Seminera
Galatiana 6


Galatiana 6

“Fa izay afafin’ny olona, no hojinjany”

Sary
Vehivavy sy zazavavy mioty sy mikolokolo zava-maniry. Monina any Ekoatera izy ireo.

Moa ve ianao efa nanontany tena raha toa ka hitondra anao ho any amin’ny tanjonao mandrakizay ireo ezaka izay ataonao mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nanoratra ho an’ireo Olomasina tany Galatia i Paoly mba hanampiana azy ireo hahafantatra fa ny fomba fiainantsika isan’andro dia misy fiantraikany amin’ny mety hanomezan’ny Mpamonjy antsika ny “fiainana mandrakizay” (Galatiana 6:8). Ity lesona ity dia hanampy anao hamantatra ireo asa izay tokony hataonao mba hahatratraranao ny tanjonao mandrakizay.

Tanjona mandrakizay

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara resadresaka tsy hay hadinoina nataony tamin’ny zatovolahy iray.

Jereo ny horonan-tsary “Misafidiana amim-pahendrena,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:03 ka hatramin’ny 4:52, na vakio ity fanambarana manaraka ity. Tadiavo ireo tanjona izay napetrak’ity zatovolahy ity ary ireo fahadisoan-kevitra mety anananany momba ny fanatontosana azy ireo.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Vao haingana aho no nihaona tamin’ny zatovolahy bikàna iray. Ny tanjony dia ny handeha hanao asa fitoriana, ny hamita fianarana, ny hanambady any amin’ny tempoly ary ny mba hanana fianakaviana sambatra mahatoky. Tena faly tamin’ireo tanjony aho. Fa rehefa nitohy ny resaka, dia lasa nazava tamiko fa tsy nifanaraka tamin’ireo tanjony ny fomba fiainany sy ny safidy izay nataony. Tsapako fa tena te handeha marina hanao asa fitoriana tokoa izy ary nisoroka ireo fandikan-dalàna goavana izay hanakana azy tsy hanao asa fitoriana izy, saingy tsy nanomana azy tamin’ireo fanamby ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-tsôsialy, ara-pahaizana, ary ara-panahy izay tsy maintsy hatrehany ireo zavatra fanaony isan’andro. Tsy nianatra niasa mafy izy. Tsy matotra izy na tamin’ny fianarana na tamin’ny seminera. Nandeha am-piangonana izy, saingy tsy namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nandany fotoana be dia be tamin’ny jeux vidéos sy ny tambazotram-pifaneraserana izy. Toy ny hoe mieritreritra izy fa ho ampy ny fandehanany fotsiny manao asa fitoriana.

(Quentin L. Cook, “Misafidiana mim-pahendrena,” Liahona, nôv. 2014, 46)

  • Inona ny zavatra mety tsy azon’ity zatovolahy ity momba ny fanatratrarana ny tanjony?

Ataovy lisitra fohy, ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ireo tanjona izay heverinao ho manan-danja mandrakizay eo aminao. Diniho ny antony mahatonga anao te hanatratra ireo tanjona ireo. Saintsaino ny antony mahatonga ny fomba fitondrantenanao isan’andro hitondra anao mankany na manalavitra ireo tanjona manan-danja mandrakizay ireo. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana afaka manampy anao hampifanaraka kokoa ireo vokatra manan-danja mandrakizay izay irinao amin’ny asa ataonao andavanandro.

Ny lalàn’ny fijinjana

Ireo Olomasina tany Galatia dia niaina tao anaty fampianaran-diso izay nahatonga ny maro an’isa ho voatarika nanaraka lalan-diso (jereo ny Galatiana 1:6–9). Ny sasany dia nino sy nanao fampianaran-diso fa hoe tsy maintsy noforana ny Jentilisa izay niova fo mba ho voavonjy (jereo ny Galatiana 6:12; Asan’ny Apostoly 15:1). Ny hafa dia nanana finoana diso fa ny fahasoavan’i Kristy dia nanome azy ireo fahalalahana ny hanota (jereo ny Galatiana 5:13). Rehefa avy niresaka momba ireo finoana diso sy namporisika ireo Olomasina mba hanampy ireo izay nania ara-panahy i Paoly, dia nampianatra fahamarinana manan-danja anankiray izy mba hanampiana ny olona hahatakatra ny fiantraikan’ny zavatra izay ataon’izy ireo.

Vakio ny Galatiana 6:7–8. Mitadiava fahamarinana anakiray izay nampianarin’i Paoly ka mety hisy fiantraikany amin’ny asa izay ataontsika andavanandro. Tadidio fa ny famafazana dia manambara fambolena ary ny fijinjana kosa dia manambara fampiakarana vokatra.

  • Ahoana ny fomba hanazavanao ny fampianarana nataon’i Paoly amin’ny teninao manokana?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Galatiana 6:7 ny hoe izay rehetra afafin’ny olona no hojinjainy. Ity hevitra ity dia antsoina hoe lalàn’ny fijinjana indraindray.

  • Inona no ohatra efa hitanao momba ity fahamarinana ity teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ity fahamarinana ity hampisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra izay raisinao eo amin’ny fiainanao?

Ny fampianarana izay nataon’i Almà ho an’i Koriantona zananilahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny hevitra mandrakizain’ny lalàn’ny fijinjana, na ilay antsoin’i Almà hoe “drafitry ny famerenana amin’ny laoniny.” Vakio ny Almà 41:3–6, 10–15, ary tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mampitombo ny fahatakaranao ny fampianarana nataon’i Paoly.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny izay hitanao fa manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana?

  • Rehefa avy namerina nijery ny zavatra izay nampianarin’i Almà an’i Koriantona ianao, dia ahoana ny fomba hiharan’io fampianarana io amin’ny tenin’i Paoly izay manao hoe “izay afafin’ny lehilahy [na vehivavy], no hojinjainy ihany koa”? (Galatiana 6:7).

