zokiny dia mampijaly ireo mpianatra zandriny.

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto, izay mifandray amin’ireo rafi-tantara teo aloha.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ireo fomban-drazantsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny fomban-drazantsika hisy fiantraikany amin’ny fahafahantsika hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny mandanjalanja ireo fomban-drazany na manova ireo fomban-drazany izay tsy mety?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia hianatra ireo fampianarana sasantsasany izay nataon’i Jesoa Kristy momba ny fomban-drazana ihany koa. Ny fomban-drazana dia “finoany sy fanao izay miampita amin’ny taranaka mifandimby” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fomban-drazana ,” ChurchofJesusChrist.org). Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ireo fomban-drazana sasany izay tsy afaka miala amin’ny fiainanao.

Ireo fampianarana nataon’ny Mpamonjy momba ny fomban-drazana

Mba hampianarana ny maha-zava-dehibe ny sahan-kevitra izay fonosin’ny soratra masina ary raha misy fotoana ahafahana manao an’izany dia asao aloha ireo mpianatra hamaky ny Matio 15:1–9 , tsy mbola omena ireto fanampiana ara-tsahan-kevitra manaraka ireto. Rehefa avy eo dia omeo ity fanazavana momba ny sahan-kevitra manaraka ity ireo mpianatra, ary asao izy ireo hamaky indray ireo andian-tsoratra masina teo ihany, sady manamarika ny tombony entin’ny fahatakarana an’ilay sahan-kevitra.

Mba hahatakarana ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy dia mety hanampy ny fahafantarana ilay sahan-kevitra, na ny lafin-kevitra, ao amin’ny Matio 15 .

Hevero ny hanazava na hampiseho ity fanampiana avy amin’ ny sahan-kevitra manaraka ity.

Fanampiana avy amin’ny sahan-kevitra ho an’ny Matio 15: Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, ny mpitarika jiosy dia nampianatra ny lalàn’i Mosesy sy ny lalàna am-bava izay tsy nomen’ Andriamanitra akory fa fomba nentim-paharazana teo amin’ny vahoaka. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny fanisana ireo dian-tongotra natao amin’ny andro Sabata sy ny fanasana tanana im-betsaka mialoha ny sakafo, izay nampiseho ny fahadiovana ara-panahin’ny olona. Ny ampahany tamin’ireo lalàna nentim-paharazana ireo dia nampiasaina tamin’ny antony feno fitiavan-tena. Ohatra, ny hoe hajao ny rainao sy reninao dia didy tao anatin’ny lalàn’i Mosesy (jereo Eksodosy 20:12), saingy nampiasain’ny olona sasany ny lalàna am-bava mba hanamarinana ny fandikany ity didy ity tamin’ny filazana fa ny volany na ny loharanon-karenan’izy ireo dia natokana ho “fanatitra” ho an’ Andriamanitra ( Matio 15:5) ary noho izany dia tsy azo entina hanampiana ny ray aman-drenin’izy ireo. Ireo fanovana ireo dia tsy tao anatin’ny tanjona izay nokendrena tamin’ireo lalàna sy didy ireo tany am-boalohany ary tsy nahafaly an’ Andriamanitra mihitsy izany.

Vakio ny Matio 15:1–9 , ka tadiavo ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fomban-drazana.

  • Inona araka ny hevitrao no ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Mitadiava fahamarinana iray na roa izay hitanao.

Mety ho toy izao ny sasantsasany amin’ireo fahamarinana mety ho hitanao: ny fomba amam-panao tsy mety dia mety hitarika ny olona handà na hanao tsinontsinona ny tenin’ Andriamanitra sy ny hoe raha maniry ny hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra isika dia tokony hametraka ireo didiny ho ambonin’ny fomban-drazana izay mety ho tandrovantsika.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny sahan-kevitra hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy?

  • Araka ny eritreritrao, inona no antony nahatonga ny Mpamonjy nahatsapa fatratra ny tokony hanaovana fanitsiana na hanafoanana mihitsy ireo fomban-drazana ireo?

Ny Loholona William K. Jackson avy ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra momba ny olona iray nahazo fitahiana tamin’ny fandalinana ny fomban-drazany sy ny fampifanarahana izany tamin’ny fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamaky ampahany amin’ny fanambarana izay nataon’ny Loholona Jackson “Ny Kolontsain’i Kristy” ( Liahona, nôv. 2020, 48–50), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na jereo ny horonantsary “Ny kolontsain’i Kristy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, jereo miantomboka avy eo amin’ny kaodim-potoana 0:30 ka hatramin’ny faha 2:16 ary avy amin’ny kaodim-potoana 8:39 ka hatramin’ny faha 9:55.

Ny fanamby amin’ny fisafidianana ny kolontsainan’izao tontolo izao sy ny fanarahana ny fenitra izay napetrak’ Andriamanitra dia efa nisy hatrizay teo amin’ny vahoakany (jereo Levitikosy 18:30 ; Asan’ny Apôstôly 16:19–24 ; Môzià 1:5 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39). Saintsaino ny iray amin’ireo fomban-drazana izay noresahinao tamin’ny fiandohan’ity lesona ity, na mieritrereta fomban-drazana hafa. Rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity ianao dia saintsaino ny fomba izay entin’io fomban-drazana io manova ny fahafahanao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

  • Ahoana ny fomba ahafahantsika milaza fa ny fomban-drazana iray dia mitarika ny fontsika hanalavitra an’ Andriamanitra (jereo Matio 15:8) na mitaona ny fontsika hankany Aminy?

