Seminera
Asan’ny Apostoly 6–7


Asan’ny Apostoly 6–7

Nanompo tahaka an’i Kristy i Stefana

Sary
Young man and young woman helping an elderly woman with her groceries.

Ampahany lehibe amin’ny maha-Kristiana ny fiahiana ny mahantra sy ireo hafa izay mila fanampiana. Rehefa tsy nisy niraharaha ireo mpitondratena dia nifidy an’i Stefana sy olona enina hafa ireo Apôstôly mba hikarakara izay nilain’izy ireo. Nampalahelo anefa fa na dia nanao fahagagana lehibe tamin’ny herin’ Andriamanitra aza i Stefana, dia nitora-bato azy ny Jiosy noho ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao mitahy ny hafa amin’ny alalan’ny fiezahana hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ho tonga tahaka Azy Ireo ary hijoro ho vavolombelona momba Azy Ireo.

Ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampio ny mpianatra hamantatra ireo toetra sy fihetsika ary fitondran-tena tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny soratra masina. Ampio izy ireo hahita fa manampy azy ireo ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa ny fikolokoloana ireo toetra sy fihetsika ireo ary ny fampiharana izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny tanjon’izy ireo ao amin’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary handinika ny fomba hahatongavan’izy ireo tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Sahanasa fianarana azo atao

Hazavao fohifohy ny dikan’ny hoe filankevitry ny paroasy ary tanisao ny sasany amin’ireo mpikambana ao amin’ilay filankevitra (eveka, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Zatovovavy, filohan’ny Kilonga, mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy, sy ny sisa). Zarao ho filankevitry ny paroasy iray na maromaro ny iray kilasy (arakaraka ny isan’ny mpianatra), ary omeo antso manokana ny mpianatra tsirairay. Omeo ity toe-javatra manaraka ity ny filankevitra tsirairay ary asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra azony atao mba hanampiana. Mety hanampy ny famintinana ilay toe-javatra eny amin’ny solaitrabe.

Ny filankevitry ny paroasy dia vondrona mpikambana manana antso (eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, filohan’ny Zatovovavy, filohan’ny Kilonga, sy ny sisa) izay miara-mivory tsy tapaka mba handraisana an-tanana ireo toe-javatra sy olana samihafa ao amin’ny paroasiny. Alaivo sary an-tsaina ny fisian’ny toe-javatra toy izao manaraka izao ao amin’ny paroasy na sampana misy anao: Manana zanaka lahy 16 taona sy zanaka vavy 7 taona ary zaza 6 volana ny reny tokantena iray antsoina hoe Lalao. Hodidiana i Lalao amin’ity herinandro ity ary dimy andro izy no ho any amin’ny hopitaly. Ahoana no ahafahan’ireo mpikambana samihafa ao amin’ny filankevitry ny paroasy manampy io fianakaviana io?

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara ny fomba mety ahafahan’ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny filankevitry ny paroasy manampy ao amin’io toe-javatra io.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny filankevitry ny paroasy, na ireo fikambanana hafa mitovy aminy?

  • Inona no mety ho tsapan’ireo izay mahazo fanampiana avy amin’ny filankevitry ny paroasy na ny vondrona mitovitovy amin’izany?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:1 , ka tadiavo ny olana natrehan’ny Fiangonana tany am-boalohany.

Noho ny isan’ireo mpitondratena izay sahirana na nila fanampiana tao amin’ny Fiangonana, dia nandany betsaka ny fotoany tamin’ny fanampiana azy ireo ny Roambinifololahy ka tsy afaka nanokana ny fotoanany hitoriana ny filazantsara araka ny fomba nangatahin’ny Mpamonjy azy ireo.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:2–8 ary tadiavo ny vahaolana nomen’ny Roambinifololahy.

  • Inona no mampitovy ireo antso ao amin’ny Fiangonana sy ny filankevitry ny paroasy ankehitriny amin’ny vahaolana nomen’ireo Apôstôly tany am-boalohany?

