Seminera
1 Korintiana 1–4


1 Korintiana 1–4

Jesoa Kristy: Fototra iorenantsika azo antoka

Sary
Temple of Apollo, Corinth, built about 600 B.C. This would have been one of the most imposing structures in Corinth in Paul’s day. Temples and shrines housing images of pagan deities were prevalent throughout the Greco-Roman world, and members of the Church in cities like Corinth would have encountered them daily. Paul noted that before the saints in Corinth had converted, they had been carried away unto these dumb [voiceless] idols, even as [they] were led (1 Cor. 12:2).

Saintsaino ny voka-dratsin’ny fifandirana, avonavona, fampianaran-diso ary ny fahalotoam-pitondrantena eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany tao Korinto dia niady mafy teo anatrehan’ireo fanamby ireo ihany koa. Raha nitory tany Efesosy nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony ny Apôstôly Paoly, dia nanoratra tamin’ireo Olomasina Korintiana izy mba hankahery sy hampahatsiahy azy ireo ny hiantehitra amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ireo fanamby misy eo amin’izao tontolo izao. 

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana marina. Mitadiava fahafahana hijoro ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana marina. Rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana marina iray ianao dia hanamafy ny fahamarinan’ilay fotopampianarana ao am-pon’ireo izay ampianarinao ny Fanahy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka olona ao amin’ny fianakaviana na namana iray hanazava ny fomba nanampian’ny fanorenany ny fiainany eo amin’i Jesoa Kristy hiatrika ireo fanamby samihafa eo amin’ny fiainana.

Sahanasa fianarana azo atao

Mijanona ho mahatoky amin’ny toe-javatra sarotra

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana akaiky anao iray mandefa izao hafatra manaraka izao ho anao avy any amin’ny tanàna hafa:

“Tena sarotra ny miaina anatin’ny fitaoman-dratsy manodidina anao eny rehetra eny. Betsaka ny olona eto no tsy mitandrina ny didy, ary mitsikera ny Fiangonana ny sasany amin’izy ireo. Mahalala olona hafa namoy ny fijoroana ho vavolombelona ananany aho izay niaina toe-javatra mitovy amin’izany ary tsy tiako izany hitranga amiko. Inona no torohevitrao?”

  • Inona no ho lazainao amin’ilay namanao?

  • Inona avy ireo fitaomana ratsy sy manimba tsikaritrao eo amin’ny toerana misy anao?

  • Ahoana no mahatonga ireo fitaomana ireo mampananosarotra ny fijanonana ho mahatoky amin’ny finoanao indraindray?

Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia eritrereto hoe hatraiza ny fahatokinao rehefa miatrika zava-tsarotra na fitaoman-dratsy eto amin’izao tontolo izao ianao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hamantarana ny fomba hanamafisana ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy, ary tadiavo ireo fahamarinana afaka manampy anao handresy ireo olanao.Nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony dia nitory ny filazantsara tany Korinto nandritra ny roa taona teo ho eo ny Apôstôly Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–18) ary nanangana sampan’ny Fiangonana tao izy. (Raha hitady ny tanànan’i Korinto dia jereo ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah.13, “ Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly .”) Ivon-toerana fivarotana manan-karena i Korinto ary renivohitry ny faritany Romana Akaia. Maro tamin’ny mponin’i Korinto no nanompo sampy sy naloto fitondran-tena. Nisy koa ireo izay nisaratsaraka sy nifanditra. Tao anatin’izany tontolo izany dia nanjary sarotra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana maro ny nijanona ho mahatoky tamin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Rehefa nanoratra ho an’ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba hanampiana azy ireo amin’ireo zava-tsarotra natrehan’izy ireo, dia niresaka momba ilay ffototra iorenana izay napetrany ho azy ireo izy.

Vakio ny 1 Korintiana 2:1–5 sy ny 1 Korintiana 3:10–11 , ka tadiavo ireo andian-teny izay mamariparitra io fototra fiorenana io.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manangana ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy?

Namporisika ireo zanany lahy hanangana ny fiorenany eo amin’i Jesoa Kristy ihany koa i Helamàna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Helamàna 5:12 , ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’i Helamàna.

  • Inona no azonao zaraina amin’ilay namanao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hanampy azy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo soratra masina ireo ny hoe rehefa manangana ny fiorenan’ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandresy ny fitaoman’i Satana sy ireo fanamby eto amin’izao tontolo izao.

  • Inona no fantatrao, na tsapanao, na inoanao momba ny Mpamonjy ka manampy anao haniry Azy ho fototra iorenanao?

