Testamenta Taloha 2022
9–15 mey. Nomery 11–14; 20–24: “Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”


“9–15 mey. Nomery 11–14; 20–24: -Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“9–15 mey. Nomery 11–14; 20–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
lohasaha any an’efitra

9–15 mey

Nomery 11–14; 20–24

“Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”

Tsy natao ho tsy maintsy arahina ity rindran-damina ity. Fa ampiasao kosa izany mba hakana hevitra sy aingam-panahy ho amin’ireo asa atao enti-mianatra izay hitahy ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny ankizy ny iray amin’ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity na ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Avelao izy ireo hizara aminao izay fantany momba ny zava-mitranga eo amin’ilay sary.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Nomery 11:4–10

Afaka ny ho feno fankasitrahana aho noho ny zavatra omen’ Andriamanitra ahy.

Na dia efa nanao zavatra mahatalanjona tamin’ny zanak’ Isiraely aza ny Tompo dia matetika izy ireo no tsy nifantoka tamin’izany fa tamin’ireo zavatra tsy azony kosa. Ampio ny ankizy hianatra maneho fankasitrahana noho ny zavatra nomen’ Andriamanitra azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy raha tadidin’izy ireo ny sasany amin’ireo fahagagana nataon’ny Tompo mba hitahiana ny Isiraelita tany an’efitra. (Raha mila fanampiana ny ankizy dia asehoy azy ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ny 4–10 aprily ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana; jereo koa ny Eksodosy 14:21–22; 15:23–25; 16:4.) Avy eo dia fintino amin’izy ireo ny Nomery 11:4–10, ary hamafiso fa tsy faly ny Tompo satria nimonomonona ny Isiraelita. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo maneho fankasitrahana ny Tompo.

  • Mihirà hira momba ny fankasitrahana toy ny “Isao ireo fitahiana” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 16). Asao ny ankizy tsirairay hanao sarin’ireo fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo na ny fianakaviany. Amporisiho izy ireo hieritreritra na hijery ny sary nataony isaky ny alaim-panahy himonomonina amin-javatra izay tsy ananany.

Nomery 13:17–33; 14:6–9

Afaka manampy ahy tsy hatahotra ny finoana.

Rehefa nandefa lehilahy 12 hizaha ny tany nampanantenaina i Mosesy dia ny 10 tamin’izy ireo no natahotra rehefa niverina noho ny hamafin’ny olona izay nipetraka tao. Ny roa tamin’izy ireo, i Kaleba sy i Josoa, dia tsy natahotra satria nanana finoana ny Tompo izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisà sarina voaloboka, tantely, olona goavana, ary valala hilazana fohy ny momba ireo olona 12 nalefan’i Mosesy hizaha ny tany nampanantenaina (jereo ny Nomery 13:17–33; jereo ihany koa ny “Efapolo taona tany an’efitra” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Hazavao fa nahita voankazo maro sy sakafo hafa izy ireo (asa ireo ankizy hanao hoe mihinana ilay sakafo), saingy natahotra ihany koa izy ireo satria ngeza sy natanjaka ny olona tao (asao ireo ankizy hanao hoe matahotra). Mampisehoa sarin’i Jesoa, ary hamafiso fa nisy Isiraelina anankiroa, i Kaleba sy i Josoa, tsy natahotra satria nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Nomery 14:9 dia resaho ny fotoana iray izay nampahatahotra anao saingy nanampy anao hanana risi-po tamin’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra niainan’izy ireo mitovy amin’izany.

    Sary
    lehilahy mampiseho voankazo amin’i Mosesy

    Natahotra ny folo tamin’ireo Isiraelita mpisafo. Nanam-pinoana i Josoa sy i Kaleba. © Lifeway Collection/licensed avy amin’ny goodsalt.com

Nomery 21:6–9

Afaka mijery an’i Jesoa Kristy aho.

Tahaka ny nahasitrana ireo zanak’isiraely tamin’ny fijerena ilay menarana varahina dia mahazo fanavotana ireo ankizy ampianarinao rehefa mijery any amin’ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ny herinandro na ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia lazao amin’ireo ankizy ny zavatra nitranga rehefa nisy “menaran’ afo” tonga tao amin’ny tobin’ny isiraelita (jereo ny Nomery 21:6–9). Ampio izy ireo hahita ny fitovian’ilay menarana varahina amin’i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 3:14–15). Avy eo dia avelao ireo ankizy hifandimby hampiasa ilay sary hifampizarana ilay tantara.

