Seminera
Tombano ny fianaranao 7


Tombano ny fianaranao 7

Asan’ny Apostoly 1–28

Sary
Young women enjoying themselves in Ghana.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombana ireo tanjona izay napetrakao, ny fianarana ary ny fivoarana izay nisy taminao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara ny ohatra amin’ny fihetsiky ny olona izay niova fo amin’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hanao tombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ny fiovan’ny fomba fihetsiny, ny faniriany, ary ny fahaizany miaina ny Filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy momba ny Asan’ny Apostoly 1–28 dia manantitrantitra ireo fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao amin’ireto sahanasa atao manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Misy lohahevitra fanampiny hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Afaka miova ve ny olona?

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao anankiray milaza aminao fa misy zavatra tiany hovaina momba ny tenany, mieritreritra anefa izy fa tsy afaka manao ireo fiovana ireo.

  • Inona no havalinao?

  • Ahoana no fiantraikan’ny fahafantarana fa afaka miova tokoa ianao amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mila miomana amin’ny fampianarana izy ireo.

Saintsaino ireo tantara izay avy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izay maneho ny fomba ahafahan’ny olona miova ho amin’ny tsara kokoa sy ho tonga mpianatr’i Kristy rehefa manatona Azy.

Raha ilaina, dia avereno jerena ny iray na maromaro amin’ireto ohatra manaraka ireto.

  1. Olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana: Asan’ny Apostoly 2:14, 36–47

  2. Ilay ionoka Etiopiana: Asan’ny Apostoly 8:26–40

  3. Saoly (izay lasa Paoly): Asan’ny Apostoly 9:1–22

  4. Kornelio: Asan’ny Apostoly 10:1–8, 24–25, 44–48

  5. Ilay mpiambina tranomaizina izay niambina an’i Paoly sy i Silasy: Asan’ny Apostoly 16:25–36

Ampiasao ny iray amin’ireto ohatra ireto na ny iray hafa avy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, dia manomana valin-teny ho an’ny namanao izay tsy mino fa afaka miova izy. Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:

  • Porofon’ny fiovan’ny olona na vahoaka iray noho ny fanampian’ny Mpamonjy.

  • Ny fomba nanampian’ny Mpamonjy sy ireo mpanompony izay nirahiny tamin’ny fiovam-po.

  • Inona ny zavatra izay nataon’ilay olona mba hatokisany ny Tompo sy ny mpanompony.

Henoy ny mpianatra rehefa mizara ny valin-teniny ao anaty vondrona mandeha tsiroaroa na vondrona kely izy ireo. Raha mila torolalana fanampiny momba ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy izy ireo, dia hevero ny hamaky miaraka ny ampahany amin’ny Asan’ny Apostoly 9:3–20 ary asao ireo mpianatra hitady ny antsipiriany izay afaka manampy azy ireo mba hahatakatra ny fomba ahafahan’ny olona miova noho ny fanampian’ny Mpamonjy.

Saintsaino ny fiovam-ponao manokana ho an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ireo fanasana hiova na hivoatra izay tsapanao avy tamin’ny Tompo rehefa nandalina ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ianao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mba ho hitan’ireo mpianatra rehefa manoratra ao amin’ny diariny izy ireo.

  • Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay mandrisika anao hitia sy hanaraka Azy bebe kokoa?

  • Tao anatin’ny iray volana teo ho eo, dia inona avy ireo fiovana izay tsapanao fa tokony namporisihan’ny Fanahy Masina mba ho ataonao? Ahoana no nasetrinao izany?

  • Ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao noho ny ezaka izay nataonao? Inona ny zavatra izay nataonao ka nahatonga ny fiovana lehibe indrindra?

  • Inona, raha misy, no nananosarotra ny fanekena ny fanasana hiova sy hivoatra? Ahoana ny fomba ahafahanao mikatsaka fanampiana fanampiny avy amin’ny Ray any An-danitra?

Tohizo ny mikatsaka ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Ezaho fantarina ny zavatra izay tiany hataonao mba hiova sy hiova fo bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy.Misafidiana anankiray amin’ireto sahanasa izay hatao manaraka ireto rehefa misaintsaina ny fomba ahafahana manatona bebe kokoa an’i Kristy ianao.

Sahanasa A: Ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly, dia olona maro no nahazo fanampiana avy any an-danitra mba hiova sy hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara.

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia manazava ny fomba hanampian’ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo antsika mba hiova fo amin’i Jesoa Kristy.

Ny fibebahana, ny batisa ho famelana ny fahotana, ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary ny finoana tsy miova ho an’i Jesoa Kristy Tompo no mahatanteraka ny fiovam-po. Ny olona araka ny nofo dia hovana ho olom-baovao izay nohamasinina sy madio, nateraka indray tao amin’i Kristy Jesoa ( 2 Korintianina 5:17 ; Môzià 3:19).

(Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Fiovam-po, Niova fo ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Saintsaino ilay tantara izay nosafidianao ka mampiseho olona iray izay niova noho ny fanampian’ny Tompo.

  • Inona no anjara asan’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara tamin’ny fiovam-pon’izy ireo?

  • Ahoana ny fomba nanampian’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara ireo anao na ny hafa mba hiova fo bebe kokoa ho an’ny Mpamonjy?

