Seminera
Galatiana 5


Galatiana 5

“Mandehana araka ny Fanahy”

Sary
Vondrona zatovo mizotra mankao amin’ny Tempolin’i St. George Utah.

Moa ve ianao efa nahatsapa ho tsy nahita izay hatao nanoloana ny faniriana hilefitra amin’ny fakam-panahy sy ny faniriana hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hiaina amim-pahamarinana? Ny Apôstôly Paoly dia nanoritsoritra ny tolona anaty mety ho tsapantsika eo amin’ny faniriantsika eto ambonin’ny tany, ny vatantsika tsy lavorary sy ny Fanahin’ Andriamanitra, izay mandresy lahatra antsika hanao ny tsara. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa amin’ny fanomezana anao fahafahana hamantatra ireo fomba ahafahanao “mandeha araka ny Fanahy” amin’ny fomba feno kokoa (Galatiana 5:16).

Fifaninanana misintona tady

Sary
Lehilahy efakatra misintona tady amin’ny lalao an-kisitona.
  • Amin’ny fomba ahoana no itovizan’ny fiainanao amin’ny fifaninana misintona tady?

Ao amin’ny epistiliny ho an’ny Galatiana, ny Apôstôly Paoly dia namaritra hery mifanandrina roa izay afaka mitarika antsika amin’ny lalana samihafa. Vakio ny Galatiana 5:16–17, ary tadiavo ny torohevitr’i Paoly momba ireo hery ireo.

  • Inona avy ireo hery mifanandrina hitanao avy amin’ireo andininy ireo?

Ireo fakam-panahy iainantsika no antsoina hoe “[ireo] filan’ny nofo” (andininy 16).

  • Inona avy ireo fakam-panahy ara-batana (filan’ny nofo) iainan’ny tanora?

Ampitahao amin’ny lisitra nataon’i Paoly ao amin’ny Galatiana 5:19–21 ny valin-teninao.

Makà fotoana kely handinihana amim-pahanginana ny fomba mety hitrangan’ny fifaninanana misintona tady eo amin’ny Fanahy sy ny filan’ny nofo eo amin’ny fiainanao. Ahoana avy ny fomba azonao hiadiana amin’ny filan’ny nofo? Inona no fitahiana azonao rehefa manaraka ny fitarihan’ny Fanahy ianao? Eo am-panohizanao ny fandalinana dia henoy tsara ireo fitaomam-panahy izay afaka manampy anao hahafantatra izay mety ho fanovana hanampy anao handresy ireo fakam-panahy atrehinao.

Manalavitra ny asa mampanarana ny nofo

Vakio ny Galatiana 5:21, ka tadiavo ny antony maha-zava-dehibe ny manalavitra ny filan’ny nofo.

  • Inona no nianaranao mikasika ny antony tokony hanalavirantsika ireo fihetsika ireo?

  • Inona no mety hanasarotra ny fanalavirana ny filan’ny nofo, na dia fantatsika aza fa tsy mety izany?

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Koa satria zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika dia nandova hery masina ao anaty avy Aminy. Saingy mitoetra ao anatin’ny tontolo lavo isika amin’izao fotoana izao. Ireo singa fototra namoronana ny vatantsika dia lavo amin’ny toetrany voajanahary ary iharan’ny fanintonan’ny ota, ny faharatsiana, ary ny fahafatesana hatrany. Vokatr’izany, ny Fahalavoan’i Adama sy ny vokatr’izany ara-panahy sy ara-batana dia misy fiantraikany mivantana amin’ny ankapobeny amin’ny alalan’ny vatantsika. …

Satria tena manan-danja amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray sy ny fivoarantsika ara-panahy ny vatana, dia mikatsaka ny hanembantsembana ny fivoarantsika i Losifera amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika mba hampiasa ny vatantsika tsy araka ny tokony ho izy. Iray amin’ireo zavatra maneso sy mampihomehy indrindra momba ny mandrakizay ny hoe, ny fahavalo, izay fadiranovana tokoa satria tsy manana vatana, dia maka fanahy antsika hifampizara aminy ny fijaliany amin’ny alalan’ny fampiasana amin’ny fomba tsy mety ny vatantsika. Noho izany, ny fitaovana tsy hananany no tarigetrany voalohany amin’ny fikasany mba hitarika antsika any amin’ny fahasimbana ara-panahy.

