“Fanambadiana”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fanambadiana
Ny fahafahan’ny mpivady ho iray mandrakizay
Maro ireo olona miandrandra ny fanambadiana amim-pifaliana sy amim-panantenana lehibe. Misy zavatra tsara sy feno fanantenana tsy manam-paharoa momba ny fanambadiana. Ireo izay miroso amin’ny fanambadiana dia faly hanomboka fiainana vaovao miaraka amin’ilay olona tian’izy ireo mihoatra noho ny hafa.
Aorian’ny fanambadiana dia tsy maintsy miasa isika mba hihazonana izany fanambadiana izany ho soa sy matanjaka. Mitaky asa, faharetana, fanetrentena, famelan-keloka ary fanoloran-tena maharitra aorian’ny andron’ny fanambadiana ny fanorenana fanambadiana sambatra sy maharitra. Kanefa mendrika ilay valisoa ny ezaka atao. Aafaka ny haharitra mandrakizay ny fifandraisan’ny mpivady amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina atao ao amin’ny tranon’ny Tompo. Antsoina ihany koa hoe fanambadiana selestialy ny fanambadiana atao any amin’ny tempoly. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “mitondra fahafahana lehibe hahazoana fifaliana mihoatra noho izay entin’ny fifandraisana hafa ny fanambadiana selestialy.”
Inona no atao hoe fanambadiana?
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mampianatra fa ny fanambadiana eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray dia tendrin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile). Ireo mpivady izay fehezina any amin’ny tempoly dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy eo amin’izy samy izy. Raha mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony izy ireo dia afaka ny haharitra mandrakizay ny fanambadian’izy ireo.
Topimaso momba ny lohahevitra: Fanambadiana
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Everlasting Covenant Famille, Endowment and Sealing Ordinances
Fizarana 1
Ny fanambadiana dia ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana
Anisan’ny fianakaviana mandrakizain’ Andriamanitra isika, ary talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany dia niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Renintsika any An-danitra isika. Nampianarina momba ny drafitra iray izay hamela antsika hianatra sy hivoatra isika tany. Ao anatin’izany drafitra izany ny nahatongavantsika teto an-tany tao anatin’ny fianakaviana. Afaka manampy antsika hivoatra sy ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa ireo fianakaviana ireo.
Ivon’ny ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany ny fianakaviana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny fanambadiana dia “rafitra avy any an-danitra izay Andriamanitra mihitsy no nametraka izany voalohany tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny Saha Edena, tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana maharitra mandrakizay.” Rehefa fehezina mandrakizay amin’ny alalan’io herin’ny fisoronana io ihany ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fianakaviantsika dia manaraka ny lamina mandrakizay sy nomen’ Andriamanitra izay naorina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika.
Iray amin’ireo antony nanorenan’ Andriamanitra ny fanambadiana ny mba hahafahantsika mianatra tsaratsara kokoa avy amin’ny tsirairay sy hifampikarakara. Ny fanambadiana matanjaka dia mitondra any amin’ny fananana fianakaviana matanjaka kokoa, izay manampy antsika hanatanteraka ny tanjontsika mandrakizay. Afaka mitondra any amin’ny fiarahamonina matanjaka kokoa eto an-tany ihany koa ny fianakaviana matanjaka kokoa. Ny fanambadiana mifototra amin’ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hivoatra sy hiaina ny sasany amin’ireo fifaliantsika lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity. Afaka manampy mba hanomana antsika amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy ihany koa izy ireo.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Hoy ny Loholona Ulisses Soares: “Tsy misy hoe ambony na ambany ao amin’ny fifandraisan’ny mpivady, ary tsy misy hoe eo aloha na any aoriana [amin’ireo mpivady]. Miara-dalana izy ireo, mitovy lenta, zanaka masin’ Andriamanitra. Lasa iray eritreritra, faniriana, ary tanjona miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo … [Ny mpivady toy izany] dia [m]iara-[m]izotra amim-panajana sy fankasitrahana ary fitiavana, [m]anadino ny tenany ary [m]ikatsaka ny mahasoa ilay iray hafa eo amin’ny dian’izy ireo ho amin’ny mandrakizay.” Eritrereto ho isan’ny ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny “[dianao manokana] ho amin’ny mandrakizay.” Hanampy anao amin’izany dia izany amin’ny fomba ahoana ny “miara-dalana, mitovy lenta” amin’ny vady? Raha manambady ianao dia inona no azonao atao mba hanehoana fanajana sy fankasitrahana ary fitiavana lehibe kokoa rehefa manao ity dia ity miaraka amin’ny vadinao ianao? Azonao atao koa ny manomana zavatra voafaritra tsara izay hataonao ho an’ny vadinao. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao dia tanteraho avy eo.