  • Angataho ireo ankizy hanakipy ny masony ary mandritra izany dia hametraka sarin’ny Mpamonjy ao amin’ilay efitrano ianao. Avy eo dia asao ireo ankizy hanokatra ny masony sy hitady ilay sary ary hijery izany. Avelao izy ireo hifandimby hanafina ilay sary. Isaky ny hitan’ireo ankizy ilay sary dia ampio izy ireo hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao hijerena any amin’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Nomery 12

Tian’ny Tompo hanaraka ny mpaminaniny aho.

Ny Nomery 12 dia ahitana lesona manan-danja vitsivitsy izay afaka manampy ireo ankizy rehefa maheno olona milaza zavatra tsy tsara momba ny mpaminanin’ny Tompo na ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao ireo ankizy fa nisy fotoana ny Tompo tsy faly tamin’i Aharôna sy i Miriama, rahalahy sy anabavin’i Mosesy. Asao izy ireo hamaky ny Nomery 12:1–2 mba hijery ho nahoana. Araka ny andininy 5–-8, inona no fahatsapana nananan’ny Tompo tamin’i Aharôna sy i Miriama rehefa nanome tsiny ny mpaminaniny?

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra ohatra ana olona ao amin’ny soratra masina izay nanaraka ny mpaminany ka voatahy (ohatra, jereo ny Genesisy 7:7; 1 Nefia 3:7). Inona avy ireo zavatra sasany izay nampianarin’ny mpaminanintsika velona? Ahoana no hitahiana antsika rehefa manaraka ny fampianarany isika?

Nomery 21:4–9

Manana ny hery hanasitrana ny fanahiko i Jesoa Kristy.

Maro ireo isiraelita maty satria tsy nanam-pinoana fa hanasitrana azy ny Tompo raha toa ka nijery ilay menarana varahina izy ireo (jereo ny Almà 33:18–20). Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy ampianarinao hanana finoana ny hery manavotr’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao sarin’ny zavatra izay vakian’izy ireo ao amin’ny Nomery 21:4–9. Lazao izy ireo hampiasa ny sariny hitantarana ilay tantara. Angataho ny ankizy tsirairay hisafidy iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ary hizara ny fahatakarana vaovao azontsika momba ilay tantara: Jaona 3:14–15; 1 Nefia 17:41; Almà 33:18–20; Helamàna 8:13–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Inona no azontsika atao mba “hiandrandra ny Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana”? (Helamàna 8:15). Omeo tapa-taratasy ny ankizy tsirairay dia asao izy ireo hanoratra valiny betsaka araka izay eritreretiny ho an’ilay fanontaniana. Angony ireo taratasy, mamakia mafy valiny vitsivitsy, ary asao ireo ankizy mba hiresaka momba ny fomba hanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo antsika rehefa mila ny hery manasitran’ny Mpamonjy isika.

Nomery 22–24

Afaka manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra aho, na dia mandresy lahatra ahy tsy hanao izany aza ny hafa.

Niezaka nandresy lahatra an’i Balama i Balaka hanozona ny Isiraelita, saingy fantatr’i Balama fa mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izany. Ny ohatr’i Balama dia afaka manampy ireo ankizy rehefa miatrika fanerena izy ireo tsy hankatò an’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ireo ankizy ny Nomery 22:1–18 ary hamafiso ny fomba nandavan’i Balama ny hanozona ny vahoakan’ Andriamanitra, na dia notoloran’i Balaka mpanjakan’i Moaba voninahitra sy harena aza izy. Angataho ireo ankizy hikaroka ireo andian-teny maneho ny herim-pon’i Balama hanaraka an’ Andriamanitra ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Nomery 22:18; 23:26; 24:13. Asao ireo ankizy haka andian-teny iray tian’izy ireo ary hanoratra izany ao amina taratasy kely mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hankatò ny Tompo.

  • Resaho amin’ny ankizy ny mikasika ireo toe-javatra izay mety hisian’ny namana na olon-kafa miezaka mandresy lahatra azy ireo hanao zavatra ratsy, tahaka ny nataon’i Balaka tamin’i Balama. Tamin’ny fomba ahoana ny fanoloran-tenan’i Balama tamin’ny Tompo no nanampy azy hanohitra ny fanerena nataon’i Balaka? Asao ireo ankizy hizatra hamaly amin’ireo toe-javatra ireo amin’ny alalan’ny fampiasana teny tahaka ny nampiasain’i Balama.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara zavatra amin’ny fianakaviany, toy ny sary, na soratra masina, na hira izay maneho ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ho vonona hihaino ny bitsika omen’ny Fanahy . “Matetika tsy ampoizina ireo fotoana tena tsara ao anatin’ny fampianarana—ohatra, amin’ny fotoana hizaran’ny olona iray zavatra niainana na hametrahany fanontaniana izay miteraka fifanakalozan-kevitra manan-danja izany. … Aoka ho vonona hanova ny drafitrao raha ilaina mba hanarahana ireo bitsika voarainao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).