Seminera
Efesiana 6:10–24


Efesiana 6:10–24

“Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra”

Sary
Zatovolahy iray misalotra fitaovam-piarovana tamin’ny vaninan’andron’ny Testamenta Vaovao sady mihazona sabatra sy ampinga.

Ao anatin’ny ady ho an’ny fanahin’ny zanak’olombelona isika. Nanome fitaomam-panahy an’i Paoly ny Ray any An-danitra mba hampianatra ny fomba ahafahantsika mandresy amin’ny fanafihana ataon’i Satana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ireo zavatra izay nomen’ Andriamanitra mba hiarovana anao amin’ny faharatsian’izao tontolo izao, sy mba hanombatombanana ny fiomanana ara-panahy izay ataonao amin’izao fotoana izao, ary mba hanaovanao drafitra hanatsarana ny fiarovana ara-panahinao.

Mahery setra amin’ny tetika izay ataony i Satana

  • Inona avy araka ny hevitrao ireo fahasamihafana lehibe eo amin’ny zavatra izay niainanao amin’ny maha zatovo anao sy ny zavatra izay niainan’ny ray aman-dreninao fony izy ireo tamin’ny taonanao?

Vakio ity fanambarana izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary mitadiava fahasamihafana anankiray izay asongadiny ao:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2003

Ny rainareo sy ny raibenareo dia tsy mbola niatrika mihitsy ireo fakam-panahy izay atrehanareo matetika. Miaina amin’ny andro farany ianareo izao. Raha te hanana olana ny rainareo, dia nila nanao ezaka lehibe izy vao tonga tamin’izany. Tsy toy izany intsony amin’izao! Ankehitriny dia ny fakam-panahy no mitady anareo! Mba tsarovy izany! I Satana dia milofo mitady anareo, ary “mamitsaka eo am-baravarana ny ota” [Mosesy 5:23]. Ahoana ny fomba handresenao ny hafetseny izay tena mahery vaika?

(“Robert D. Hales, “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina,” Liahona, mey. 2013, 48–49)

  • Inona avy ireo fomba ahitan’ny fakam-panahy antsika ankehitriny fa tsy hoe isika no mila mitady izany?

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, na soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny hevitrao.

  • Inona avy ireo fomba ezahan’i Satana atao mba hakana fanahy anao manokana?

  • Inona ny zavatra ataonao ahafahanao mitady ny fanampian’ny Tompo hanohitra ireo fakam-panahy izay ataon’i Satana? Inona ny zavatra tsara vitanao? Inona ny zavatra izay mbola tokony ilàna fanatsarana?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba tsara izay ahafahanao mikatsaka sy mandray bebe kokoa ny fiarovan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao manoloana ny fanafihan’i Satana.

Ny fiarovan’ny Tompo

Vakio ny Efesiana 6:10–13, ary tadiavo ny zavatra izay nolazain’i Paoly fa niadivan’ireo Olomasina tamin’ny androny.

  • Inona no fitoviana hitanao eo amin’ny zavatra izay niadivan’ireo Olomasina tany Efesosy tamin’ny androny sy ny zavatra izay iadivantsika ankehitriny?

  • Inona ny antony mahatonga ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy maniry antsika mba ho voaro amin’ny ratsy? Inona ny zavatra ampianarin’io faniriana io antsika momba Azy ireo?

  • Inona ireo zavatra izay nasain’i Paoly nataon’ireo Efesiana mba hahafahan’izy irao manohitra ny faharatsiana?

Ao amin’ny Efesiana 6:10–13, dia mianatra isika fa raha mitafy ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra isika, dia ho afaka hanohitra ny ratsy.

Ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra dia fanoharana na tandindon’ny fiarovana izay atolotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika. Amin’ireo ady izay atrehantsika, ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra dia natao manokana ho anao sy ireo loza eo amin’ny fiainanao. Mba hanampiana anao hahatakatra io fiarovana masina io dia mety ho te hanao ity sary manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao ianao. Soraty eo amin’ny kisary ireo valinteninao amin’ity sahanasa manaraka ity:

Sary
Akanjo fiarovan-tena sy ampinga ana miaramila fahiny izay maneho ny Fiadian’ Andriamanitra. Misy teny hanazavana ireo singa samy hafa eo amin’ilay fiarovan-tena. Raha mifototra amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27: 15-18: “15 Koa asandrato ny fonareo ka mifalia, ary sikino ny valahanareo ary itafio avokoa ny fiarovan-tena avy Amiko, mba hahatantesanareo ny andro mahory, mba bhahatohitra ianareo. 16 Koa mifahara, sikino fahamarinana ny valahanareo miaraka amin’ny rariny ho saron-tratra, ary akiraroy ny tongotrareo ny fanomanana ny filazantsaran’ny ffiadanana, izay efa nanirahako ny ganjeliko mba hatolotra anareo; 17 Raiso ny ampingan’ny finoana, izay hahazoanareo mamono ny azana-tsipika mirehitra alefan’ilay ratsy; 18 Ary raiso ny satro-bin’ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahiko, izay halatsako aminareo, ary ny teniko izay ambarako aminareo, ary mifanarahà amin’ny zavatra rehetra angatahinareo Amiko, ka aoka ho mahatoky ianareo mandra-piaviko dia hakarina ianareo ka any amin’izay misy Ahy no hisy anareo koa. Amena.”

Vakio ny Efesiana 6:14–18 mba hamantarana ny singa tsirairay amin’ny fiadian’ Andriamanitra, na jereo ny “The Armor of God” (2:01), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Soraty eo amin’ny kisary nataonao ny zavatra izay asehon’ny fitaovam-piadiana tsirairay. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “kiraro vy” (Efesianina 6:15) dia entina ilazana fanaovana fiarovan-tena handrakofana ny tongotra.