-
Ny Loholona D. Todd Christofferson dia niresaka momba ireo izay tsy miaina ao anatin’ny fanambadiana sy tsy mianoka ireo fitahiana mifandray amin’izany amin’izao fotoana izao:
“Ny sasany aminareo dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana noho ny antony maro ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny olona mendrika azo vadina, ny fironana any amin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na ny fahatahorana tsy fahombiazana tsotra fotsiny izay manarona ny finoana amin’izao fotoana izao. Na mety ho efa nanambady ianao fa nitsahatra izany fanambadiana izany ary lasa ianao irery no misahana zavatra izay na olon-droa miaraka aza zara raha mahavita izany. Ny sasany aminareo izay manambady dia tsy afaka mahazo zaza na dia manam-paniriana lehibe sy mitalaho amim-bavaka aza.
“… Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany dia honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany.”
Inona no hitanao ao amin’ny tenin’ny Loholona Christofferson izay mety hanampy anao na ny olona iray fantatrao izay tsy nandray ireo fitahian’ny fanambadiana na tsy miaina ireo fitahiana ireo amin’izao fotoana izao? Ahoana no hitahian’ Andriamanitra “ireo izay mitodika any Aminy” ao anatin’ny fotoana iainan’izy ireo ny “fihafiana sy ny famoizan-javatra”?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Vakio miaraka amin’ny vadinao na ny hafa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–42 ary ifanakalozy hevitra ny fomba ifandraisan’io andinin-tsoratra masina io amin’ny fanambadiana. Nanoro hevitra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Afa-po aho fa raha mifampijery ny hatsaran-toetrantsika isika fa tsy ireo haratsiana, dia hisy fahasambarana misimisy kokoa ao an-tokantranon’ny vahoakantsika. Hihena ny fisaraham-panambadiana, hihena kokoa ny fivadiham-pitokisana, hihena kokoa ny hatezerana sy ny fankahalana ary ny fifandirana. Hitombo kokoa ny famelan-keloka, hitombo ny fitiavana, hitombo ny fiadanana, hitombo ny fahasambarana. Toy izany no hitiavan’ny Tompo izany.” Ifanakalozy hevitra ny hoe afaka manampy antsika hanaraka ny torohevitry ny Filoha Hinckley amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana fa ivon’ny drafitry ny fahasambarana ny fanambadiana. Azonao atao avy eo ny mizara hevitra momba ny fomba hahazoana fahasambarana bebe kokoa ao anatin’ny fanambadiana.
Hianatra misimisy kokoa
-
Genesisy 1:27–28; 2:18, 21–24; 1 Korintiana 11:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22; 49:15–17
-
“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.
-
Gordon B. Hinckley, “Living Worthy of the Girl You Will Someday Marry,” Ensign, May 1998, 49–51
Fizarana 2
Noho ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly dia afaka ny ho mandrakizay ny fanambadiana
Tamin’ny taona 1843 no nanononan’ny Mpaminany ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 amin’izao fotoana izao, izay ahitana ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay. Io fotopampianarana io dia hoe sady manan-kery eto an-tany no manan-kery any amin’ny mandrakizay ny fanambadiana raha fehezina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana. Ny fanambadiana mandrakizay koa dia antsoina hoe fanambadiana selestialy na “ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana131:2). Azo tanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana antsoina hoe famehezana any amin’ny tempoly izany. Atao ao an-tranon’ny Tompo io fombafomba masina io.
Ny fanambadiana mandrakizay dia mamorona fifandraisana mifono fanekempihavanana eo amin’ny mpivady sy ny Tompo. Ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay dia ilaina amin’ny fisandratana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4). Raha mahatoky amin’io fanekempihavanana io isika dia afaka ny haharitra mandrakizay ny fanambadiantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20, ary saintsaino ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fanekempihavanan’ny fanambadiana. Nampianatra Rahavavy Julie B. Beck hoe: “Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay miditra ao anatin’ny fiarahana feno amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly ao amin’ny fanekempihavanana dia mahazo fitahiana mitovy avy amin’izany fanekempihavanana izany raha mahatoky izy ireo [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–2]. Nilaza ny Tompo fa ho manan-kery ny fanekempihavanana nataon’izy ireo aorian’ity fiainana ity, ary samy ampanantenaina hery sy fisandratana izy ireo [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20].” Ahoana no ahafahan’ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana manampy ny mpivady iray hifanolo-tena rehefa sarotra ny zavatra iainana?
