Seminera
Asan’ny Apostoly 22–26


Asan’ny Apostoly 22–26

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Sary
Paul speaking to King Agrippa.

Na dia nisedra fanendrikendrehana sy fampijaliana ara-batana aza i Paoly dia tsy nanaiky ny hangina izy. Na dia nifatotra tamin’ny rojo vy sy nentina teo anatrehan’ireo mpitarika sy ny mpanjaka aza i Paoly, dia nizara tamim-pahatokiana ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy. Ity lesona ity dia natao mba hanampy anao hampitombo ny fanirianao lehibe hanaraka ny ohatra nasehon’i Paoly tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany eo amin’ny fiainanao andavanandro. 

Asao ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy ny fitsipika: Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa “ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy mitahy fotsiny ilay olona izay nizara izany fa afaka mampatanjaka ihany koa ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa. … [Ny fijoroana ho vavolombelona] dia mety ho fanambarana tsotra ataon’ny olona iray mikasika ny zavatra fantany fa marina, izay lazaina amin-kitsimpo sy amim-paharesen-dahatra. Izany dia mety ho filazana tsotra mikasika ny zavatra tsapan’ny olona iray momba ny fotopampianarana na ny fitsipiky ny filazantsara iray ary ny fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainany” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [2012], 33).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina sy ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara zavatra niainany iray mahakasika ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’olon-kafa teo amin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fizarana fijoroana ho vavolombelona

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny fanasana tao amin’ny fiomanan’ny mpianatra amin’ity lesona ity rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo.

Amin’ny heviny ara-pivavahana na ara-panahy, ny fijoroana ho vavolombelona na ny mijoro ho vavolombelona dia matetika entina hilazana ny fizarana ny finoan’ny tena manokana momba ny fahalalana ara-panahy izay nomen’ny Fanahy Masina (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Mijoro ho vavolombelona ” sy “ Fijoroana ho vavolombelona ”).

  • Oviana ianao no nahatsapa ny herin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny herin’ny fandrenesanao olon-kafa nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany? Inona no fiantraikan’izany taminao?

  • Manao ahoana ny fahavononanao hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny hafa? Inona no mety ho antony mahatonga ny olona anankiray hisalasala hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

  • Inona no fanontaniana sy olana mety anananao momba ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa mikasika ny finoanao?

Ao amin’ity lesona ity dia handalina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly momba ny Mpamonjy ianao, ary ny fomba nanovan’ny Mpamonjy ny fiainan’i Paoly. Hianatra ny fihetsika nasetrin’ny hafa tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly ihany koa ianao. Eo am-pandalinanao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy ny fiainanao rehefa vonona ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy sy ny filazantsarany ianao, na manao ahoana na manao ahoana ny fiheveranao ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly Apôstôly

Na dia nokapohina, notoraham-bato, ary nogadraina tamin’ny zavatra tsy marina aza i Paoly dia nizara hatrany ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy. Rehefa mamaky ny tantaran’i Paoly ianao dia alaivo sary an-tsaina ny zavatra izay nitranga tao amin’ilay tantara.

Izany dia mety ho fahafahana tsara azo araraotina mba iray hampahatsiahivana ireo mpianatra ny mampahomby ny fakana sary an-tsaina. Amporisiho izy ireo haka sary an-tsaina hoe teo izy ireo nandritra ny fisehon’ny tantara. Rehefa mamaky izy ireo dia afaka maka sary an-tsaina ireo zavatra jerena, ny feo ary ny fihetseham-po izay mety ho niainan’izy ireo.

Ity andinin-tsoratra masina manaraka ity dia ahitana ampahany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly sy ny fihetsik’ireo olona naheno azy. Misafidiana anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hovakina, ary saintsaino ny mety ho fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataony teo aminao raha toa ka teo ianao.

Asehoy amin’ireo mpianatra ity fampahalalana manaraka ity. Raha voafetra ny fotoam-pianarana dia mety hanampy ny fanamafisana fa tsy voatery hamaky ireo fijoroana ho vavolombelona rehetra miisa telo ireo ny mpianatra.

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Ny fihetsiky ny olona

Nofatorana tamin’ny rojo vy i Paoly taorian’ny nisamborana azy tao Jerosalema. Nahazo lalana hitafa amin’ny vahoaka izy raha nijoro teo ivelan’ny lapan’i Antonia.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:6–16

Asan’ny Aposoly 22:22–24

Nosamborina teo ivelan’ny tempolin’i Jerosalema i Paoly ary avy eo dia nentina teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy. Nohadihadian’ireo mpitarika Jiosy izy ary nogadraina avy eo. Henon’ilay Kapiteny Romana nisambotra an’i Paoly fa nisy teti-dratsy nataona andiana Jiosy hifofo ny ain’i Paoly, koa dia nalefany tany Kaisaria i Paoly. Tany Kaisaria dia nahazo lalana hiteny ho fiarovana ny tenany teo anatrehan’i Feliksa governora Romana i Paoly.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:10–16

Asan’ny Apostoly 24:22–27

Roa taona taorian’ny nigadrany tao an-tranomaizina, dia niseho teo anoloan’ny governora vaovao i Paoly ary nangataka fahafahana hitondra fijoroana ho vavolombelona teo anatrehan’i Kaisara. Nanao fandaminana ny mpanjaka Agripa mba hihaino ny fijoroan’i Paoly ho vavolombelon nialoha ny diany nankany Roma.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:1–3, 13–23

Asan’ny Apostoly 26:24–31

Rehefa vitan’ireo mpianatra ny iray amin’ireo zavatra nasaina novakinaetsy ambony, dia asao izy ireo hizara malalaka ireo zavatra tsapany manokana avy amin’ny fandalinana nataony mialoha ny sahanasa manaraka.