  • Rehefa mamaky momba ireo lehilahy fito izay voafidy hanampy ny Apôstôly ianao dia inona no toetra tahaka ny an’i Kristy tsikaritrao fa nananan’izy ireo?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny tsirairay amin’ireo toetra ireo manampy ny olona iray hanompo sy hitahy ireo hafa izay sahirana?

Ny fahamarinana iray azontsika fantarina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe: Rehefa mikolokolo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika dia afaka manompo sy mitahy tsaratsara kokoa ny sahirana.

  • Inona avy ireo toetra fanampiny ananan’i Jesoa Kristy ka manampy Azy hanompo ireo sahirana?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba nitomboanao tsara tamin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo. Moa ve misy amin’ireo toetra ireo mifandray amin’ny tanjonao manokana ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo? Raha izany no izy dia makà fotoana hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny hoe manao ahoana ny fandrosoanao amin’ny fikolokoloana izany toetra izany. Raha tsy izany dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny drafitrao amin’ny fikolokoloana izany toetra tahaka ny an’i Kristy izany mba hahafahanao manompo sy mitahy tsara kokoa sy mitahy ny sahirana.

Ny fijoroana ho vavolombelon’i Stefana sy ny namonoana azy ho martiora

Nanoratra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Tsy mora ny fahatongavan’ny zavatra lehibe; mifanehatra amin’ny fanoherana lehibe ny tranga manan-danja manova izao tontolo izao.

(Bruce R. McConkie, “Once or Twice in a Thousand Years,” Ensign, Nôv. 1975, 18)

Mihatra amin’i Stefana ny tenin’ny Loholona McConkie. Na dia “nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka [i Stefana] … ny sasany, izay avy amin’ny synagoga … niady hevitra [taminy]” ( Asan’ny Apostoly 6:8–9). Nentina teo anatrehan’ny filankevitry ny Jiosy i Stefana, ary nisy vavolombelona mpandainga nentina niampanga azy.

Rehefa nijoro teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy i Stefana, dia notantarainy ny nanoheran’ny Jiosy ny Fanahy Masina nandritra ny taranaka maro sy ny nandàvana ary ny namonoana ireo mpaminany izay nirahin’ Andriamanitra teo anivon’’izy ireo. Nijoro ho vavolombelona i Stefana avy eo fa nitohy hatramin’’io andro io ireo fihetsika feno fikomiana ireo, satria novonoin’ny olona mihitsy i Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:51–52).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:54–60 , ka tadiavo ny zavatra nataon’i Stefana na dia teo aza ny hatezerana sy fanoherana toy izany.

Tandremo fa mety hanohina ny mpianatra sasany ny fanehoana an’i Stefana notoraham-bato.

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity.

Sary
This painting depicts the stonong of Stephen as described in Acts 7:54-60. From a reclining position Stephen acknowledges through gesture the presence of the Father and the Son who stand in white at the top of the painting in the opened heavens. Those stoning Stephen do so with hatred and gross violence. Saul holds the garments of two of them. Two priests with indifferent looks stand to the right. The painting is signed, “Walter Rane.”
  • Inona no nisongadina taminao tamin’ny tantaran’i Stefana novonoina ho maritiora?

Mety hizara valin-teny isan-karazany ireo mpianatra. Saintsaino amim-bavaka hoe fanontaniana famelabelarana inona no mety hanampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra, toy izao manaraka izao:

  • Ahoana no nitahiana an’i Stefana na dia novonoina aza izy? Nahoana araka ny eritreritrao no nahazo ny fahitana izay nananany izy?

  • Inona no ampianarin’ny fahitan’i Stefana antsika momba ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Malalany?

  • Inona no nitovian’i Stefana tamin’i Jesoa Kristy, na dia tao anatin’ny fanoherana mafy toy izany aza?

Araka ny asehon’ny tantara momba ny namonoana an’i Stefana ho maritiora, ny olona sy ny tanjona tsara dia matetika tojo “fanoherana lehibe.”

  • Ahoana no nahitanao izany teo amin’ny fiainanao?

Tahaka an’i Stefana, rehefa misafidy ny hizara ny zavatra inoanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ianao dia mety hiaina fanoherana na fanenjehana mihitsy aza.Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Milaza amin’ny rehetra aho, indrindra amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herim-po no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.

(Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mendrika hijoroana ho vavolombelona sy harovana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao rehefa miatrika fanenjehana noho ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiarovana Azy Ireo ianao?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahanao misafidy ny hijoro ho vavolombelona sy hiaro ny Rainao any An-danitra sy ny Zanaka Malalany mandritra ity herinandro ho avy ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 6:1–6 . Iza no voantso hanampy ny Apôstôly amin’ireo raharaha ara-batana ankehitriny?

Tahaka ny niantsoan’ny Tompo lehilahy fito mendrika mba hanampy ny Roambinifololahy tamin’ny fanomezana ny zavatra nilain’ny Fiangonana teo amin’ny ara-batana araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly mihitsy no niantsoan’ny Tompo ny Episkôpà Mpiahy mba hanampy ny Roambinifololahy amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ny Fiangonana eo amin’ny ara-batana amin’izao ankehitriny izao. Ny Eveka Mpiahy sy ireo mpanolotsainy roa dia manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fitantanana ireo raharaha ara-batan’ny Fiangonana. Ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia ampahany tena manan-danja ao anatin’io fandaharanasa io ary manome fanampiana tsy maharitra ho fitsinjovana ny aina ho an’ireo mahantra manerana izao tontolo izao.

Hiatrika fanenjehana ve aho na tsy maintsy hiaro ny finoako?

Jereo ny horonan-tsary “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo amin’ny maha-mpianatr’i Kristy” (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) manomboka amin’ny mari-potoana 1:01 ka hatramin’ny 2:31, na vakio ny teny nambara etsy ambany.

//media.ldscdn.org/webvtt/general-conference/april-2014-general-conference/2014-04-1020-elder-jeffrey-r-holland-en.vtt

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ohatra momba ny olona iray nenjehina raha niezaka ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Vao haingana no nisy rahavavy misiônera iray nanoratra taty amiko hoe: “Nahita lehilahy iray nipetraka sy nisakafo teo amin’ny dabilio teo amin’ny lapan’ny tanàna izaho sy ny rahavavy mpiara-miasa tamiko. Rehefa nanatona azy izahay, dia nitraka izy ka nahita ny soratra famantarana ny misiônera teny aminay. Nahatsiravina ny fijeriny, ary nitsangana izy sady nanainga ny tanany handeha hamely ahy. Nahay niala aho, saingy naloany teny amiko indray ny sakafony sady nanomboka nanompa anay tamin’ny teny ratsy faran’izay mahatsiravina izy. Niala teo izahay ary tsy niteny na inona na inona. Niezaka namafa ny sakafo teny amin’ny tarehiko aho, kanjo nisy vaingan’ovy voapotsitra namely ahy indray avy tao amin’ny hatoka. Indraindray dia tena sarotra ny manao asa fitoriana satria tamin’izay fotoana izay aho dia naniry ny hiverin-dalana, sy hisambotra ilay rangahy kely ka hiteny hoe: -AZAFADY KELY HOE!- Saingy tsy nanao izany aho.”

Ho an’io misiônera feno fanoloran-tena io, dia izao no lazaiko, ry zanako malala, ianao dia efa niditra tamim-panetrentena ho isan’ny vondrona iray izay ahitana vehivavy sy lehilahy tena miavaka izay voalazan’ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “ni[banjina ny fahafatesan’i Kristy] sy [n]iaritra ny hazofijaliany ary [nizaka] ny henatr’izao tontolo izao” [Jakôba 1:8].

(Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6)

Sahanasa fianarana fanampiny

Misy olona telo miavaka tsara ao amin’ Ny Andriamanitra

Rehefa avy mamaky momba ny fahitan’i Stefana ny mpianatra dia anontanio azy ireo ny zavatra ampianarin’izany mikasika Ny Andriamanitra. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia olona telo miavaka tsara. Afaka mijery ny fanazavana mitondra ny lohateny hoe “Ny Andriamanitra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary mitady andinin-tsoratra masina mifandray izay mety afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa io fotopampianarana io ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao koa ny manoratra ao amin’ny diary fandalinany ny fomba hamaliany ny olona iray izay milaza fa Olona iray ihany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.