Seminera
Asan’ny Apostoly 17:1–14


Asan’ny Apostoly 17:1–14

Karohy ny soratra masina

Sary
Zatovovavy iray mipetraka ao an’efitranony sy mandalina ny soratra masina

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina? Ny sasany amin’ireo zavatra niainan’i Paoly sy ireo namany nandritra ny dia fitoriana faharoa nataon’i Paoly dia maneho ny herin’ny tenin’ Andriamanitra eo amintsika. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hiaina ireo fitahiana avy amin’ny’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

Hevi-baovao avy tamin’ny fandalinanao soratra masina

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo hevi-baovao sasantsasany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay azonao avy tamin’ny fandalinana soratra masina nataonao tato ato?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na tantara sasany nohalalininao vao haingana ka nanan-danja aminao? Nahoana?

  • Raha toa ka manontany anao ny namanao iray hoe nahoana ianao no mahatsapa fa zava-dehibe ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina, dia inona no havalinao aminy?

Ohatra momba ny hasarobidin’ny soratra masina

Ny sasany amin’ireo zavatra niainan’i Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony dia maneho ny lanjan’ny fandalinana ny soratra masina. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ity lohateny manaraka ity: Ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny soratra masina mitahy ny fiainako. Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ireo hevi-baovao izay azonao tanisaina eo ambanin’io lohateny io.

Raha misy, dia ampiasao ny Sarintany ao amin’ny Baiboly, lah.13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly,” mba hahitana an’i Tesalonika sy ireo toerana hafa nandalovan’i Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:1–4 ary tadiavo ireo zavatra nataon’i Paoly teo anivon’ireo Jiosy tany Tesalonika.

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra niavaka tamin’ireo ezaka nataon’i Paoly?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ity tantara ity manampy anao hahatakatra ny lanjan’ny soratra masina?

Ny hafatra napetrak’i Paoly ho an’ireo Jiosy tany Tesalonika dia mampahatsiahy antsika fa ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa masina izay nataony (jereo ny Jaona 5:39). Ampidiro ao anatin’ilay lisitra nataonao tao amin’ny diary fandalinanao io fahamarinana io.

Ny Loholona D.Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny tanjon’ny soratra masina. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Ny fitahian’ny soratra masina” manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:49 ka hatreo amin’ny 11:21 na mamaky ny teny nambara etsy ambany.

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Amin’ny farany, ny tanjona fototry ny soratra masina rehetra dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, i Jesoa Kristy—finoana fa misy Izy Ireo; finoana ny drafitry ny Ray ho an’ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainantsika mandrakizay; finoana ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, izay mamelona ity drafitry ny fahasambarana ity; finoana mba hahatonga ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho fomba fiainantsika; ary finoana mba hahalalana “ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesoa Kristy, izay [nirahiny] (Jaona 17:3).”

(D. Todd Christofferson, “Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 34)

  • Iza amin’ireo fitahiana noresahin’ny Loholona Christofferson no efa niainanao tamin’ny fandalinanao ny soratra masina?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina sasany izay nampitombo ny finoanao ny Ray any An-danitra sy ny finoanao an’i Jesoa Kristy? Ahoana ny fomba nahafahan’ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ireo andininy ireo nanampy anao hampitombo ny finoanao?

Na dia maro aza ny vehivavy sy lehilahy tao Tesalonika no nino sy niova fo tamin’ny alalan’ny fampianaran’i Paoly, ny sasany kosa dia nanangana andian-jiolahy hisambotra an’i Paoly sy i Silasy (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:4–5). Afaka nandositra ireo andian-jiolahy i Paoly sy Silasy, ka nankany Beria, izay tanàna teo akaiky teo izy ireo, izay toerana nanohizan’izy ireo ny fitoriana.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:10–12, ka tadiavo ny fomba nandraisan’ny olona tao Beria an’i Paoly sy i Silasy. Asio marika ireo teny na andian-teny izay heverinao fa manan-danja.

