Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lioka 22:19–20


Fifehezana fotopampianarana: Lioka 22:19–20

“Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”

Sary
Sacrament trays with bread and water.

Nianatra momba ny fampahafantaran’ny Mpamonjy ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tamin’ny mpianany nandritra ny Fanasana Farany ianao rehefa nandalina ny Matio 26:26–30. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hampitombo ny fifehezanao ny fotopampianaran’ny fanasan’ny Tompo. Hanao izany ianao amin’ny alalan’ny fitadidiana ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 22:19–20, amin’ny alalan’ny fanazavana ny fotopampianarana ary amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Tadidio sy hazavao

Alaivo sary an-tsaina hoe mitondra namana iray izay tsy mahalala na inona na inona momba ny fivavahana naorina na i Jesoa Kristy any am-piangonana ianao. Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nanontany izy hoe: “Inona no tanjon’ny fizarana ny mofo sy ny rano amin’ny olona rehetra?”

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no hanazavanao ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo amin’ilay namanao?

Tsarovy fa nandritra ny Fanasana Farany niarahany tamin’ny mpianany dia nanorina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ny Mpamonjy (jereo ny Matio 26:26–30 ; Marka 14:22–25 ; Lioka 22:17–20). Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Lioka 22:19–20 .

Soraty moramora amin’ny pensilihazo ary tsy tsindrina mafy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manaraka ity: “ Lioka 22:19–20 : Hoy i Jesoa Kristy, raiso ny fanasan’ny Tompo -ho fahatsiarovana Ahy.-”

Avereno vakina amin’ny feo mafy ity toko sy andinin--tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ity. Avy eo dia fafao ny teny na isa roa ary mizàra mamaky indray ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny. Avereno atao io lamina io, fafao ny teny na isa ary avereno vakina ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja, mandra-paha-voafafa ireo teny sy isa rehetra. Avy eo dia soraty araka izay tadidinao ity toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ity.

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena vetivety ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy (jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2022], “Mahazo fahalalana ara-panahy”). Misafidiana iray amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy ary manaova sarina tandindona na sary tsotra izay heverinao fa maneho izany.

Izao dia manaova fanazarana mampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Lioka 22:19–20 amin’ny alalan’ny famakiana ity rafi-tantara manaraka ity sy ny famaliana ireo fanontaniana manaraka.

15 taona i Lova, efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny androm-piainany izy, ary manatrika tsy tapaka ny fivoriam-piangonany. Miara-mipetraka amin’ny reniny sy ny renibeny izy, izay ohatra tsara ho azy. Ny Alahady lasa teo dia nahaliana manokana an’i Lova ny lohahevitra noresahan’ireo mpandahateny tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Nizara zavatra niainana manokana manan-danja sy tamin-kitsimpo mikasika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny fomba nampitomboan’izany ny fitaoman’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpandahateny tsirairay. Izany no nahatonga azy hieritreritra hoe nahoana ary izy no tsy niaina manokana zavatra tahaka izany. Miaiky izy fa matetika izy no variana amin’ny findainy na amin’ny zavatra ataon’ny hafa mandritra ny fanasan’ny Tompo, na mieritreritra ny fomba hodiany haingana any an-trano mba hakany aina kely.

  • Efa nanana fahatsapana toy izany ve ianao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mahatsapa zavatra toy izany ny olona indraindray?

Mamoròna lohateny, ao anatin’ny diary fandalinanao, ho an’ny fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay: (1) manao asa amim-pinoana, (2) mamakafaka foto-kevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary (3) mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Soraty eo ambanin’ny lohateny tsirairay ny fomba manokana ahafahan’io fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy io manampy an’i Lova amin’ny toe-javatra iainany. Ohatra, azonao atao ny manolotra fomba manokana ahafahany manao asa amim-pinoana, mizara ny fomba mety hanampian’ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’ny toe-javatra iainany, ary manolora loharano nofidin’ Andriamanitra izay mety hampiasainy ho fitarihana sy tari-dàlana.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no torohevitra omenao an’i Lova mba hanombohany ny famahana ny olany?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy ireo hanampiana an’i Lova?

Raha mila fanampiana hampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ireo ianao dia diniho ireto fanontaniana manaraka ireto.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no torohevitra omenao an’i Lova ka afaka manampy azy hiaina zavatra tsara kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona no mety hanakana azy hanao ireo fanovana ireo? Ahoana no mety handreseny ireo sakana ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona no fanontaniana azonao apetraka amin’i Lova mba hanampiana azy hijery ny toe-javatra iainany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Inona no antony hisafidiananao ireo fanontaniana ireo?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona no ampianarina ao amin’ny Lioka 22 sy ao amin’ny soratra masina hafa na fampianarana avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ka mety hanampy an’i Lova?

  • Aiza koa no ahafahan’i Lova mitady fanampiana mba hanatsarana ny zavatra iainany amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo?