Seminera
2 Korintiana 8–13


2 Korintiana 8–13

Topimaso ankapobeny

I Paoly dia nanasa ny Olomasina Korintiana hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fahafoizana ny fananany hikarakarana ny mahantra. Nizara ny sasany tamin’ireo fijaliana nosedrainy i Paoly ary ny fomba nahafahany nahita fifaliana tao anatin’ireo zavatra izay niainana ireo tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy. Rehefa lasa nitsikera azy ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto, dia novaliany tamin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba handinika ny fifandraisany manokana amin’i Kristy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Korintiana 8–9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaraka ny ohatra izay nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra ananana amin’ireo izay mila izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery ireo zavatra izay voatanisa eo amin’ny taratasy hofenoina ho an’ny Fahafolonkarena sy fanatitra hafa ka hiomana hizara ny dikan’ireo zavatra voatanisa isan-karazany ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mametraka izay mety ho fanontaniana manitikitika azy momba io taratasy hofenoina io.

  • Votoatin-javatra haseho: Ny lahateny izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland momba ny teny banga sy ny taratasy hofenoina ho an’ny Fahafolonkarena sy fanatitra hafa

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny eveka na ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo an-toerana mba hizara amin’ireo mpianatra ny fomba hampiasana ny vola fanatitra ho an’ny fifadian-kanina mba hitahiana ireo izay mila izany.

2 Korintiana 11–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hiantehitra amin’ny Tompo rehefa miezaka ny hiaritra amim-pahatokiana ireo fanamby atrehany manokana izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny antony ahatsapany fa tsy marina ity fehezan-teny manaraka ity: “Raha toa ka mivavaka amim-pinoana ampy an’i Jesoa Kristy isika dia hanaisotra ny fitsapana rehetra izay lalovantsika ny Ray any An-danitra.”

  • Zavatra na sary aseho: Tsilo na sary tsilo iray

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nandalina ny 2 Korintiana 12:8–10 ireo mpianatra, dia hevero ny hampiasa ilay hevitra izay mitondra ny lohateny hoe “Finoana ny tsy ho sitrana” ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”. Hevero ny hitady ilay lahatsoratra hoe “Accepter la volonté et le calendrier du Seigneur” (Ensign, août. 2016, 29–35) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org sy hizara ny efijery mba hahafahan’ireo mpianatra mandray anjara amin’ny famakiana ilay tantara.

2 Korintiana 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba handinika ny fahatokian’izy ireo amin’ny Tompo sy handresy ny fakam-panahy mitsikera ireo mpanompony.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa mandre olona manaratsy ny Fiangonan’ny Mpamonjy na ny mpanompony.

  • Votoatin-javatra aseho: Ny teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring miaraka amin’ireo fanontaniana ho an’ny mpianatra mba hosaintsainina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hahafahana manome fotoana ireo mpianatra handalinana tantara ao amin’ny soratra masina bebe kokoa, dia hevero ny hizarana azy ireo anaty vondrona kely sy hametraka azy ireo anaty salles de discussion. Asao izy ireo mba handalina ny iray na mihoatra amin’ireo tantara izay mamariparitra ny voka-dratsy izay ateraky ny fitsikerana ireo mpanompon’ny Tompo. Ny vondrona tsirairay dia afaka misafidy mpitondrateny iray hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nianaran’izy ireo.

Tombano ny fianaranao 9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanombana ny tanjona napetrany sy ny fivoarana niainan’izy ireo manokana nandritra ny fandalinany ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fomba niezahany nampihatra ireo fitsipika izay nianarany tao amin’ny 1 Korintiana 8–16 sy ny 2 Korintiana.

  • Votoatin-javatra aseho: Fanontaniana momba ny drafitry ny tantaram-pianakavian’ny mpianatra (ho an’ny Sahanasa A)

  • Horonan-tsary: La bénédiction des Écritures” (3:03)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha toa ka tsy mahay ny fomba fampiasana ny FamilySearch.org na ny application FamilySearch ireo mpianatra, dia hevero ny hanome azy ireo fotoana hianarana izany ao an-dakilasy. Mety ho tsara mihitsy aza ny fanasana mpianatra iray izay mahay tsara ny fomba hampiasana ilay application mba ho tonga hianatra amim-pahavononana hizara ireo soso-kevitra sasantsasany nianarany. Azon’izy ireo atao ny mizara ny efijerin’ny telefaoniny na ny efijerin’ny solosainy mba hahafahan’ny mpianatra rehetra mahita ny zavatra izay ataon’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra handalina ny fahatakarany sy hanaovan’izy ireo fanazaran-tena manazava ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao ary hisafidy ny iray izay tiany hotakarina bebe kokoa amin’izy ireo.

  • Votoatin-javatra aseho: Sary efatra samy hafa ahitana an’i Jesoa Kristy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Amin’ny faran’ny lesona, dia azo asaina ireo mpianatra mba hikaroka andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana fanampiny izay mampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny andinin-tsoratra masina voafantina avy tao amin’ny Testamenta Vaovao. Hevero ny hizara ireo mpianatra ao anaty salles de discussion efatra, ary samy hikaroka andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ny fampianarana soratra masina samihafa avokoa ny vondrona tsirairay. Rehefa tafaverina miaraka ny iray kilasy, dia asao ny vondrona tsirairay mba hizara ny andinin-tsoratra masina hitany tao amin’ny bokin’ny soratra masina izay nomena azy ireo. Azo asaina ireo mpianatra mba hizara ny efijeriny hahafahan’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo mahita ny fomba nampiasany ireo fitaovana izay hita ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile.