Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:5


Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:5

Ateraky ny rano sy ny Fanahy mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra

Sary
zazavavy iray atao batisa

Tamin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra mikasika ny tenin’ny Mpamonjy tamin’i Nikodemosy momba ny fahaterahana indray ara-panahy amin’ny alalan’ny ordonansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ao amin’ity lesona ity dia afaka mizatra mampihatra ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fotopampianarana hoe tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Alaivo sary an-tsaina fa nasaina ianao hampianatra kilasy iray ao amin’ny Kilonga mikasika io fahamarinana ao amin’ny Jaona 3:5 io hoe: tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra

1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin-teninao amin’ity fanasana manaraka ity.

  • Ahoana no hanazavanao ny hevitr’io fotopampianarana io amin’ilay kilasin’ny Kilonga? Ampidiro ao ny eritreritrao mikasika ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’io dingana io, araka izay ampianarina ao amin’ny Almà 7:14.

Ity fampiharana manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mandrafitra izany. Afaka manao sahanasa mitovy amin’izany ao amin’ny application Fifehezana fotopampianarana ianao raha manana fahafahana hampiasa izany. Soraty amin’ny pensilihazo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: “ Jaona 3:5: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.” Avereno tenenina mafy na avereno ao an-tsainao imbetsaka ny ilay fehezan-teny. Misafidiana teny telo na efatra dia fafao ny litera rehetra ankoatry ny litera voalohany ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo teny ireo. Avereno imbetsaka indray ilay fehezan-teny. Avereno ity fampiharana ity ary aza mijanona raha tsy ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay sisa no tavela, araka izay aseho eto: “J____ 3:_R_____ m_____ o_____ t_ a_____ n_ r____ s__ n_ F_____, d__ t_ m_____ m____ a___ f______ A______ i_.” Avereno imbetsaka ilay andian-teny amin’ny fampiasana ireo litera voalohany, dia andramo atao tsianjery ilay izy avy eo.

Fizàrana mampihatra

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana atao hoe Meghan ianao izay mpikambana ao amin’ny Fiangonana, fa tsy mpikambana kosa nefa ny reniny. Mino an’i Jesoa Kristy sy ny Baiboly ny reniny saingy tsy mpikambana amina fiangonana na aiza na aiza. Nanontany anao i Meghan hoe, “Tsy afaka mankany an-danitra ve ny reniko raha tsy vita batisa kanefa manao ny tsara eo amin’ny fiainana?”

  • Inona avy no mety antony mahatonga an’i Meghan hametraka io fanontaniana io?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ireo antony hametrahany an’io fanontaniana io alohan’ny hiezahana manampy azy hahazo ny valin’izany?

Mba hanampiana an’i Meghan hahita ny valin’ny fanontaniany mikasika ny maha-zava-dehibe ny batisa, dia afaka mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ianao.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Tsipiho ny teny na andian-teny izay mety hanampy raha ampiharina ato anatin’ity trangan-javatra ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny notsipihinao? Ahoana no ahafahanao mampihatra azy ireo ao anatin’ity trangan-javatra ity?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8–10 ao amin’io fizarana io ihany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Tsipiho ny teny na andian-teny izay mety hanampy raha ampiharina ato anatin’ity trangan-javatra ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny notsipihinao? Ahoana no ahafahanao mampihatra azy ireo ao anatin’ity trangan-javatra ity?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’io fizarana io ihany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tsipiho ny teny na andian-teny izay mety hanampy raha ampiharina ato anatin’ity trangan-javatra ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny notsipihinao? Ahoana no ahafahanao mampihatra azy ireo ao anatin’ity trangan-javatra ity?

2. Hazavao miainga amin’izay nianaranao avy amin’ny fandalinanao ny Jaona 3:5 ny fomba hanampianao an’i Meghan hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hamaliana ny fanontaniany.