  • Manampy anao hahatakatra ny momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ireo fampianarana nohalalininao hatreto?

Ny fanasan’i Paoly ho an’ireo Galatiana

Nofaranan’i Paoly tamin’ny fanasana momba ny lalàn’ny fijinjana ny fampianarana izay nataony. Vakio ny Galatiana 6:9–10, ary tadiavo ny zavatra izay nasain’i Paoly hataon’ireo Olomasina.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “tsy ketraka amin’ny fanaovan-tsoa”? (Galatiana 6:9).

  • Nahoana no i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa hijinja “amin’ny fotoanany” isika (Galatiana 6:9) rehefa miezaka manao ny soa ho an’ny hafa? Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarana izany?

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika antsika mba handinika momba nyp lalana izay itondran’ny safidintsika tsirairay antsika (jereo ny Hitondra mankaiza izany?,” Liahona, mey 2019, 60–62).

Mba hampiharana ity torohevitra avy tamin’ny Filoha Oaks ity dia ataovy ity sahanasa manaraka ity.

1. Mba hampiharana ity torohevitra avy tamin’ny Filoha Oaks ity, dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity. Ireo zavatra sy dia milaza mombamomba anao manokana loatra ka azo zaraina ihany no ampidiro ao anatin’ny tabilaonao.

Manaova tabilao mitovy amin’ity manaraka ity:

Inona no afafinao (zavatra izay ataonao tsy tapaka)

Inona ny jinjainao na antenainao hojinjaina amin’ny hoavy (hitondra mankaiza ireo zavatra izay ataonao ireo)

Eo amin’ny ilany havia, manaova lisitra ho an’ireo zavatra izay andanianao ny ankamaroan’ny fotoananao na ireo zavatra izay tianao hatomboka hatao tsy tapaka.

Eo amin’ny ilany havanana, soraty ny zavatra tsapanao fa ho vokatry ny fanaovana tsy tapaka ireo zavatra ireo. Eritrereto ny vokatra azonao antenaina raha toa ka averinao tsy tapaka ireo fihetsika ireo mandritra ny herinandro, iray volana, herintaona, dimy taona, eny na mandritra ny androm-piainanao manontolo mihitsy aza.

Saintsaino ireo bitsika izay azonao avy tamin’ny Fanahy Masina rehefa nandalina ianao androany. Eo ambanin’ny tabilaonao, soraty ireo fanitsiana izay tsapanao fa nobitsihan’ny Fanahy mba hataonao eo amin’ny fiainanao ka hanampy anao mba ho mendrika kokoa ny handray ireo fitahiana izay irinao. Hanampy anao Andriamanitra rehefa miezaka manome izay tsara indrindra vitanao ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17).

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao? 

Galatiana 6:8. Inona no dikan’ny hoe “mamafy ho an’ny Fanahy” na “mamafy ho an’ny nofony” ny olona anankiray?

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Ulisses Soares, Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ny hoe mamafy ho an’ ny Fanahy dia midika hoe tokony hampiakatra antsika ho eo amin’ ny haavon’ ny maha-masina ireo ray aman-drenintsika any an-danitra ny eritreritra sy ny teny ary ny fihetsika rehetra ataontsika. Kanefa, ny soratra masina dia mamaritra ilay toetra ara-batana na ara-nofo eo amin’ireo olona araka ny nofo izay hahafahan’ny olona ho voasariky ny firehetam-pon’ny nofo, ny fanirian’ny nofo, ny fahalinan’ny nofo sy ny fandrisihan’ny nofo raha tokony mba hitady fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina anefa. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hitarika antsika haneho fihetsika mirefarefa amin’ny tany sy tsy voahevitra izay mety ho lasa ampahan’ ny toetrantsika ireo zava-misarika ireo miaraka amin’ ny faneren’ilay ratsy eto amin’izao tontolo izao. Mba hialana amin’izany fitaoman-dratsy izany dia ilaintsika ny manaraka ny torolalana izay nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny famafazana tsy tapaka ho an’ny Fanahy: “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33).

(Ulisses Soares, “Mitoera ao amin’ ny faritry ny Tompo!,” Liahona, mey 2012, 39)

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Raha manaram-po amin’ny zava-mahadomelina na pôrnôgrafia na zava-dratsy hafa izay nantsoin’ny Apôstôly [Paoly] hoe famafazana ho an’ny nofo isika, dia ny lalàna mandrakizay no mandidy fa hijinja ny fahalovana isika fa tsy ny fiainana mandrakizay. Izany no atao hoe fahamarinan’ Andriamanitra, ary ny famindram-po dia tsy maharoba ny fahamarinana. Raha misy mandika ny lalàna mandrakizay, dia tsy maintsy hiharan’ny sazy mifanaraka amin’izany lalàna izany izy. Ny sasany amin’izy ity dia mety ho afaka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, fa ny fanadiovana feno famindram-po ho an’ny mpanota maloto kosa dia tsy azo raha tsy aorian’ny fibebahana irery ihany (jereo ny Almà 42:22–25), izay dingana maharitra sy maharary ho an’ny fahotana sasany.

(Dallin H. Oaks, “Be Not Deceived,” Liahona, Nov. 2004, 45)

Ahoana ny fomba ahafahan’ny ezaka kely izay ataoko manova ny fiainako sy ny fiainan’ny hafa?

Jereo ny “Of Seeds and Soils” manomboka avy amin’ny mari-potoana 7:06 ka hatramin’ny 9:11 mba hahitana ny ohatra amin’ny asa kely kanefa afaka manova fiainan’ny olona an-jatony. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.