Seminera
Jaona 13


Jaona 13

“Mifankatiava”

Sary
Jesus washing Peter’s feet. Outtakes show similar scenes.

Rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska dia nanasa ny tongotr’ireo mpianany i Jesoa. Nampianatra azy ireo momba ny fifanompoana sy ny fifankatiavana Izy. Ity lesona ity dia afaka mamporisika anao hikatsaka ny fahasambarana amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fitiavana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa.

Miezaka aho mba ho toa an’i Jesoa

Hirao na vakio ny tonon’ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy,78–79). Rehefa mihira, mamaky, na mijery ianao, dia saintsaino ireo antony mahatonga anao te hiezaka ho toa an’i Jesoa.

Music Video: I’m Trying to Be Like Jesus – Emily Brown

  • Ahoana no fomba iezahinao ho toa an’i Jesoa?

  • Inona no hitanao niova teo amin’ny fiainan’ny olona rehefa niezaka ny ho toa an’i Jesoa izy ireo? Ary manahoana ny fiainanao manokana?

Rehefa mandray anjara amin’ity lesona ity ianao, dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka mitarika anao bebe kokoa hanaraka ny ohatra sy ireo fampianarana izay nomen’ny Mpamonjy.

“Fianarana no nomeko anareo”

Rehefa akaiky hifarana ny fiainan’ny Mpamonjy, dia namory ireo Apôstôliny Izy mba hanatrika ny sakafon’ny Paska farany izay nataony. Ny zava-niseho tamin’ity takariva ity dia antsoina matetika hoe amin’ny hoe ny Fanasana Farany.

Vakio ny Jaona 13:1–11 , ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa avy niara-nihinana ilay sakafon’ny Paska Izy sy ireo Apôstôliny.

Mety hanampy ny mahafantatra fa tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia naloto dia naloto avokoa ny tongotry ny olona noho ny fanaovana kapa sy fandehanana tamin’ny lalana be vovoka ny ankamaroany. Ny fanasana tongotr’olona hafa dia matetika nataon’ireo mpanompo izay ambany saranga indrindra.

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny toetran’i Jesoa avy tamin’ny nanasany ny tongotr’ireo Apôstôly?

  • Inona ny zavatra mety ho tsapanao na ho nasetrinao raha nanolotra io karazana fanompoana feno fanetren-tena io taminao i Jesoa?

Vakio ny Jaona 13:12–17 , dia tadiavo ireo lesona azonao ianarana avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy.

  • Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fifaliana rehefa nanaraka ny ohatry ny fanompoana izay nasehon’i Jesoa?

“[Mifankatiava]”

Taorian’ny nanasany ny tongotr’ireo Apôstôliny dia naka fotoana nampianarana azy ireo ny Mpamonjy. Vakio ny Jaona 13:34–35 mba hahitana ny fotopampianarana manan-danja izay nampianariny.

  • Rehefa mamaky sy mieritreritra momba ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia inona ny zavatra mba eritreretinao, tsapanao, na ny fanontaniana manitikitika anao?

Mieritrereta tantara ao amin’ny Soratra masina izay ahitana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany ny hafa.

  • Ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy fitiavana tamin’ny fomba isan-karazany tamin’ny olona samihafa?

Makà fotoana hisaintsainana sy hanoratana mikasika ny fotoana sy ny fomba nahatsapanao ny fitiavan’i Jesoa anao. Hevero ny hangina sy hangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hamantatra ireny fotoana ireny.

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana sy ny fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy anao eo amin’ny fanirianao haneho fitiavana ho an’ny hafa?

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Manaova drafitra amin’ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fitiavana sy ny fanompoana ny hafa, sy ny fotoana mba tianao hanaovana izany koa. Mety hanampy ny fieritreretana ireto hevitra manaraka ireto rehefa manao drafitra ianao.

  • Manaova zavatra ho an’ny fianakaviana, namana, na olona eny anivon’ny fiarahamonina izay misy anao androany.

  • Manaova zavatra anehoana fitiavana sy hatsaram-panahy ho an’ny olona izay tsy mitovy aminao, na olona izay nanahirana anao koa aza ny nifankahazo taminy tany aloha tany.

  • Mitadiava olona tsapanao fa tokony hanehoanao fitiavana na fanajana bebe kokoa araka ny fitaomam-panahy azonao.

  • Hevero ny fomba ahafahanao manasa ny fitiavan’ny Mpamonjy ho tafiditra ao anatin’ny ezaka izay ataonao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Jaona 13:26 . Inona no atao hoe sombin-kanina?

Ilay “sombin-kanina” izay voalaza ao amin’ny Jaona 13:26 dia tapamofo kely izay nampiasain’ireo olona nisakafo mba hakana rony sy hena avy tao anaty lovia baolina. Koa satria fihetsika maneho hatsaram-panahy sy fanajana izay ataon’ny tompon-trano ny fanatsobohana ny sombin-kanina ho an’ny vahiny hisakafo, dia nanolotra ny finamanany tamin’i Jodasy ny Mpamonjy tamin’ny alalan’izany fihetsika izany, ary mety izay angamba no fotoana farany nomena azy hanadaboka ilay famadihany izay efa nomaniny.

Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanompoantsika azy ireo?

Ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara ity tantara manaraka ity:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Notendrena hamangy ivon-toerana fivoriana fanasan’ny Tompo iray aho. Nasaina nizara ny fanasan’ny Tompo aho. Tsy nieritreritra ireo dingana sy lamina mirindra amin’ny fizarako ny fanasan’ny Tompo intsony aho fa nibanjina ny tarehin’ireo zokiolona tsirairay. Nahita ny maro tamin’izy ireo nitomany aho. Nisy ramatoa iray nisambotra ny moron’ny tanan’akanjoko, nitraka nibanjina ahy sady niteny mafy hoe: “Misaotra re, misaotra.”

Nitahy ny asa fanompoana nataoko ny Tompo, asa fanompoana izay natao tamin’ny anarany. Tamin’io andro io aho dia nivavaka mba hahatongavan’ny fahagagana toy izany fa tsy nivavaka ny amin’ny fomba tsara ahafahako manatontosa ny anjarako. Nivavaka aho mba hahatsapan’ny olona ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataoko tamim-pitiavana. Nianatra aho fa izany no lafiny manan-danja indrindra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa amin’ny anarany.

(Henry B. Eyring, “Mitahia amin’ny Anarany,” Liahona, mey 2021, 68–69)