Soraty ao anaty diary fandalinanao ny zavatra nianaranao. Ataovy izay hampidirana ireto zavatra manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra manokana izay nisongadina taminao momba ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Inona no zavatra nanaitra anao momba an’i Paoly tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Nahoana ianao no mino fa nanam-pahasahiana sy hery hijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy i Paoly teo anatrehan’ireo toe-javatra sarotra toy ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananana na dia mety holavin’ny hafa aza izany?

Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia henoy tsara ireo fitsipika marina, ary soraty eny amin’ny solaitrabe izany. Ny fitsipika anankiray mety ho hita dia ny hoe ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mizara amim-pahasahiana ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Vakio ity teny nambara manaraka ity, ary saintsaino ny fomba ahafahan’izany manampy anao hanana herim-po hijoro ho vavolombelona tahaka an’i Paoly.

Teo am-panantitranterana fa ny fizarana amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia tsy voatery ho tonga lafatra ary mitaky fampiharana, ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Zarao amin’ny hafa, amin’izay mety ho fomba toa hitanao fa voajanahary sy tsotra, ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao. …

Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.

(Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra izay tena ao am-ponao,” Liahona, apr. 2019, 17)

Manaova tabilao misy tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao. Ao amin’ny tsanganana iray, dia saintsaino sy raketo ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao, tafiditra ao anatin’izany ny zavatra niainanao manokana ka nampatanjaka sy nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsaran’ IzyIreo. Ao amin’ilay tsanganana iray hafa kosa, dia raketo izay eritreritra sy fahatsapana mikasika ny fomba ahafahanao mizara izany fijoroana ho vavolombelona anananao izany amin’ny hafa eo amin’ny fiainanao andavanandro, tahaka ny nataon’i Paoly.

Mizarà (ary avelao ireo mpianatra hizara) fijoroana ho vavolombelona, eritreritra, fahatsapana ary hevitra ananana momba ny fanaovana fijoroana ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy voajanahary. Rehefa manao izany ianao, dia hamafiso ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Izany dia azo atao mialoha na aorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy fa Izy dia ohatra eo amin’ny ny fizarana fijoroana ho vavolombelona na inona na inona mety ho valiny na fihetsika asetrin’ny hafa izany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–26).

  • Mety hisalasala na hitebiteby ianao hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Ahoana no mety hanampian’izany anao hieritreritra ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy mikasika ireo ezaka ataonao eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Aiza no ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona ary ahoana no hanatanjahako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Nahoana no zava-dehibe ny fanehoana herim-po eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Ny hoe “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79 ] dia fitsapana tsotra sy manan-danja miantefa amin’ireo izay handova ireo fitahian’ny fanjakana selestialy sy ireo izay ho ao amin’ny fanjakana terestialy ambanimbany kokoa. …

Ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa dia fanampiana goavana iray mankany amin’ny fahamendrehana hahazo ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny fanjakana selestialy.

(Quentin L. Cook, “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa,” Liahona, nôv. 2016, 43)

Ahoana no ahafahako mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny fomba tsotra sy voajanahary?

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly tamin’i Joseph Smith

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly amin’ny alalan’ny famakiana ny zavatra tsapan’i Joseph Smith momba an’i Paoly araka ny nozarainy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:21–25 . Nahoana i Joseph no nahatsapa ho manana zavatra iombonana amin’i Paoly? Ahoana no fomba nentin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly nampatanjaka an’i Joseph? Amin’ny fomba ahoana no iantefan’ny zavatra niainan’i Paoly aminao amin’izao vaninandro izao? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly sy ireo zavatra niainany manampy anao?

Ampio ireo mpianatra haka sary an-tsaina

//media.ldscdn.org/webvtt/scripture-and-lesson-support/new-testament-presentations-cur/1996-06-21-lesson-38-paul-a-chosen-vessel-en.vtt

Fampifandraisana amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity herinandro ity dia manasongadina ny fahamarinana fa “ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mizara amim-pahasahiana ny fijoroana ho vavolombelona ananany” (jereo ny “31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023). Izany dia manasa ny rehetra handinika ireo fahafahana azo araraotina mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Anontanio ireo mpianatra raha nanao izany izy ireo ary asao ireo izay nanao izany hizara ny zavatra niainany. Raha toa ka tsy nanao izany ny mpianatra, dia ampahatsiahivo azy ireo fa hanana fahafahana hanaovana izany ao amin’ny fandalinany ny Avia, hanaraka Ahy izy ireo.