Ampitomboy ny fahatakaranao ireo fitaovam-piadin’ Andriamanitra ireo amin’ny alalan’ny fanaovana ity sahanasa manaraka ity.

1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny ampahany anankiray farafaharatsiny amin’ny fitaovam-piadin’i Kristy. Raha mila fanampiana ianao dia misy ohatra anankiray momba ny “valahana voasikina fahamarinana” etsy ambany (Efesiana 6:14). Misafidiana anankiray amin’ireo fitaovam-piadiana hafa ho an’ity sahanasa ity.

  1. Inona no hevitra ara-panahy nampifandraisin’i Paoly tamin’io fitaovam-piadiana io?

  2. Inona no fanehoana ara-panahy asehon’ny faritra amin’ny vatana izay voaron’ilay fitaovam-piadiana?

  3. Ahoana ny fomba hitafiantsika ity fitaovam-piadin’ny Tompo ity mba hiarovany amin’ny ratsy?

Ho an’ny “valahana misikina fahamarinana” (Efesiana 6:14) dia mety ho valin’ireo fanontaniana etsy ambony ireto manaraka ireto: (1) fahamarinana; (2) maneho ny tsy tokony hanaovantsika firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana na ny fahadiovantsika ara-pitondrantena izany; ary ny (3) afaka mianatra fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy ny drafi-pamonjeny izay afaka manosika antsika hijanona ho madio ara-pitondrantena.

Mitafy ny fiarovan-tena rehetra avy amin’ny Mpamonjy

I Paoly sy ny Mpamonjy dia nanantitrantitra momba ny fitafiana ny fiadian’ Andriamanitra rehetra (jereo ny Efesiana 6:11, 13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15).

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo loza izay hitanao rehefa tsy mitafy afa-tsy ampahany amin’ny fitaovam-piadin’ny Tompo? Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho voaro tanteraka ianao?

  • Inona ny zavatra izay hataonao isan’andro mba hahafahana mitafy bebe kokoa ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra mba hiarovana amin’ireo fakam-panahy izay atrehanao?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitodihana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy hahazoana fanampiana raha maneho fitiavana sy ny fahatokiana Azy ireo ianao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no dikan’ireo faritra eo amin’ny vatana izay vaoaron’ny fitaovam-piadin’ny Mpamonjy?

Nilaza ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe:

Sary
Sary tapaka hatreo amin’ny soroka an’ny Filohan’ny Fiangonana OAF Harod B. Lee.

Manana ireo faritra efatry ny vatana izay nolazain’ny Apôstôly Paoly fa mora tratran’ny herin’ny maizina avokoa isika. Ny valahana, izay tandindon’ny hasin’ny tena, na ny fahadiova-mpitondrantena. Ny fo izay tandindon’ny fitondrantsika ny tenantsika. Ny tongotsika, no vina sy ny tanjontsika eo amin’ny fiainana ary farany ny loha sy ny eritreritsika.

(Harold B. Lee, “Feet Shod with the Preparation of the Gospel of Peace,” Brigham Young University Speeches of the Year [Nov. 9, 1955], 2)

Inona ny zavatra azoko atao mba hitafiana ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra?

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Neal A. Maxwell, 1992.

Ny fanesorana ny maha-olombelona araka ny nofo dia mahatonga ny fitafiana ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra, izay nety tsy dia antonona tanteraka teo aloha! (jereo ny Efesiana 6:11, 13).

(Neal A. Maxwell, “Plow in Hope,” Ensign, May 2001, 60)

Toy izao no nampianarin’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004.

Tiako ny mieritreritra ity fitaovam-piadiana ara-panahy ity ho toy ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy fa tsy toy ny vongam-by mafy iray manarona ny vatana. Ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy dia mirakitra singam-bỳ madinika maromaro mifamatotra mba hahafahan’ny mpitondra azy mihetsika tsaratsara kokoa nefa voaro hatrany. Miteny izany aho satria noho ny traikefako no hilazako fa tsy misy ny zavatra lehibe sy goavana iray monja izay azo atao mba hiarovana ny tenantsika ara-panahy. Ny tena hery ara-panahy dia miorina ao anatin’ireny fihetsika kely maromaro voarary ao anatin’ny rafitra fiarovan-tena ara-panahy izay miaro amin’ny ratsy rehetra.

(M. Russell Ballard, “Be Strong in the Lord,” Ensign, July 2004, 8)

Ahoana ny fomba ifandraisan’ny fitafian’ny tempoly amin’ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra?

Ny Loholona Carlos E. Asay (1926–99) tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nanazava fa:

Sary
Sarin’i Carlos E. Asay

Misy fitaovam-piadiana iray hafa anefa izay mendrika ny hojerentsika. Io no akanjo anatiny manokana izay fantatra amin’ny hoe ny garmentan’ny tempoly, na ny garmentan’ny fisoronana masina, anaovan’ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nahazo ny fanafiana masina ho azy ireo. Ity garmenta ity, izay anaovana andro aman’alina, dia manana tanjona telo lehibe: fampahatsiahivana ireo fanekempihavanana masina izay natao tamin’ny Tompo tao amin’ny tranony masina, sy firakotra fiarovana ho an’ny vatana, ary tandindon’ny fahamaontinana eo amin’ny fitafy sy ny fiainana izay tokony mampiavaka ny fiainan’ny mpanara-dia manetry tena an’i Kristy rehetra.

(Carlos E. Asay, “The Temple Garment: ‘An Outward Expression of an Inward Commitment,’” Ensign, Aug. 1997, 20)