Seminera
2 Korintiana 8–9


2 Korintiana 8–9

Fikarakarana ny mahantra

Sary
Two young men standing on a door step collecting fast offerings from an elderly woman.

Miahy lalina ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra i Jesoa Kristy ary manasa antsika Izy mba hiaraka Aminy hanampy ny mahantra sy ny sahirana. I Paoly dia nanasa ny Olomasina Korintiana hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fahafoizana ny fananany hikarakarana ny mahantra. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fizarana izay anananao amin’ireo sahirana.

Mamorona tontolo hahazoana mianatra milamina tsara. Miezaha manala ireo fandrebirebena mety hanelingelina ny fandalinana sy ny fisaintsainana ny soratra masina. Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “mora kokoa ny fahatongavan’ny fitaomam-panahy amin’ny toerana milamina” ary “mitondra fanambarana ny fanehoam-panajana” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, nôv. 1991, 21–22).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hijery ireo singa voatanisa ao amin’ny taratasy handoavana ny Fahafolonkarena sy Fanatitra hafa ary hiomana hizara ny hevitry ny andalana misy ireo singa samihafa. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mametraka izay mety ho fanontaniana manitikitika azy momba io taratasy hofenoina io.

Sahanasa fianarana azo atao

Olana lehibe

Asehoy ity teny tsy feno manaraka ity ary asao ny mpianatra hizara ny olana izay azo soratana eo amin’ny banga. Derao ireo mpianatra amin’ny valin-teny omeny na dia tsy izy ireo aza no nampiasain’ny Loholona Holland ato amin’ity fanambarana ity.

Niresaka mombana olana lehibe iray ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eritrereto ny olana vitsivitsy azo amenozna araka ny tokony ho izy ny banga amin’ity teny notsoingaina manaraka ity.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tao anatin’ny tantara rehetra hatrizay ka hatramin’izao dia ____________ no anisan’ny olana lehibe sy mihanaka indrindra atrehin’ny olombelona. Ny olana aterany hita mazava dia mazàna ara-batana, kanefa mety handrendrika bebe kokoa aza ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pihetsehampo entiny.

(Jeffrey R. Holland, “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?Liahona, nôv. 2014, 40)

Ny olana noresahin’ny Loholona Holland dia ny “fahantrana,” izany hoe ny fananana kely na ny tsy fananana vola mihitsy, zavatra, na fahafahana hoenti-manohana ny fiainana. Ny teny hoe fahantrana dia mety ilazana koa ny tsy fahampian’ny zavatra ilaintsika amin’ny lafiny maro amin’ny fiainantsika, ao anatin’izany ny lafiny ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-piarahamonina, na ara-panahy.

  • Inona avy ireo olana sasany atrehin’ireo olona izay tsy dia manana firy raha oharina amin’ny olon-kafa?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo olana ara-pihetseham-po sy ara-panahy ary koa ara-batana ireo amin’ny olona iray?

Eo am-pandalinanao anio, dia henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana izay mety halefan’ny Ray any An-danitra aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba ahafahany mampiasa anao hanampy ny olona sahirana hafa.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 8:1–8 , dia nanasa ny Olomasina Korintiana ny Apôstôly Paoly hanaraka ny ohatra nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Makedonia izay nanome tamim-pahalalahan-tanana hikarakarana ny mahantra. Avy eo izy dia nanoratra fampianarana manan-danja maro momba ny fikarakarana ny mahantra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

I Paoly dia nizara ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hamporisihana antsika hanome izay ilain’ny hafa amin’ny fitiavana amin-kitsim-po.

Vakio ny 2 Korintiana 8:9 , ka tadiavo ny ohatra tsy mitaky tambiny nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny zavatra nomeny antsika.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoratra izy fa tonga nahantra i Jesoa mba hampanan-karena antsika?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny epistilin’i Paoly ny hoe rehefa takatsika ny zava-drehetra nataon’ny Mpamonjy ho antsika dia hazoto kokoa isika hanome ny hafa.

Ampianarina ao anatin’ny soratra masina, anisan’izany ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny maha-zava-dehibe ny fikarakarana ireo sahirana. Vakio ireto fampianaran’i Paoly manaraka ireto, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’ny Bokin’i Môrmôna, ka tadiavo ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fikarakarana ny hafa. Hevero ny hampifandray ireo andinin-tsoratra masina.

Mety ho fotoana tsara izany hampahatsiahivana ny mpianatra ny fahaiza-mandalina ny soratra masina amin’ny fampifandraisana andinin-tsoratra masina.

Asao ny mpianatra handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ao anatin’ny vondrona kely, ka handalina fizarana samy hafa ny mpianatra tsirairay ary hanao tatitra amin’ilay vondrona momba ny zavatra nianarany.

  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Tompo hataontsika anio mba hiainana ny zavatra ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina tsirairay ireo?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny fahalalahan-tanan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanova antsika.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Isika tsirairay dia nahazo fanomezam-pahasoavana izay tsy azontsika amin’ny tenantsika samirery, dia ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Raintsika any An-danitra, anisan’izany ny fanavotana amin’ny alalan’ny sorona manavotr’i Jesoa Kristy. Nahazo fiainana isika teto amin’ity izao tontolo izao ity; hahazo fiainana isika aorian’izany, ary famonjena mandrakizay sy fisandratana, raha toa ka misafidy ny hahazo izany. Izany rehetra izany dia noho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Isaky ny mampiasa ireny fanomezana ireny isika, na mahazo tombontsoa avy amin’ireny, na koa mieritreritra azy ireny fotsiny, dia tokony hosaintsainintsika ny sorona, ny fahalalahan-tanana, ary ny indrafon’ireo mpanome azy ireny. Ny fanajana lalina ireo mpanome dia mitondra zavatra mihoatra noho ny hoe mahatonga antsika ho be fankasitrahana fotsiny. Afaka manova antsika ary tokony hanova antsika ny fisaintsainana momba ireo fanomezana avy amin’Izy Ireo.

(Dale G. Renlund, “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 42)

  • Ahoana no ahafahan’ny fisaintsainana ny fahalalahan-tanan’i Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manova antsika?

Mikarakara ny mahantra amin’izao androntsika izao

Ny Filoha Russell M. Nelson dia namaritra ny roa amin’ireo fomba maro ampiasan’ny Mpamonjy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny mba hikarakarana ny mahantra maneran-tany amin’izao androntsika izao. Vakio ity teny manaraka ity na azonao atao ny mijery ny “Ny didy lehibe faharoa” (mari-potoana 6:15 ka hatramin’ny 8:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Nanolotra vola roa lavitrisa dôlara mahery ny Sampana fiantrana olona ao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hoentina hanampiana ireo olona mila fanampiana manerana izao tontolo izao. Io fanampiana io dia atolotra an’ireo olona izay tokony hotolorana izany tsy an-kijery izay fiangonany, na ny zom-pireneny, na ny firazanany, na ny fironany amin’ny lehilahy na amin’ny vehivavy, na ny maha-hoe lehilahy na vehivavy na zavatra hafa ankoatra izay azy, na ny hevitra ara-pôlitika tohanany.

Tsy izay fotsiny ihany. Mba hanampiana ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo ao anatin’ny fahasahiranana lalina, dia tiantsika sy iainantsika ilay lalàn’ny fifadian-kanina efa hatry ny ela [jereo ny Isaia 58:3–12 ]. Miaritra hanoanana isika mba hanampiana ireo izay noana. Indray mandeha isam-bolana dia tsy mihinan-kanina isika ary manome ny vidin’ilay sakafo (sy mihoatra izany) mba hanampiana ireo sahirana.

(Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 97–98)

Hevero ny hampiseho ny horonan-tsary ohatra ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona momba ny tetikasa izay nataon’i Jesoa Kristy izay hahatanteraka azy tamin’ny alalan’ny fanomezana ho an’ny Fiangonany.

Hevero koa ny hampahafantatra ireo mpianatra ny tranonkala latterdaysaintcharities.org ary ny hanomezana fotoana azy ireo handinika izany mandritra ny minitra vitsivitsy ao an-dakilasy.

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra tamin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

  • Ahoana no hanazavanao ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny olona iray izay mbola tsy mahalala tsara momba izany?

Hevero ny hampiseho taratasy fandoavana ny Fahafolonkarena sy Fanatitra hafa ary asao ireo mpianatra izay nahavita ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra mba hizara ireo fomba hafa amatsian’ ny Mpamonjy ny mahantra amin’ny alalan’ny fanomezana ara-bola ataontsika.

Alohan’ny hizaran’ny mpianatra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia hamafiso fa tsy ny fanomezana ara-bola foana ihany no atao hoe fikarakarana ny mahantra.