Ampio ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany sy ny fahatsapany ny fahamarinana sy ny lanjan’io fitsipika io. Fomba iray hanaovana izany ity sahanasa manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny manao ilay sahanasa miaraka amin’ny iray kilasy eny amin’ny solaitrabe, na azo aseho ny toromarika ka vitain’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany ilay sahanasa.

  • Manaova sarinà trano na tranobe tsotsotra mafy fototra na fiorenana. Soraty manodidina ilay trano ireo zava-tsarotra na fitaoman-dratsy sasantsasany atrehanao.

  • Soraty ao anatiny na manodidina ny fiorenana ny zavatra azonao atao mba hanorenana ny fiainanao eo amin’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny amin’ireo sahanasa roa teo aloha.

  • Valio ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba nanampian’ireo zavatra atao ireo anao na ahoana ahafahan’izy ireo manampy anao rehefa miatrika zava-tsarotra na fitaoman-dratsy ianao?

Ireto sahanasa manaraka ireto dia manome fahafahana ny mpianatra handalina kokoa ny fampianaran’i Paoly mikasika ny fisaratsarahana sy ny fifandirana ary koa ny loza ateraky ny fanarahana ny fahendren’izao tontolo izao ambonin’ny fahendren’ Andriamanitra. Diniho ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny fahabetsahan’ny fotoana hamaritana ny amin’ny hanaovana ireo sahanasa ireo ao an-dakilasy. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy hanao samirery na ao anaty vondrona kely ny iray amin’ireo sahanasa. Raha tsy izany dia afaka manao ny iray amin’ireo sahanasa ireo ny iray kilasy.

Ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Korintiana dia niresaka olana maro izy ary nampianatra momba ny hoe manana hery hanampy ireo Korintiana handresy ny olan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny filazantsarany (jereo ny 1 Korintiana 1:23–24). Ireto sahanasa manaraka ireto dia mifantoka amin’ny roa amin’ireo olana ireo. Vakio ireto manaraka ireto ary misafidiana iray izay tena manan-danja indrindra aminao ny mandalina azy.

Safidy A: Fisaratsarahana sy fifandirana

Ny olana iray natrehan’ireo Olomasina Korintiana dia ny fifandirana. Ny antony iray nitrangan’ny fisaratsarahana dia satria nino izy ireo fa ny toeran’izy ireo tao amin’ny Fiangonana dia voafaritry ny maha-manan-danja ny olona nanao batisa azy ireo (jereo ny 1 Korintiana 1:12).

Eo akaikin’ilay sarina trano nataonao, dia azonao atao ny mitanisa izay mety ho fomba niainanao fisaratsarahana na fifandirana ao amin’ny paroasy na ao amin’ny fianakaviana na eo amin’ny fiarahamonina misy anao.

Alaivo antoka fa ny ohatra omen’ny mpianatra dia tsy mampitsiry fanahin’ny fahatezerana na fifandirana ao amin’ny zavatra iainan’izy ireo rehefa mianatra. Raha mitranga ny fifandirana dia amporisiho ny mpianatra hahatsapa ny mahazo ny hafa ary ho feno fitiavana mba hahafahan’ny Fanahy mitoetra hatrany.

  • Inona avy ireo vokatra sasany ateraky ny fisaratsarahana sy ny fifandirana?

Vakio ny 1 Korintiana 1:10–13 sy 1 Korintiana 3:3–9 , ka tadiavo ny fomba niezahan’i Paoly hanampy ny olona hanangana ny fiorenan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no hitanao tao amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy ny olona handresy ny fisaratsarahana sy ny fifandirana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy anao hiray hina sy tsy ho be fifandirana amin’ny manodidina anao ny fanorenana ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy?

Safidy B: Ny fahendren’izao tontolo izao

Maro tamin’ireo nonina tany Korinto no nanome lanja ny fahendren’izao tontolo izao. Tsy nisy dikany tamin’ny Jiosy sy ny Jentilisa maro ny hafatra nataon’ilay Mesia izay nohomboana. Teo amin’ny tontolo Romana, ny sazy hoe homboana eo amin’ny hazofijaliana dia maneho henatra sy faharesena. “Fahadalana” ho an’ireo Grika izany hoe olona mijaly an-tsitrapo ho an’ny hafa izany ( 1 Korintiana 1:23). Ho an’ny Jiosy dia “fahatafintohinana” ny hoe maty teo amin’ny hazofijaliana ny Mesia iray ( 1 Korintiana 1:23) satria nanantena ny Mesia handresy ny fahavalony izy ireo.

Vakio ny 1 Korintiana 1:17–25 , ka tadiavo ny fomba namalian’i Paoly ireo toe-tsaina ireo.

