Seminera
Galatiana


Galatiana

Topimaso ankapobeny

Tao amin’ny epistiliny ho an’ireo Olomasina tany Galata, dia naneho ny ahiahiny lalina i Paoly fa maro no nivily lalana niala tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’ireo sasany izay nikatsaka ny “hamadika ny filazantsara” (Galatiana 1:6–7). Nohamafisiny tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fihainoana ny tenin’i Jesoa Kristy izay nomeny tamin’ny alalan’ireo Apôstôliny, dia ny fandehanana araka ny Fanahy mba handresena ny filan’ny nofo sy ny lalàn’ny fijinjana izany.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Galatiana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra ny fomba hialana amin’ny fitaka sy ny fahasahiranan-tsaina amin’ny alalan’ny fihainoana ny tenin’i Jesoa Kristy izay nomena ireo mpaminany fahiny sy maoderina ankehitriny.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga amim-pahavononana hanome ohatra momba ny hevitra na fampianarana izay ampiasain’i Satana hikasana hamitahana na hitarihana azy ireo hiala amin’ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy.

  • .

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mamorona fitsapan-kevitra tsy anononana anarana amin’ny tambajotran-tserasera mba hanasana ireo mpianatra hizara ireo toe-javatra izay nahitany olona na hevitra izay mety hitarika azy ireo hiala amin’ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ampiasao eo amin’ny toeran’ilay rafi-tantara am-panombohan’ny lesona ny valin-teniny izay naroson’ireo mpianatra tao amin’ny fitsapan-kevitra izay natao.

Galatiana 5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahafahana hamantatra ireo fomba ahafahana “mandeha araka ny Fanahy” ( Galatiana 5:16).

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Môzià 3:19 ary hamantatra ireo fampianarana izay afaka manampy azy ireo handray ny fanampian’ny Mpamonjy mba handresena ny toetran’ny fahalavoantsika, na ny “maha-olona araka ny nofo.” Mety hahasoa ihany koa ny manasa ireo mpianatra hitadidy io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io.

  • Sary: Manehoa sarin’olona manao fifaninanana mitsambikina amin’ny tady.

Galatiana 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ireo asa izay tokony hataony mba hanatratraran’izy ireo ny tanjony mandrakizay.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Galatiana 6:7–9 sy mba ho tonga vonona hizara ny zavatra izay tsapan’izy ireo tamin’ny fampianarana tao amin’ireo andininy ireo ka mety hiteraka fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra izay ataon’izy ireo isan’andro.

  • Video: Choose Wisely” (15:18; jereo manomboka avy amin’ny marim-potoana faha 3:03 ka hatramin’ny 4:52)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa mpitarika anankiray avy amin’ny Fiangonana eo an-toerana (toy ny eveka, ny filohan’ny sampana, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, na ny filohan’ny Zatovovavy) mba ho tonga sy hiresaka mandritra ny minitra vitsivitsy any am-panombohanan’ny fianarana, momba ny maha zava-dehibe ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary ny fametrahana sy fikatsahana ny fomba hanatratrarana ireo tanjona. Aza hadino ny miresaka amin’ireo mpandrindra ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara eo an-toerana mba hahazahoana fankatoavana izay ilaina amin’izany.

Efesiana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fitahiana misy noho ny namerenan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny filazantsarany teto an-tany amin’ny andro farany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao lisitra ny fomba nahatasapan’izy ireo fa nisy fiantraikany teo amin’ny fiainany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Entano izy ireo mba hitondra io lisitra io any an-dakilasy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra mba hifandimby hizara hevi-baovao manan-danja izay hitany rehefa nandalina ny fanambarana ny Famerenana amin’ny laoniny izy ireo. Azo atao anaty zana-bondrona izany na miaraka amin’ny kilasy iray manontolo.

Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 1:10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hampitombo ny fahaizany mifehy ireo fampianarana ao amin’ny Efesiana 1:10 amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny fanazavana ny fotopampianarana, ary ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy ho vonona hizara fahamarinana roa farafahakeliny momba ny famerenana amin’ny laoniny izay tsapany fa tokony ho fantatra sy ho takatry ny rehetra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra rafi-tantara hafa izay mety horesahina amin’ireo fampianarana izay hita ao amin’ny Efesiana 1:10 . Rehefa avy eo dia azo asaina ireo mpianatra mba hizara ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny Efesiana 1:10 sy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hanampiana amin’ny firesahana ireo rafi-tantara ireo.