  • Ankoatra ny fanomezana ara-bola atolotra ny Fiangonana, inona ireo fomba hafa ahafahantsika manampy ny Tompo hikarakarana ireo sahirana? Iza no olona naneho ohatra tsara taminao tamin’ny fiainana ity fitsipika ity?

Inona no tian’Andriamanitra hataonao?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ilaintsika ny mangataka fitarihana amin’ Andriamanitra mba hanampiana ireo manodidina antsika.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tsy fantatro mazava tsara hoe ahoana no fomba tokony hanatanterahan’ny tsirairay aminareo ny adidinareo amin’ireo izay tsy manampy na tsy afaka manampy ny tenany. Kanefa fantatro fa mahafantatra izany Andriamanitra, ary hanampy sy hitarika anareo Izy amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika.

(Jeffrey R. Holland, “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?,” Liahona, nôv. 2014, 41)

Hevero ny hizara tantara manokana momba ny fomba nampiasan’ Andriamanitra ny zanany mba hanompo ireo sahirana.

Manaova drafitra hampiharana ny eritreritra sy fahatsapana izay mety ho azonao androany mba hanampiana ireo manodidina anao. Raha mbola tsy azonao antoka hoe iza ilay olona tian’ny Ray any An-danitra hampianao na ny fomba hanampiana azy ireo, dia mivavaha mba hahazo fitarihana ary mitadiava fotoana hanompoana ireo manodidina anao, anisan’izany ny olona ao amin’ny fianakavianao. Hamaly ny vavaka ataonao amin’ny fombany manokana sy ny fotoany Andriamanitra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ampiasana ny fanomezana atolotra ny Fiangonan’ny Mpamonjy mba hanamaivanana ny fahantrana ankehitriny?

Tsidiho ny tranonkala latterdaysaintcharities.org raha te hamantatra ny valin’io fanontaniana io sy ny maro hafa.

Ahoana no ahafahako manampy ny manodidina ahy amin’ny fomba hafa ankoatra ny fanomezana vola?

Ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia nizara ny iray tamin’ireo hevitra maro:

Sary
Official portrait of Bonnie Lee Green Oscarson, Young Women general president, 2013. Sustained at the April 2013 general conference.

Ry zandry namako isany, afaka manome toky anareo aho fa hisy olona iray foana isaky ny fivoriana any am-piangonana atrehanareo izay irery, na manana olana dia mila namana, na mahatsapa ho tsy manana tsara ny toerany. Manana anjara biriky manan-danja entina ianareo isaky ny fivoriana na fiaraha-mientana, ary ny Tompo dia maniry ny hijerijerenareo ireo mpiara-miangona aminareo, dia avy eo manompo toy ny ho nanompoany.

(Bonnie L. Oscarson, “Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika,” Liahona, nôv. 2017, 26)

Nanazava ny toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

[Ny mpikamban’ny Fiangonana] dia natao hamahana ny noana, hampitafy ny mitanjaka, hanome izay ilain’ny mpitondratena, hamafa ny ranomason’ny kamboty, hampionona ny ory, na ato amin’ity fiangonana ity, na any amin’ny hafa, na tsy anisan’ny fiangonana mihitsy akory aza, fa na aiza na aiza misy azy ireo.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 426)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana

Manasà eveka iray na filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo an-toerana hizara amin’ny mpianatra ny fomba ampiasana ny vola azo avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izay an’ny Mpamonjy mba hitahiana ireo sahirana.

Ampisehoy ny fomba fanomezana vola

Asehoy ilay taratasy handoavana ny Fahafolonkarena sy Fanatitra hafa sy ny valopy ary manasà mpianatra iray hanazava ny toerana hahitana ireo taratasy kely, ny fomba hamenoana azy ireo ary ny olona homena ny fanomezana. Hevero ihany koa ny hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba fanomezana an-jotra ao amin’ny donations.ChurchofJesusChrist.org.

Ampahany amin’ny asa famonjena sy fisandratana ny fikarakarana ireo sahirana

Jereo ny fizarana 1.2.2 ao amin’ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, ary ifanakalozy hevitra hoe nahoana no anisan’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fikarakarana ireo sahirana. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Nahoana araka ny eritreritrao no mila mikarakara ireo sahirana isika raha te ho voavonjy sy hahazo fisandratana? Manampy amin’ny fanalana ireo sakana amin’ny fivoarany ara-panahy amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao ny fikarakarana ireo sahirana?”