Seminera
Asan’ny Apostoly 9:10–31


Asan’ny Apostoly 9:10–31

“Fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako”

Sary
Christ commands Ananias to find Saul and give him sight so that he can preach of Christ.

Rehefa nangataka an’i Ananiasy hitady sy hitsodrano an’i Saoly ny Tompo tao anatin’ny fahitana, dia mbola nisalasala i Ananiasy noho ny fandrenesany “ny haben’ny ratsy nataon’i [Saoly] ” (Asan’ny Apostoly 9:13). Nampian’i Jesoa Kristy i Ananiasy hahita an’i Saoly araka ny fomba fahitany azy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita ny fahafahana hivoatra hitan’ny Tompo amin’ny hafa na dia eo aza ny fahalemen’izy ireo sy ny fahadisoany teo aloha.

Fampiharana fitsipika sy fotopampianarana ao an-dakilasy. Rehefa miasa amim-pinoana hampihatra ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ireo mpianatra dia hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ireo fahamarinana ireo ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 7:17). Mitadiava fotoana ahafahan’ny mpianatra manao fampiharana ao am-pianarana mba ahafahan’ny Fanahy Masina hitondra fahamarinana lalina kokoa ao am-pon’izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana ity: “Ahoana no mety hiovan’ny fifandraisako amin’ny fianakaviana na ny namako raha toa ka tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo no fahitako azy ireo?”

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo voafonja sy ny leoparda

Indray mandeha ny mpiambina fonja Amerikana iray izay niezaka mafy hanova ny toetran’ ireo olona tao amin’ny fonjany dia nilazana hoe: “Tokony ho fantatrao fa tsy manova ireo teboteboka eo amin’ ny volony ny leoparda!” (jereo Thomas S. Monson, “Mijery ny Hafa Araka Izay Mety ho Ahatongavany,” Liahona, nôv. 2012, 69).

  • Araka ny hevitrao, inona no tian’ity olona ity holazaina momba io fanamarihana io?

  • Efa nahita na niaina toe-javatra mitovy amin’izany ve ianao?

Namaly ilay mpiambina ny fonja hoe: “Tokony ho fantatrao fa tsy leoparda no hiarahako miasa. Miara-miasa amin’olona aho, ary miova isan’ Andro ny olona” (“Mijery ny Hafa Araka Izay Mety ho Ahatongavany,” 69).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mino fa afaka miova ny olona? Inona no mety manasarotra ny finoana izany?

Ao amin’ny lesona anio isika dia hampitaha ny fomba fijerin’ny olona an’i Saoly amin’ny fomba nahitan’ny Mpamonjy azy. Nanenjika mafy ireo lehilahy sy vehivavy mpanaradia an’i Jesoa Kristy i Saoly. Tadiavo ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny Mpamonjy momba ny fomba fijerinao ny tenanao sy ny hafa.

Namaly ny vavak’i Saoly i Jesoa Kristy

Niseho tamin’i Saoly ny Mpamonjy rehefa teny an-dalana ho any Damaskosy izy hisambotra ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy. Nahatonga an’i Saoly ho jamba ilay zava-nitranga. Tsy nihinana sady tsy nisotro nandritra ny telo andro izy, ary nivavaka tamin’ Andriamanitra mba hahazoana fanampiana (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:1–9, 11).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:10–12 , ka tadiavo ny fomba namalian’ Andriamanitra ny vavak’i Saoly.

  • Inona no tsikaritrao tao amin’ireo andininy izay toa manan-danja aminao ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no naniraka olona hanampy an’i Saoly Andriamanitra fa tsy nanala fotsiny ny fahajamban’i Saoly?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:13–15 hahitana ny fomba tsy itovizan’ny fomba fijerin’i Ananiasy sy ny Tompo an’i Saoly. (Zava-dehibe ny mahafantatra fa marina ny zavatra ren’i Ananiasy momba an’i Saoly [jereo ny Asan’ny Apostoly 8:3 ; 9:1–2 ].)

Manaova sary tsotra iray hanehoana an’i Saoly ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty eo amin’ny ilany iray amin’ilay sary nataonao ny andian-teny mamintina ny mety ho fiheveran’i Ananiasy sy ny olon-kafa an’i Saoly tamin’ny androny. Eo ankilany, manorata andian-teny iray mamintina ny fomba fijerin’ny Tompo azy.