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fandalinana soratra masina isan’andro manampy ireo olona ireo?

Ny fahamarinana anankiray azo sintonina avy amin’io tantara io dia ny hoe: Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina dia afaka manomana antsika hamantatra sy hino fahamarinana. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra nataonao tao amin’ny diary fandalinanao io fahamarinana io.

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina manampy anao manoloana ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Manazava foto-kevitra mifanohitra amin’ny finoanao ny iray amin’ireo mpampianatra anao any am-pianarana.

  • Mamporisika anao handray anjara amina fanehoana fitondrantena mifanohitra amin’ireo fenitra arahinao ny namanao sasany amin’ny alalan’ny filazana hoe, “Tsy hampaninona ny manao izany indray mandeha fotsiny.”

  • Mampianatra zavatra izay mifanohitra amin’ny fironana ankehitriny eto amin’izao tontolo izao ny Apôstôly anankiray mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Fitahiana hafa azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina

Ireo fahamarinana hitanao tao amin’ny Asan’ny Apostoly 17 dia mampiseho ireo fitahiana vitsivitsy izay azontsika raisina avy amin’ny fandalinana ny soratra masina.

Makà minitra vitsivitsy handalinana ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na izy rehetra, ka tadiavo ireo fitahiana hafa izay azontsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandalinana ny teniny sy ny tenin’ireo mpaminaniny, izay hita ao amin’ny soratra masina. Ampidiro o ao amin’ilay lisitra nataonao tao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra hitanao fa miavaka ao amin’ilay lisitra noforoninao?

  • Inona amin’ireo fitahiana ao amin’ny lisitrao no tena tianao hiainana amin’izao fotoana izao? Nahoana?

  • Inona no zavatra azonao atao mba hahatonga ny fandalinanao ny soratra masina ho fotoana sarobidy sy masina kokoa?

  • Inona no fitahiana efa niainanao tamin’ny fandalinana tsy tapaka ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina?

Manaova drafitra

Ao anatin’ny fandraisanao anjara amin’ny seminera, dia nasaina hamorona tanjona anankiray izay mifandray amin’ny fandalinanao soratra masina isan’andro ianao. Makà fotoana handinihana ny fivoaranao eo anatrehan’io tanjona io ary manaova fanitsiana raha ilaina mba hanampiana anao hahita fahombizana kokoa eo am-pandrosoanao.

3. Mba hanampiana anao hanombantombana ny fivoaranao, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tanjona amin’ny fandalinana soratra masina izay napetrakao ho an’ny tenanao manokana?

  • Ahoana no fomba ahafahan’io tanjona io manampy anao hiaina zavatra manan-danja kokoa amin’ny fandalinana manokana ny soratra masina?

  • Inona avy ireo fanitsiana tokony hataonao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona avy ireo fitahiana hafa azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro?

Raha mikasika ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, ny Filoha Russell M. Nelson dia nampanantena izao manaraka izao:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo—isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.

(Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63)

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampitaha ny soratra masina tamin’ny Orima sy Tomima iray izay azontsika ampiasaina mba handraisana fanambarana avy amin’ny Tompo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Tsy manitatra mihitsy isika rehefa miteny hoe ny soratra masina dia afaka ny ho Orima sy Tomima hanampy ny tsirairay avy amintsika handray fanambarana ho an’ny tena manokana.

Amporisihina isika hamaky hatrany ny soratra masina satria mino isika fa afaka manampy antsika hahazo fanambarana ny famakiana izany. Afaka mahalala izay tian’ny Raintsika any An-danitra ho fantatsika sy hataontsika eo amin’ny fiainantsika manokana isan’andro isika amin’ny alalan’izany. Izany no antony anankiray inoan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tokony handalinana isan’andro ny soratra masina.

(Dallin H. Oaks, “Scripture Reading and Revelation,” Ensign, Jan. 1995, 8)