Alaivo sary an-tsaina hoe mangataka fanampiana aminao ho an’ny olona izay ampianariny ireo misiônera eo an-toerana. Tian’izy ireo ianao mba hizara ny fomba ahafahan’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara manampy mba hanamafy orina ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy sy hanasa Azy hanampy hanatanterahana ireo fiovana ilaina atao eo amin’ny fiainantsika. Manorata fanazavana ho an’io olona io ary ataovy toy ny hoe miresaka mivantana aminy mihitsy ianao. Mampiasà ohatra iray farafahakeliny avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy momba ny zavatra niainanao manokana ka heverinao fa mahasoa.

Omeo fotoana hanoratany ny eritreriny ireo mpianatra. Avy eo dia asao izy ireo hanome ny fanazavany amin’ny namana ray. Mandehandehana ary henoy ny fanazavan’izy ireo. Raha mila fampianarana fanampiny momba ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara ireo mpianatra, dia ampiasao ireto andinin-tsoratra masina ireto: Asan’ny Apostoly 19:1–7 ; 2 Nefia 31:13–21 ; 3 Nefia 27:13–22 .

Sahanasa B: Fandalinana ny soratra masina sy ny fiovam-po

Ny zavatra anankiray manan-danja azontsika atao mba hanamafisana ny fiovam-pontsika amin’i Jesoa Kristy dia ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina. Eritrereto ny fomba hanehoan’ireto tantara manaraka nalaina avy tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ireto ny maha zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fiovam-po.

Filipo sy ilay lehilahy Etiopiana: Asan’ny Apostoly 8:26–40

Paoly sy ireo Olomasina tany Tesalonika sy Beria: Asan’ny Apostoly 17:1–14

Saintsaino ny fanampiana nentin’ny fandalinana ny soratra masina teo amin’ny fiovam-ponao ho amin’ny Mpamonjy.

Alaivo sary an-tsaina hoe nangataka anao ny mpitarika ny Zatovolahy na ny Zatovovavy mba hanampy ireo zatovo ao amin’ny paroasy na sampana misy anao handalina ny soratra masina sy hanamafy orina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy. Inona no loharanom-pahalalana azonao foronina mba hanentanana azy ireo? Makà minitra vitsivitsy hamolavolana ireo loharanom-pahalalana ao anaty diary fandalinanao. Mety ho horonan-tsary, lahatsoratra, lahateny, tranonkala, na loharanom-pahalalana hafa.

Ny loharanom-pahalalana dia mety hahitana ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Ohatra iray avy amin’ny Asan’ny Apostoly na boky ara-tsoratra masina iray hafa izay mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina.

  • Ohatra iray na maodely momba ny fahaiza-manao ara-tsoratra masina izay ampiasainao ka afaka manampy anao, na famaritana ny fomba fandalinanao.

  • Famaritana ny zavatra anankiray izay niainana ka nahafahan’ny fandalinana soratra masina nanampy anao na ny olona iray izay fantatrao hiova fo bebe kokoa amin’ny Mpamonjy.

  • Ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny herin’ny fandalinana ny soratra masina.

Asao ireo mpianatra hanao izao manaraka izao ao amin’ny diary fandalinany.

Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa manoratra ny fihetsika izay tsapanao fa tokony hatao mba hampiova fo bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy. Hanampy anao ny Mpamonjy rehefa miezaka manaraka ireo fahatsapana ireo ianao. Zarao amin’ny ray aman-dreny na amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azo itokisana ny fahatsapanao. Angataho izy ireo hanampy anao hanao asa araka ireo fahatsapana ireo.

Amporisiho ireo mpianatra mba hanao zavatra araka ny fahatsapana izay azony avy tamin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy azy ireo Andriamanitra rehefa mikatsaka ny hanaraka ireo fahatsapana ireo izy ireo.

Sahanasa fianarana fanampiny

Asan’ny Apostoly 1011 ; Asan’ny Apostoly 15 ; Asan’ny Apostoly 27 . Fanambarana

Hevero ny hanao tombana ny zavatra fantatry ny mpianatra momba ny fomba hahatongavan’ny fanambarana amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao izy ireo mba hamerina hijery ireo fanamarihana noraisiny avy tamin’ireo lesona mikasika ny Asan’ny Apostoly 10 ; 11 ; 15 ; sy 27 . Omeo fotoana ahafahany mandamina sy maneho ny eritreriny ireo mpianatra. Mety ho fomba iray amin’izany ny hanoratan’ny mpianatra lahatsoratra fohy ho an’ny gazetiboky Ho zatovo mahery izay manazava ny fomba handraisana ny fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo sy ny antony maha zava-dehibe ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo.

Mahita fiadanana ao amin’i Kristy ao anatin’ny fahoriana

Asao ireo mpianatra mba hitadidy ireo olona ao amin’ny Asan’ny Apostoly izay nahita fiadanana tao amin’i Kristy na dia teo aza ny fahoriana izay nosedrainy, toa an’i Petera sy i Jaona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:40–42 , i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 67 , i Petera sy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1–19 , na i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2228 . Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay niainany rehefa nahita fiadanana tao amin’i Kristy izy ireo nandritra ny fahoriana izay nianjady taminy. Azon’izy ireo atao ny mamantatra ireo fihetsika avy ao amin’ny tantara izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ireo zavatra izay niainany manokana ka afaka manampy azy ireo hiatrika fitsapana amin’ny hoavy. Asao izy ireo hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy hanao drafitra momba ny zavatra izay hataony amin’ireo fitsapana ho avy ireo mba hahitany fiadanana ao amin’i Kristy.