Any amin’ny toerana iray ao amin’ny nanaovanao an’ilay sarina trano, dia tanisao hoe amin’ny fomba ahoana avy ny fahendren’izao tontolo izao no mety hitondra fiantraikany na hampisalasa anao amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  • Nahoana ny olona sasany ankehitriny no tsy mahatakatra na tsy mankasitraka an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

  • Inona no fiovana mety hitranga rehefa lasa mahafantatra sy mahatsapa ny olona iray fa manana hery tena misy eo amin’ny fiainany ny Mpamonjy? (jereo ny 1 Korintiana 1:24).

  • Ahoana no ahafahan’ny fanorenana ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany manampy anao rehefa tojo foto-kevitra araka izao tontolo izao izay manahirana ianao?

Manorina ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy

Makà minitra vitsivitsy handinihana ny fiainanao manokana. Tamin’ny fomba ahoana no nanangananao ny fototra iorenanao teo amin’i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana avy no tianao hivoarana? Afaka manampy anao hiatrika ireo olana sy fitaoman-dratsy mianjady aminao manokana amin’ny fomba ahoana ny fanorenana matanjaka kokoa ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny filazantsarany? Hevero ny hanoratra ny eritreritrao sy ny tanjonao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny ho famaranana ny fotoam-pianarana. Zarao ihany koa ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana aho no tokony hanangana ny fototra iorenako eo amin’i Jesoa Kristy?

Hoy ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Chi Hong (Sam) Wong. Photographed in March 2017.

Rehefa manangana ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy afaka mianjera! Raha toa isika ka maharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany dia hanampy antsika Andriamanitra hanorina ny fiainantsika eo ambonin’ny vatolampiny, “ary ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy [antsika]” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:69). Tsy afaka hanova ny zavatra rehetra izay ho avy isika saingy afaka misafidy ny fomba hiomanantsika amin’izay ho avy kosa.

(Chi Hong [Sam] Wong, “Tsy afaka mandresy izy ireo, tsy afaka mianjera isika,” Liahona, mey 2021, 98)

Sahanasa fianarana fanampiny

“Fototra mafy orina”

Azonareo hiraina miaraka ny “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy,, pejy 12) mialoha ny fiatombohan’ny lesona. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny fototra mafy orina rehefa mandalina ity lesona ity.

Safidy D: Fitsaratsarana sy fieboeboana

Ity manaraka ity dia fandalinana fanampiny azo safidina ho an’ny sahanasa farany amin’ny lesona.

Ao amin’ny 1 Korintiana 4:1–3 , dia hita fa ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tany Korinto dia toa nitsaratsara na nitsikera ny zava-bitan’i Paoly tamin’ny naha-misiônera sy mpitarika tao amin’ny Fiangonana azy. Mety ho nisalasala izy ireo ny amin’ny fitsarana nataony na mety ho nieritreritra izy ireo fa ho tsaratsara kokoa ny zava-bita raha olona hafa no nanao izany.

Eo anilan’ilay sarina trano nataonao, tanisao izay mety ho fakam-panahy mety hahatonga anao hitsaratsara ireo mpitarika eo anivonareo.

Vakio ny 1 Korintiana 4:1–7 , ary manaova lisitr’ireo teny na andian-teny mety hanampy anao na hanampy ny olon-kafa izay mitolona amin’ny fanoherana ny fieboeboana sy ny fitsaratsaram-poana ny hafa.

Inona avy ireo teny na andian-teny tena nanampy anao?

Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny Tompo dia mahafantatra ny ao an-tsaina sy ny fikasan’ny fontsika? (jereo ny 1 Korintiana 4:5).

Afaka manampy anao na ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fiorenana amin’i Jesoa Kristy rehefa mieboebo na mitsaratsara fahatany ianao na ny hafa?

Manangana firaisan-kina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Ity horonan-tsary manaraka ity dia azo ampiasaina hanehoana ny fomba ahafahantsika miray hina amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpianany antsika, na dia misy aza ny fahasamihafana betsaka eo amin’ny firazanana sy ny kolontsaina. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafahan’ny fanorenana ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany manampy anao hiray hina kokoa amin’ireo izay manodidina anao?

Ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao

Diniho ny hamakiana ny 1 Korintiana 1:26–27 miaraka amin’ny mpianatra dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Nahoana araka ny eritreritrao Andriamanitra no nisafidy ireo izay heverin’izao tontolo ho adaladala sy malemy mba hitory ny filazantsarany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fananganana fototra mafy orina eo amin’i Jesoa Kristy manomana anao hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

Asao ny mpianatra hizara traikefam-pitoriana manokana na zavatra niainan’olona tao amin’ny fianakaviana tamin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno ka niasan’ny Tompo tamin’ny alalan’izy ireo mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy.