Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 2:19–20


Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia miorina eo amin’i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny ary ny Mpaminany

Sary
Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, mipetraka na mijoro eo amin’ny Sarivongana Christus sy ny Sarivongan’ireo Apôstôly Voalohany, eo amin’ny Ivon-toeran’ny Mpitsidika any Rôma Italia. Eo aloha avy any an-kavia mankany an-kavanana: Dieter F. Uchtdorf, Jeffrey R. Holland, M. Russell Ballard, Dallin H. Oaks, Russell M. Nelson, Henry B. Eyring, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Gary E. Stevenson, Ronald A. Rasband, Neil L. Andersen, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares

Nandritry ny fandalinanao ny Efesiana 2, dia nianatra ianao fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany ary i Jesoa Kristy ilay vato fehizoro indrindra. Ity lesona ity dia natao indrindra hampitomboana ny fifehezanao ireo fampianarana rehefa mitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Efesiana 2:19–20 ianao, sy rehefa manazava fotopampianarana, ary rehefa mampihatra izany fotopampianarana izany sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Sary
Manao sarina trano fiangonana amin’ny alalan’ny tsipitsipika.

Mba hanampiana anao hitadidy ity andinin-tsoratra masina fififehezana fotopampianarana ity sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao in-telo farafahakeliny ity manaraka ity: “Efesiana 2:19–20. Ny Fiangonana dia -naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany, ary i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.-”

Azonao atao ny manoratra ilay andian-teny amin’ny fomba ahafahana maneho ihany koa ilay fahamarinana. Ohatra, azonao atao ny manao sary mahitsizoro manodidina ilay andian-teny mba hanehoana ny vato fehizoro ary manao sary fiangonana eo amboniny. Na, raha efa avy nanao ohatra tamin’ity fanorenana ity ianao tamin’ny lesona teo aloha, dia azonao atao ny manoratra ilay andian-teny manan-danja eo ambony na akaikin’io sary io.

1. Mba hanampiana anao hanazava ny zavatra izay fantatrao momba ny mpaminany sy ny apôstôly, dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity.

  1. Vakio ny Efesiana 2:19–20 ary saintsaino ny hafatra izay voarakitra ao.

  2. Mieritrereta fanontaniana iray izay mety hapetraky ny olona momba ireo mpaminany sy apôstôly izay azon’ny Efesiana 2:19–20 hovaliana. Ohatra amin’izany ny hoe “Nahoana ny fiangonanareo no manana mpaminany sy apôstôly?” “Inona ny zavatra izay ampianarin’ny soratra masina momba ny mpaminany sy ny apôstôly?” na koa “Inona no fifandraisana misy eo amin’ny Mpamonjy sy ny mpaminany ary ny apôstôly?” Soraty ireo fanontanianao.

  3. Ampiasao ny Efesiana 2:19–20 ary soraty ny zavatra izay mety holazainao hamaliana ilay fanontaniana.

Fizàrana mampihatra

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hamerina hijery ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Ampifandraiso amin’ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mifanaraka aminy ny fanambarana tsirairay. Raha ilaina, dia ampiasao ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mba hanampy anao.  

  1. Ny mpikatsaka marina ny fahamarinana dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana izay tsy azo antoka.

  1. Manaova asa amim-pinoana.

  1. Rehefa mahatoky amin’ny fahamarinana sy ny fahazavana efa azontsika isika dia hahazo misimisy kokoa.

  1. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  1. Afaka mahita ireo olana ireo amin’ny fomba mazava kokoa isika rehefa miorim-paka amin’ny fahatokiantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny.

  1. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Alaovy sary an-tsaina hoe mahatsapa ho sahiran-tsaina ny namanao akaiky antsoina hoe Noro. Manana fijoroana ho vavolombelona momba ireo mpaminany sy apôstôly izy, saingy toheriny kosa ny fampianaran’ny Fiangonana ankehitriny. Raha ny tena marina dia manana fihetseham-po tena mahery vaika manohitra izany izy. Mangataka fanampiana avy aminao izy mba hahafantarany izay tokony hatao. Amin’izay fotoana izay dia tsy fantatrao ny zavatra holazaina, saingy nanapa-kevitra ny hanaraka ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy izay nampiasainao tany amin’ny seminera ianao mba hanomana anao hanampy ny namanao.

Ampiasao ity tabilao manaraka ity mba hisaintsainanao ireo eritreritrao sy ny fahatsapanao manokana momba ireo mpaminany sy apôstôly ary ny fomba hahafahanao manampy an’i Noro.

Ahoana no fomba nianarako natoky sy nanaraka ireo apôstôly sy mpaminany?

Ahoana ny fomba mety hanampiako ny namako?

Ahoana no fomba nianarako natoky sy nanaraka ireo apôstôly sy mpaminany?

Inona avy ireo zavatra izay efa niainako rehefa nanao zavatra tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy aho mba hanarahako ny apôstôliny sy ny mpaminaniny? Inona amin’ireo zavatra izay efa avy niainako no mety hanampy ary azo zaraina amin’i Noro?

Ahoana ny fomba mety hanampiako ny namako?

Inona no fanontaniana izay tokony hapetrako amin’i Noro mba hanampiana azy hihevitra ny fomba izay tian’ny Tompo hanaovany asa amim-pinoana?

Ahoana no fomba nianarako natoky sy nanaraka ireo apôstôly sy mpaminany?

Inona ny zavatra efa fantatro momba ny Ray any An-danitra, ny drafiny ary ny fomba ifandraisany amin’ireo zanany izay mety hanampy an’i Noro amin’izao toe-javatra andalovany izao?

Ahoana ny fomba mety hanampiako ny namako?

Inona no fanontaniana izay tokony hapetrako amin’i Noro mba hanampiako azy hijery ny ahiahiny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Ahoana no fomba nianarako natoky sy nanaraka ireo apôstôly sy mpaminany?

Inona avy ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra izay nanampy ahy hatoky ny apôstôly sy ny mpaminany? Ahoana no fomba nanampian’izany ahy?

Ahoana ny fomba mety hanampiako ny namako?

Inona avy ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra azoko aroso an’i Noro?

2. Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao izao manaraka izao:

Soraty izay heverinao ho fizotran’ny resaka ifanaovanao amin’i Noro na ataovy tantara an-tsary ahitana sarin’olona vita amin’ny tsipitsipika. Ataovy azo antoka fa tena zava-misy marina no holazainao sy izay eritreretinao fa mety havalin’i Noro.