Natoky ny fomba fijerin’ny Tompo an’i Saoly i Ananiasy. Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:17–20 mba hahitana ny zavatra izay niseho manaraka.

Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary “Ny lalana mankany Damaskosy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 1:55 ka hatramin’ny 5:21.

Ajanony kely ilay horonan-tsary rehefa eo amin’ny mari-potoana 4:14. Anontanio ny mpianatra hoe inona araka ny eritreriny no nanampian’ny Tompo an’i Ananiasy mba ho hitany. Mety ho tsapan’ny mpianatra fa sady nanokatra ny mason’i Saoly ny Tompo no nanampy an’i Ananiasy hahita an’i Saoly tamin’ny fomba vaovao sy tsara ihany koa.

Azo atao koa ny manasa ny mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 26:16–18 mba hahitana fa naniry ny handefa an’i Saoly ho any amin’ny olona hafa ny Tompo mba hampahiratana ny mason’izy ireo sy hitarihana azy ireo any amin’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra hizara ny sarin’i Saoly ary hampitaha ny andian-teny namaritan’izy ireo azy.

  • Araka ny hevitrao, inona no zava-dehibe amin’ny fomba fijerin’i Jesoa momba an’i Saoly? Nahoana?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity tantara ity?

Mety hahita fitsipika maromaro ny mpianatra, anisan’izany ny hoe mahita antsika araka izay mety hahatongavantsika ny Tompo; I Jesoa Kristy dia manampy antsika hahita ny hafa amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay;ary mamindra fo ny Tompo ary mamela antsika hiova sy hanaraka Azy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika resahin’ny mpianatra ary ifanakalozy hevitra avy eo ny momba ny antony maha zava-dehibe ireo fitsipika ireo ho azy ireo.

Afaka manampy antsika hahita ny hafa amin’ny alalan’ny masony i Jesoa Kristy

Makà iray minitra hieritreretana ny fomba fijerinao ireo olona ifaneraseranao matetika. Jereo ny lisitry ny olona etsy ambany, ary mampiasà teny roa hilazalazana ny fomba fijerinao ny tsirairay.

Ray aman-dreny

Mpiray tampo

Mpampianatra

Namana iray

Ny tenanao

Ny soratra masina hafa sy ireo tenin’ny mpaminany dia afaka hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ny olona tsirairay. Vakio ny 1 Samoela 16:7 , Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13 , ary ity teny manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

“Tongava amin’ny maha ianareo anareo,” hoy ny Ray be fitiavana amintsika tsirairay, kanefa nampiany hoe: “Fa aza manao drafitra ny hijanona amin’ny maha ianareo anareo fotsiny.” Mitsiky isika sady mahatsiaro fa Andriamanitra dia vonona hanao izay hahatonga antsika ho mihoatra izay noeritreretintsika fa mety hahatongavantsika.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo hira hay hiraina sy hira tsy vita ny mihira azy,” Liahona, mey 2017, 51)

Miainga avy amin’ny zavatra nianaranao, miverena any amin’ny lisitr’ireo olona ary izao dia mampiasà teny roa mba hamaritana azy ireo tsirairay amin’ny fomba mety hahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo.

  • Inona no tokony hataonao mba hahitana bebe kokoa ny olona toy ny fahitan’i Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo?

  • Nahoana no mety ho sarotra ny mahita ny hafa tsy tapaka amin’ny fomba fahitan’ny Mpamonjy azy ireo?

  • Nahoana no ilaina ny miezaka mahita ny hafa toy izany?

Na dia niova aza ny olona rehefa nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy dia sarotra indraindray ny mino fa tena niova tokoa izy ireo. Sarotra amin’ny olona sasany ny mino fa niala tamin’ny fanenjehana ny Kristiana i Saoly ka lasa mpianatr’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:20–22, 26–27 , ka tadiavo ny fihetsiky ny olona manoloana an’i Saoly rehefa lasa nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy.

  • Inona no tsikaritrao tamin’ny fihetsiky ny olona?

  • Inona no ianaranao avy amin’i Barnabasy ao amin’io ohatra io?