(David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41–42)

  • Teny na andian-teny inona no nanaitra anao tamin’io teny io? Nahoana?

Misafidy ny handeha araka ny Fanahy

Vakio indray ny Galatiana 5:16 ary tadiavo ny fampianaran’i Paoly mikasika ny fomba ahafahantsika mandresy ny fakam-panahy misarika ny nofo.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Galatiana 5:16 ny hoe rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia ho afaka ny handresy tsara kokoa ny fakam-panahy misarika ny nofo. 

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mandeha araka ny Fanahy”?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fandehanana araka ny Fanahy anao handresy ny fakam-panahin’ny nofo?

Vakio ny Môzià 3:19 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12, ka tadiavo ireo fampianarana afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fandehanana araka ny Fanahy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no eritreritra na fahatsapana tonga tao aminao rehefa nandalina ireo andininy ireo ianao?

  • Inona no nianaranao mikasika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao handresy ireo fakam-panahy atrehinao?

  • Inona avy ireo zavatra manokana azonao atao hahazoana antoka fa miaraka aminao amin’ny fomba feno kokoa ny Fanahy?

  • Inona no zavatra niainanao izay nanarahanao ny Fanahy ka nanampy anao nandresy ny fakam-panahy? (Ataovy izay tsy hizaràna zavatra mahakasika ny tena manokana loatra.)

Ny vokatry ny Fanahy

Sary
Sarina hazo mamoa voa tsara.

Nampahafantatra ireo fitahiana maro izay mety hitranga eo amin’ny fiainantsika i Paoly rehefa mihaino sy manaraka ny Fanahy Masina isika. Nantsoiny hoe “vokatry ny Fanahy” ireo fitahiana ireo (Galatiana 5:22).

Vakio ny Galatiana 5:22–23, ka tadiavo ny vokatry ny Fanahy izay nolazain’i Paoly.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray na izy roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fitahiana na fahatsapana avy amin’ny Fanahy ireo no efa niainanao?

  • Inona no anampian’ireo fitahiana ireo anao hahatakatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Raha ilaina dia jereo ny Salamo 25:8–10; Môzià 2:41.)

Ampiharo ny zavatra nianaranao

I Jesoa Kristy, izay nanao mandrakariva ny sitrapon’ny Ray any An-danitra (jereo ny 3 Nefia 27:13), no ohatra tonga lafatra niaina izany fomba izany handresena ny fakam-panahy hanota. Na dia niaritra ny karazana fakam-panahy rehetra misarika ny nofo aza Izy (jereo ny Hebreo 4:15; Almà 7:11), dia “tsy nilefitra tamin’ireny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:22).

Saintsaino vetivety ny fomba hiezahanao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy hampiharana ireo fahamarinana nohalalininao androany. Eritrereto ireo fitaomam-panahy efa azonao, ary manaova drafitra mikasika ny zavatra hataonao mba handehanana amin’ny fomba feno kokoa araka ny Fanahy sy handresena ny fakam-panahy. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny drafitrao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny Fanahy Masina manampy ahy hanohitra sy handresy ny fakam-panahy?

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2000. Nodimandry tamin’ny 3 jolay 2015.

Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ilay bitsiky ny Fanahy Masina mialoha. Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra. …

Raha toa ianareo ka tafalatsaka amin’ny zavatra tsy tokony ho ataonareo, na miaraka amin’ ny olona izay mitarika anareo amin’ ny lalana mampivarina an-kady, dia izao no fotoana ampiasana ny fahaleovan-tenanareo, ny fahafahanareo misafidy. Henoy ny feon’ny Fanahy, dia tsy hivarina amin’ny lalan-diso ianareo.

Averiko indray fa miaina ao amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireo tanora ankehitriny miaraka amin’ ireo fitsipika ara-pitondran-tena izay mivaralila fatratra. Kanefa amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia mampanantena aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ny Fanahy Masina.

(Boyd K. Packer, “Torohevitra ho an’ireo tanora,” Liahona, nôv. 2011, 16)

Mba hahitana fanehoana mahakasika ireo zavatra ateraky ny fanatanterahana ireo filan’ny nofo sy ny fandehanana araka ny Fanahy dia jereo ny “LDS Addiction Recovery Program: Meet Sidreis [Fandaharana OAF momba ny fahasitranana avy amin’ny fiankinan-doha: Fantaro i Sidreis]” (3:06), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.