-
Tsy izay fanambadiana tiantsika hatao fotsiny no tian’ Andriamanitra ataontsika fa fanambadiana mandrakizay ao anatin’ny fanekempihavanana. Nampianatra ny Loholona Bruce C. Hafen hoe: “Rehefa misy olana mitranga ao anatin’ny fanambadiana ao anatin’ny fanekempihavanana dia miara-miasa mandresy izany ny mpivady. Mivady izy ireo mba hanome sy hivoatra, mifamatotra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, amin’ny fiarahamonina, ary amin’ Andriamanitra.” Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Ireo fanambadiana tsara dia naorina tsikelikely, isan’andro mandritra ny fiainana manontolo.” Jereo ny sarin’ny trano biriky ao anatin’ny lesona, dia eritrereto ireo biriky enti-manorina tsikelikely izay hanorina fanambadiana matanjaka. Azonao vakina ny hafatry ny Filoha Uchtdorf tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana hoe “Ho fiderana ireo izay manavotra” dia saintsaino ireo torohevitra omeny ny mpivady. Inona avy ireo biriky hoenti-manorina tsikelikely izay azonao ampifanaingenina ao anatin’ireo herinandro maro manaraka mba hanamafisana orina ny fanambadianao na hiomanana amin’ny fanambadiana matanjaka?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny ezaka ataontsika hanamafisana orina ny fanambadiantsika dia misy fiantraikany mahataka-davitra. Tsy vitan’ny hoe misy fiantraikany amintsika sy ny vadintsika fotsiny ny fanambadiantsika fa amin’ny zanatsika sy ny zanany koa, mandritra ny mandrakizay. Ao amin’ilay hafany hoe “Vokatra maharitra,” ny Loholona Matthew L. Carpenter dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fitehirizana ny “vokatra” avy amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiantsika ary nampitaha izany tamin’ny fitehirizana tsara ireo voankazo ao anaty tavoahangy. Nampianatra izy hoe: “Raha manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary mitandrina izany isika, dia afaka mitohy aorian’ny fiainana eto an-tany ireo fitahiana mifandray amin’ireo fanekempihavanantsika ireo ary hofehezina amintsika, na hotahirizina, mandrakizay, lasa vokatra maharitra mandrakizay.” Azonareo atao ny mamaky na mihaino io hafatra io eo am-pankafizana voankazo voatahiry. Resaho ny fomba hikolokoloana fanambadiana iray mba hamokarana “vokatra maharitra” any ankoatra ity fiainana ity sy mandritra ny mandrakizay.
-
Miaina zava-tsarotra indraindray ny ankamaroan’ireo mpivady, ary indraindray ny fanambadiana mandrakizay dia toa sarotra tratrarina. Saingy nanoro hevitra ny Filoha Hinckley hoe: “Tsy ao anatin’ny fisaraham-panambadiana no ahitana ny fanasitranana ny ankamaroan’ny olana ara-panambadiana. Hita ao anatin’ny fibebahana sy ny famelan-keloka, ao anatin’ny fanehoana hatsaram-panahy sy fiahiana izany. Ao anatin’ny fampiharana ny Fitsipika Volamena no ahitana izany.” Raha miaina olana ianareo ao anatin’ny fanambadianareo dia miresaha momba ny fomba mety hanampian’ny fahatsiarovana ireo fanekempihavananareo anareo hitondra ireo fiovana tianareo ho hita. Misafidiana zavatra iray izay sarotra tao anatin’ny fanambadianareo, ary miaraha miasa mba hamahana izany (ny boky torolalana Strengthening Marriage an’ny Fiangonana dia ahitana hevitra maro afaka manampy). Mikatsaha fanampiana avy amin’ny olona iray azo itokisana (toy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na mpitsabo ara-tsaina, na mpanoro hevitra momba ny fanambadiana) raha ilaina.
Hianatra misimisy kokoa
-
Russell M. Nelson, “Fanambadiana mandrakizay,” Liahona, nôv 2008, 92–94
-
Marcus B. Nash, “The New and Everlasting Covenant,” Ensign, Dec. 2015, 40–47