Tadidio ireo fomban-drazana izay noraketinao tao anatin’ny diary fandalinanao. Hevero ny hanampy fomban-drazana hafa izay neritreretinao tamin’ny fandalinana nataonao androany. Azonao atao ihany koa ny mampiditra ireo fomban-drazana avy amin’ny faritra na firenena izay misy anao. Miomàna amin’ny fanadihadiana ireo fomban-drazana ireo amin’ny alalan’ny famakiana ity fanambarana manaraka ity izay nataon’i Filoha Cheryl C. Lant, Filohan’ny Kilonga maneran-tany teo aloha. Rehefa avy eo dia saintsaino ny fanontaniana miaraka amin’izany.

Sary
Last official portrait of Cheryl C. Lant, Primary general president, September 2005. Released at the April 2010 general conference.

Inona avy ireo karazana fomban-drazana izay ananantsika? Ny sasany amin’izy ireo dia mety ho avy amin’ireo razambentsika, ary amin’izao vaninandro izao dia ampitaintsika indray amin’ny zanatsika ihany koa izy ireny. Moa ve izy ireny arak’izay nandrasantsika? Miorina amin’ny asan’ny fahamarinana sy finoana ve izy ireny? Moa ve izy ireny araka ny toetra -materialy fotsiny sa moa ve izy ireny maharitra mandrakizay? Moa ve isika mamorona fomban-drazana tsara amim-pahatongavan-tsaina, sa moa ve miaina tsotr’izao fotsiny isika? Moa ve ny fomban-drazantsika noforonina ho setrin’ny feo mafy mitaona eo amin’izao tontolo izao fotsiny ihany, sa nentanin’ny feo tony sy malefaka avy amin’ny Fanahy? Moa ve ny fomban-drazana izay noforonintsika tao amin’ny fianakaviantsika hanamora sa vao mainka hanasarotra ny fanarahan’ireo zanatsika ny mpaminany velona?

(Cheryl C. Lant, “Righteous Traditions,” Ensign or Liahona, May 2008, 13)

  • Inona avy ireo fomban-drazana izay afaka manampy anao hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy hifantoka amin’ny zavatra manan-danja indrindra?

  • Inona avy ireo fomban-drazana izay mety hitarika anao hanalavitra an’i Jesoa Kristy ary hanakana anao tsy hanatanteraka ireo zavatra manan-danja indrindra? Inona avy ireo dingana izay tokony hataonao mba hanafoanana ireo fomban-drazana ireo eo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ohatra izay nataon’ny Mpamonjy manampy anao hahafantatra sy hifantoka amin’ireo fomban-drazana izay manan-danja indrindra?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona avy ireo fomban’izao tontolo izao izay tokony hialako eo amin’ny fiainako?

Ao amin’ny fanambarana izay nataony ao amin’ny “Repentance and Change” (Ensign na Liahona, Nov. 2003, 39), Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome ohatra maro momba ny fomba “fitondran-tena izay [mety] hifanohitra amin’ireo didy izay misy ao amin’ny filazantsara sy ny fanekempihavanana ary ny kolontsaina.” Ny fitondran-tenantsika dia mety tsy hitovy amin’ny fomban’izao tontolo izao raha ny fahadiovam-pitondrantena sy ny pôrnôgrafia, ny fandehanana am-piangonana, ny fahamarinana sy laharana na toerana ara-tsosialy misy no asian-teny.

Ao amin’ny lahateniny hoe “Ny Kolontsain’i Kristy” ( Liahona, nôv. 2020, 48–50), Ny Loholona William K. Jackson avy ao amin’ny Fitopololahy dia nampitaha ireo kolontsain’izao tontolo izao amin’ny kolontsain’i Kristy. Hevero ny mijery na mamaky ireo fizarana rehetra ao amin’ny lahateny nataony, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Azo atao ve ny mitazona ireo fomba amam-panaon-drazana no sady manaraka ny Mpamonjy?

Ity horonantsary manaraka ity dia manome ohatra amin’ny fomba fampiarahana ny fitazonana ireo fomba amam-panaon-drazana no sady manaraka ny Mpamonjy.

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa azo hanombohana ny lesona

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa ny fomban-drazana dia “finoana sy fanao izay miampita amin’ny taranaka mifandimby” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fomban-drazana ,” ChurchofJesusChrist.org). Entano ireo mpianatra hamaky ny filazana izay nataon’ny Filoha Lant, izay hita any amin’ny faramparan’ny lesona. Entano izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny fomban-drazana ary hanao ny lisitr’ ireo fomban-drazana izay misy eo amin’izy ireo.

Rafi-tantara fanampiny ampiasaina hanombohana ny lesona

  • Tahaka ny maro hafa any an-tsekoly, rehefa feno 16 taona ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia mampiaraka tokoa.

  • Eo am-piomanana amin’ny raharaham-panambadia ny tanora kely roa, ary izy ireo dia mipetraka amin’ny toerana manaiky ny fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana.