Seminera
Galatiana 1


Galatiana 1

“Fa izaho tsy nandray azy tamin’olona … fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy ihany”

Sary
A woman suffering from stress and anxiety

Moa ve ianao efa nahatsiaro sahiran-tsaina tamin’ireo hevitra sy filozofia samihafan’izao tontolo izao? Niatrika olana mitovy amin’izany ireo Olomasina tao Galatia rehefa natolotra azy ireo ny fampianarana mitarika amin’ny fialana amin’ny filazantsara marin’i Kristy. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao hianatra ny fomba hialana amin’ny fitaka sy ny fisafotofotoana amin’ny alalan’ny fihainoana ny tenin’i Jesoa Kristy izay nomena ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny.

Mametraka ny zavatra manan-danja. Ny fanombohana lesona amin’ny fanontaniana, toe-java-misy, na olana manan-danja dia afaka mitarika ireo mpianatra hikaroka ao amin’ny soratra masina ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny fotopampianarana izay hanome azy ireo fitarihana sy torolalana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy amim-pahavononana hanome ohatra momba ny hevitra na fampianarana ampiasain’i Satana hikasana hamitahana azy ireo na hitarihana azy ireo hiala amin’ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Mifanehatra amin’ny hevi-diso

Asehoy ireto rafi-tantara manaraka ireto na asao ny mpianatra hamorona ohatra manokana momba ny toe-javatra ahitana ny mety ho famitahana ny olona amin’ny hevitr’izao tontolo izao. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra tsiroaroa na amin’ny vondrona kely momba ireo rafi-tantara sy ny fanontaniana mifandray amin’izany alohan’ny hifanakalozana hevitra amin’ny iray kilasy.

Saintsaino hoe ahoana ny ho valin-teninao manoloana ireto toe-javatra manaraka ireto:

a. Mahita horonan-tsary na lahatsoratra malaza nozarain’ny namanao maro tao amin’ny tambajotran-tserasera ianao. Ahitana hevitra mifanohitra amin’ny zavatra nampianarina anao tany an-tokantrano sy tany am-piangonana izany.

b. Misy namana maromaro mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany any am-pianarana, manome hevitra mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana izy ireo.

  • Impiry ianao no tojo toe-javatra toy ireny?

  • Inona no heverinao fa tokony hataonao amin’ny toe-javatra tahaka izany? Nahoana?

Ireo Olomasina tany Galatia koa dia nifanehatra tamin’ny fampianaran’ireo izay nikatsaka ny “hamadika ny filazantsaran’i Kristy” ( Galatiana 1:7). Ohatra, nisy Kristiana Jiosy sasany nanova ny fampianaran’ny filazantsara ary niteraka fisalasalana momba ny fampianaran’i Paoly fa hoe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany no hahazoana famonjena.

Nampitandrina ny Olomasina Galatiana momba ny hevi-diso i Paoly

Nanoratra epistily i Paoly hiadiana amin’ireo fampianaran-diso izay niparitaka teo anivon’ireo Olomasina Galatiana ireo.

Vakio ny Galatiana 1:6–9 . Tadiavo ny zavatra nolazain’i Paoly momba ireo izay nitory “filazantsara” mifanohitra amin’ilay notoriany tamin’ny naha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy.

  • Inona no hitanao fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Nampitandrina ny Olomasina Galatiana i Paoly mba handà “ny filazantsara hafa rehetra” ( Galatiana 1:9) ankoatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiomanany ho amin’ny kilasy eo am-pamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny hevi-diso amin’izao androntsika izao ka mety hitarika ny olona hiala amin’ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fitsipika marina tsy takatra na novain’izao tontolo izao?

  • Inona no mety ho voka-dratsin’ny fihainoana na fanarahana ireo hevitra na fampianarana hafa ireo? Oviana ianao no nahita ny sasany tamin’ireo voka-dratsy ireo?

Raha azo atao, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “Les sources divinement désignées [Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra]” manomboka amin’ny mari-potoana 3:14 ka hatramin’ny 4:43 mba hahitana ohatra vitsivitsy momba ny vokany. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org izany horanan-tsary izany.

Afaka mitodika any amin’ireo mpaminany sy apôstôly isika mba hahazoana fahamarinana

Ao amin’ny epistiliny i Paoly dia nampahatsiahy ireo Olomasina Galatiana momba ireo fahamarinana fototry ny filazantsara sy ny loharanon’ny fahefany sy ny fampianarany.

Vakio ny Galatiana 1:1–5, 10–12 , ka tadiavo ny zavatra nozarain’i Paoly izay afaka manampy ny Olomasina tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso.

  • Inona avy ireo fahamarinan’ny filazantsara nampahatsiahivin’i Paoly ny Galatiana?

  • Araka ny hevitrao, ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 3–5 ireo hanampy antsika tsy ho voafitaka?

  • Inona no nampianarin’i Paoly ny Galatiana ao amin’ny andininy 1, 11–12 mikasika ny antony tokony hinoan’izy ireo ny zavatra nampianariny?

Nampahatsiahivin’i Paoly ny Galatiana fa izy dia Apôstôly, nantsoina “tsy avy . . . tamin’ny alalan’ny olona, fa tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy” ( Galatiana 1:1), ary nandray ny filazantsara “tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy” izy ( Galatiana 1:12). Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Paoly ny hoe I Jesoa Kristy dia manambara fotopampianarana marina amin’ireo mpaminaniny sy ireo apôstôliny.

Nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Ny anja-by dia maneho ny tenin’Andriamanitra. Tahaka izao fomba izao no itiavako ieritreretana izany: Ny tenin’Andriamanitra dia mirakitra singa telo tena matanjaka izay mifamatotra sy mifanohana mba hamorona anja iray tsy azo hozongozonina. Ireo singa telo ireo dia ahitana, voalohany, ny soratra masina, na ny tenin’ireo mpaminany fahiny. …

Ny singa faharoa amin’ny tenin’Andriamanitra dia ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy fitaomana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. …

… Ny singa fahatelo, fanampiny manan-danja izay mifamatotra amin’ireo roa hafa[,] … dia maneho ny tenin’ireo mpaminany velona.

(Neil L. Andersen, “Hold Fast to the Words of the Prophets [Tano mafy ny teny izany nolazain’ireo Mpaminany]” [Brigham Young University devotional, 4 Martsa, 2007], speeches.byu.edu)

  • Inona no ampianarin’ny ezaka ataon’Andriamanitra amin’ny fanomezana ireo loharano ireo antsika momba Azy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fihainoana ny tenin’i Kristy avy amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina hanampy anao tsy ho voafitaka?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana hanampy anao tsy ho voafitaka?

Raha azo atao dia jereo ilay horonan-tsary “Les sources divinement désignées [Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra]” manomboka amin’ny mari-potoana 4:44 ka hatramin’ny 9:11 mba hahitana ny fomba nanampian’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina, ary koa ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ireo zatovo maromaro hahita fahamarinana sy tsy ho voafitaka.

  • Inona no nanaitra anao mikasika ny fomba nanampian’ny Tompo ireo olona ireo tamin’ny toe-javatra sarotra natrehiny?

  • Rehefa nijery ilay horonan-tsary ianao dia inona no eritreritra na fahatsapana tonga tao aminao ka mifandray amin’ny toe-javatra iainanao manokana?

Raha misy fotoana dia ampiasao ilay sahanasa “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Ny toe-javatra iainanao manokana

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Katsaho ny fanampian’ny Ray Any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary fantaro ireo fomba mety hahatonga anao ho mora voafitaka amin’izao fotoana izao. Inona no fampianaran-diso na hevitr’izao tontolo izao mety hanimba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy? Moa ve ianao mamaky, mijery, na mihaino zavatra izay mety hamitaka anao?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ity lesona ity ka tena nanampy anao? Nahoana?

  • Inona no fiovana tianao hatao eo amin’ny fiainanao ka hiaro anao mba tsy ho voafitaka?

  • Ahoana no ahafahanao mihaino amin’ny fomba feno kokoa ny tenin’i Jesoa Kristy avy amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina? Inona no fiovana entin’izany eo aminao raha manao izany ianao?

Omeo fotoana ampy hieritreretana sy hanoratana ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara. Amporisiho izy ireo hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny zavatra azony atao mba hisorohana ny tenany tsy ho voafitaka.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Moa ve nampianatra i Paoly fa tsy tokony hihaino hafatra avy amin’ny anjely any an-danitra isika?

Matetika ireo fampianaran’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny Galatiana 1:8–10 no ampiasaina amin’ny fomba diso mba hifandirana momba ny fahitana anjely mitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy nampianatra anefa i Paoly fa tokony holavina avokoa ireo fisehoan’anjely rehetra, satria ny soratra masina dia mampiseho fa ho avy tokoa ny anjely amin’ny andro farany mba hitory ny filazantsara vaovao (jereo ny Apokalipsy 14:6). Nampianatra kosa i Paoly fa raha misy olona—na dia ny anjely aza—ho avy hampiala ny olona amin’ny filazantsara marina, dia tokony holavina izy ireo (jereo koa ny Almà 30:53).

Nahoana aho no tokony hampiasa loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra amin’ny fikatsahako ny fahamarinana?

Jereo ny horonan-tsary “Discovering Truth [Mamantatra fahamarinana]” (4:48), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’ity horonan-tsary ity, ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia mampiasa fanoharana hanazavana fa zava-dehibe ny fikatsahana fahamarinana avy amin’ny loharanom-pahalalana masina fa tsy ny fitokiana amin’ny fahendren’olombelona.

Amin’ny fomba ahoana no mihatra ny fampitandreman’i Paoly ankehitriny?

Nampitandrina ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Isika dia miaina ao anatin’ny fotoana izay iparitahan’ny fampahalalana sy ivelarany lehibe tokoa. Saingy tsy marina avokoa izany fampahalalana rehetra izany. Mila mailo isika rehefa mikatsaka fahamarinana sy misafidy ireo loharano ho an’izany fikarohana izany. Tsy tokony heverintsika ho loharanom-pahamarinana azo antoka ny zavatra manan-danja na manam-pahefana amin’izao tontolo izao. Tokony ho mailo isika amin’ny fianteherana amin’ny fampahalalana na ny torohevitra atolotr’ireo olo-malaza na mpanao fanatanjahan-tena fanta-daza na loharano tsy fanta-pihaviana ao amin’ny internet. Ny fahaizana amin’ny sehatra iray dia tsy tokony horaisina ho fahaizana momba ny fahamarinana amin’ny lohahevitra hafa.

(Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25)

Sahanasa fianarana fanampiny

Galatiana 3:28 . Lasa “iray ao amin’i Jesoa Kristy”

Mety ho manan-danja kokoa ho an’ny kilasy sasany ny mifantoka amin’ny Galatiana 3:28 sy ny fahamarinana fa iray ihany isika ao amin’i Kristy, na inona na inona fiaviantsika. Raha izany no izy, dia asao ny mpianatra hieritreritra ireo anton-javatra izay mampitsitokotoko ny olona. Ohatra tafiditra ao anatin’izany ny firazanana, ny fivavahana, ny maha-lahy na maha-vavy, na ny fironana ara-pananahana. Hazavao fa ny Olomasina tao Galatia dia nitsitokotoko mba hamantarana azy ireo na Jiosy na Jentilisa.

Asao ny mpianatra handalina ny Galatiana 3:26–29 hahitana ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fahatongavana ho iray ao amin’i Kristy. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany ka afaka manampy ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao hiray hina kokoa. Asao izy ireo hamaky ny Jaona 17:20–23 ary hamaly fanontaniana toy ny hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjy ary inona no mbola ataony mba hampiraisana antsika ho iray? Inona no ampianarin’izany antsika momba Azy fa tiany isika mba ho iray eo amintsika samy isika sy ao Aminy ary ao amin’ny Ray? Ahoana no hahatonga antsika hiray hina bebe kokoa amin’ny hafa sy amin’Andriamanitra?”

Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Rehefa nahita ny fahamarinana ao amin’ny Galatiana 1:11–12 ny mpianatra ary nifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireo “filazantsara hafa” izay mety hamitaka na hitarika azy ireo hiala amin’ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy, dia asao izy ireo hikaroka ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hahitana fahamarinana manohitra ny hafatra mamitaka eto amin’izao tontolo izao. Ohatra, mety hahita ny mpianatra fa mamaritra ny fanambadiana amin’ny fomba hafa izao tontolo izao ankoatra ny fomba namaritan’ny Tompo izany (toy ny fanambadian’ny samy lahy sy ny samy vavy). Azo atao ny manasa azy ireo handinika ny “ Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao ” ka hitady fahamarinana mba tsy ho voafitak’ireny hevitra ireny.