Raketo an-tsoratra ny zavatra tianao hatao na ho tadidinao tamin’ny fianaranao androany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny zavatra hataonao mba hahitanao tsara kokoa ny hafa tahaka ny fahitan’ny Tompo azy ireo.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahefan’i Jesoa Kristy manampy antsika sy ny hafa hiova. Asao ny mpianatra hahita ny tenany sy ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjy antsika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 9:15–17 . Ahoana no ahafahan’ny fahitana ny tenantsika sy ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra antsika mampitombo ny fanetrentenantsika?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity tantara manaraka ity mba hanampiana amin’ny famaliana ity fanontaniana ity:

Sary
Official portrait of Elder Dale G. Renlund of the Quorum of the Twelve Apostles, January 2016.

Taona maromaro lasa izay dia nantsoina hanao asa fitoriana ny zatovolahy mahafinaritra iray antsoina hoe Curtis. Izy ilay karazana misiônera irin’ny filohan’ny misiôna rehetra. Nifantoka izy sady niasa mafy. Nisy fotoana iray nanomezana azy namana mpiara-mitory iray izay tsy matotra, tsy dia havanana tamin’ny fifandraisana aman’olona, ary tsy dia nafana fo tamin’ny famitana ny asa.

Indray andro raha nitaingina ny bisikiletany izy ireo, dia nitodika tany aoriana i Curtis ka nahita fa nidina avy eo amin’ny bisikiletany, tsy hay hoe nahoana, ilay namany, ka nandeha an-tongotra. Nitaraina tao an-tsainy tamin’ Andriamanitra i Curtis. Tena sarotra ilay niara-niasa tamin’ny namana iray nila fampaherezana lava izao tamin’ny famitana izay zavatra rehetra natao. Fotoana fohy taorian’izay dia nanana fahatsapana lalina i Curtis, toy ny nilaza taminy Andriamanitra hoe: “Hitanao ry Curtis! Amiko dia tsy misy fahasamihafana be loatra eo aminareo roalahy.”

(Dale G. Renlund, “Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany,” Liahona, mey 2015, 58)

Asan’ny Apostoly 9:26–27 . Ahoana no ahafahako manampy ny olona iray izay te hiova?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Avelao ny olona hibebaka. Avelao ny olona hivoatra. Minoa fa ny olona dia afaka miova sy mihatsara. Izany ve no finoana? Eny! Izany ve no fanantenana? Eny! Izany ve no fiantrana? Eny! Ambonin’ny zava-drehetra, dia ny fiantrana, ny fitiavana madion’i Kristy. Raha misy zavatra nalevina tany aloha, aleo izany hilevina. Aza miverin-dalana miaraka amin’ny siny kelinao fasiana fasika sy ny angadinao eny amoron-dranomasina mba hangady izany, hanetsiketsika azy, ary avy eo hanipy azy amin’ny olona iray, ary hiteny hoe: “He! Tsaroanao ve izao?” Tatazo ary!

Vinavinao anie e! Inoana fa hiafara amin’ny fangadiana ilay potipotiny maloto avy ao amin’ny fanarianao fako izany miaraka amin’ny valinteny hoe: “Eny, tadidiko izany. Tadidinao ve izao?” Tatazo ary.

Ary tsy ela dia mivoaka avy tao anatin’izany fifanakalozana izany avokoa ny olona rehetra maloto sy feno fotaka ary tsy faly sy maratra, nefa ny zavatra angatahin’ny Raintsika any an-danitra dia ny fahadiovana sy ny hatsaram-panahy ary ny fahasambarana sy ny fahasitranana.

Ny fifantohana amin’ny fiainana taloha, anatin’izany ny fahadisoana taloha, dia tsy mety! Tsy izany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

(Jeffrey R. Holland, “The Best Is Yet to Be,” Ensign, Jan. 2010, 26–27)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ireo teny ampiasaintsika mba hamaritana ny tenantsika

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fohifohy ny fihaonany voalohany amin’ny olona iray. Angataho izy ireo hieritreritra teny roa mety hampiasain’io olona io hilazalazana ny momba azy ireo. Avy eo dia angataho ny mpianatra hieritreritra ireo teny izay mety ho ampiasain’ny olona mahafantatra tsara azy ireo, ary i Jesoa Kristy amin’ny farany. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana ity: Mety ho hafa manao ahoana izao tontolo izao raha toa ka toy ny fomba fahitan’ny Mpamonjy no fahitantsika antsika samy isika?