Fototry ny filazantsara: Kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ireo mpikambana vaovao sy namana
Afaka misafidy ny hanangana kilasin’ny Sekoly Alahady, izay tsy voatery atao, antsoina hoe Fototry ny filazantsara ny filankevitry ny paroasy. Ity kilasy ity dia natao hanampiana ireo mpikambana vaovao sy namana:
-
Hahatsapa ho voaray tsara, mahazo aina, omena lanja ary ilaina ao amin’ny paroasy na sampana.
-
Hiaina zavatra izay manomana azy ireo ho mpianatra mandritra ny androm-piainany ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
-
Hianatra fahamarinana fototra momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny.
Na dia natao ho an’ireo olon-dehibe mpikambana vaovao sy namana aza ity kilasy ity dia azo asaina hanatrika izany koa ireo mpikambana niverina navitrika. Manatrika ireo kilasy miaraka amin’ireo izay mitovy taona aminy ny ankizy sy ny zatovo raha ny tokony ho izy.
Ahitana lohahevitra ifanakalozan-kevitra sy zavatra iainana mba hanampiana ireo mpikambana vaovao sy namana ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany ity fandaharam-pianarana ity. Hevero ny hifantoka amin’ireo lohahevitra sy zavatra iainana izay sarobidy indrindra amin’ireo olona ao amin’ny kilasy.
Aorian’ny roa na efa-bolana dia tokony hiditra ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady Avia, hanaraka Ahy miaraka amin’ny olon-kafa rehetra ao amin’ny paroasy ireo mpikambana vaovao.