Testamenta Taloha 2022
7–13 martsa. Genesisy 37–41: “Ary Jehovah nomba an’ i Josefa”


“7–13 martsa. Genesisy 37–41: -Ary Jehovah nomba an’ i Josefa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7–13 martsa. Genesisy 37–41,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Josefa tany Egypta tao am-ponja

Sarin’i Josefa tany Egypta tao am-ponja, nataon’i Jeff Ward

7–13 martsa

Genesisy 37–41

“Ary Jehovah nomba an’ i Josefa”

Inona ireo fahamarinana avy ao amin’ny Genesisy 37–41 izay tokony ho takatry ny ankizy ao amin’ny kilasinao bebe kokoa? Henoy tsara ireo bitsika izay tonga aminao rehefa miomana hampianatra ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny ankizy hanaovana ny sarin’ny zavatra nianarany momba ny filazantsara tany an-trano na tany am-piangonana. Asaivo mizara sy miresaka momba ny sary nataony ny ankizy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Genesisy 37

Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny fianakaviako aho.

Saro-piaro taminy ireo rahalahin’i Josefa ka tsy naneho hatsaram-panahy taminy. Ahoana no hanampianao ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa, indrindra fa amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana?

Asa atao azo tanterahina

  • Entina hitantarana ny tantaran’i Josefa sy ireo rahalahiny avy ao amin’ny Genesisy 37 dia azonao atao ny mampiasa ny sary ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Avelao ny ankizy hanampy amin’ny alalan’ny fizarana ireo antsipirian-javatra fantany momba ilay tantara. Mametraha fanontaniana amin’izy ireo toy ny hoe: “Tamin’ny fomba ahoana no tsy nanehoan’ireo rahalahin’i Josefa hatsaram-panahy taminy?” Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra tokony nataon’ireo rahalahiny mba hanehoana fitiavana tamin’i Josefa. Inona no tokony hataontsika rehefa mahatsapa hatezerana amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika?

  • Mampisehoa sarina fianakaviana iray (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 112), na asaivo manao sarin’ny fianakaviany ny ankizy. Asao izy ireo hizara ireo fomba ahafahan’izy ireo maneho hatsaram-panahy amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany.

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny fitiavana ny fianakaviantsika, toy ny hoe “Fianakaviana sambatraBokin-kiran’ny ankizy, 104). Inona no azontsika atao hanampiana ny fianakaviantsika ho sambatra?

  • Avelao ny ankizy handoko ny pejin’ny asa atao amin’ny herinandro ity ary, sady hanao ny sarin’ny olona ao amin’ny fianakaviana maneho hatsaram-panahy eo amin’ilay toerana nomena.

Genesisy 37:18–28; 39:20–23

Afaka manampy ahy Andriamanitra rehefa misy zava-dratsy mitranga.

Betsaka ny zava-dratsy nitranga tamin’i Josefa, saingy nisafidy ny hitandrina ireo didy izy ary niaraka taminy ny Tompo. Azon’ny ankizy kely ianarana avy amin’izany fa te hanampy azy ireo Andriamanitra mandritra ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainany.

Asa atao azo tanterahina

  • Fariparito ny sasany amin’ireo zava-tsarotra izay nanjo an’i Josefa (jereo ny Genesisy 37:23–28; 39:20). Aorian’ny filazanao amin’ny ankizy momba ireo zava-tsarotra tsirairay natrehan’i Josefa, dia asao izy ireo hamerina hoe: “Ary Jehovah nomba an’ i Josefa” (Genesisy 39:2).

  • Mizarà sarin’ny Mpamonjy manampy ny olona niatrika zava-tsarotra (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 40–43). Asao ny ankizy hizara ny fomba nanampian’ny Mpamonjy ny olona. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa afaka manampy antsika ny Tompo rehefa misy zava-dratsy mahazo antsika.

  • Mihirà hira momba ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika, toy ny “I Jesoa dia namantsika” (Bokin-kiran’ny ankizy, 37). Mizarà zavatra niainana iray rehefa nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ianao nandritra ny fotoan-tsarotra. Asehoy ny sarin’i Jesoa, ary asao ny ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo momba Azy.

Genesisy 41:15–36, 47–57

Afaka mampitandrina ahy amin’ny loza Andriamanitra.

Nanampy an’i Josefa Andriamanitra hahatakatra fa ny nofin’i Faraona dia fampitandremana hiomanana amin’ny fotoan-tsarotra ho tonga amin’ny hoavy. Ampio ny ankizy hahatakatra fa Andriamanitra dia afaka mampitandrina azy ireo amin’ny loza, anisan’izany ny loza ara-panahy.

Sary
I Josefa tao an-tranomaizina nandika nofy

I Josefa nandika ny nofin’ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofo, nataon’i François Gérard

Asa atao azo tanterahina

  • Aparitaho manerana ny efitrano ny sarina sakafo, ary asao ny ankizy hanangona azy ireo sy “hitahiry” izany ao anaty fitoeran-javatra iray. Ampiasao ity asa atao ity hilazana amin’ny ankizy ny fomba nampitandreman’ Andriamanitra an’i Farao mba hiomana ho amin’ny fotoana tsy hisian’ny sakafo (jereo ny Genesisy 41:15–36, 47–57). Avelao ny ankizy hanao sary ny zavatra izay azon’i Faraona nofy ary avy eo hampiasa ny sarin’izy ireo hampianarana ny fianakaviany ao an-tokantrano.

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany velona. Lazao amin’ny ankizy ireo fampianarana na fampitandremana omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalany. Hazavao fa ho voatahy sy ho voaro isika raha manaraka ny mpaminany. Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba hanarahana ny torohevitry ny mpaminany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Genesisy 39:1–3, 20–23; 41:38

Raha mahatoky aho dia hanampy ahy Andriamanitra mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Na dia niatrika fitsapana sarotra maro aza i Josefa, dia nijanona ho mahatoky hatrany izy “ary Jehovah nomba” azy (Genesisy 39:3). Ireo zavatra niainany dia afaka manampy ny ankizy hahatsapa fahatokiana fa hanampy azy ireo Andriamanitra mandritra ireo fitsapana.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hitady teny na andian-teny ao amin’ny Genesisy 39:1–3, 20–23; 41:38 izay mampiseho fa nomba an’i Josefa Andriamanitra tamin’ny fotoan-tsarotra. Raha azo atao dia asao ny ankizy hanao famantarana kely mampiseho ny iray amin’ireo andian-teny izay hitany. Amporisiho izy ireo hitondra ny sarin’izy ireo hody any an-trano mba hampahatsiahivana azy ireo fa homba azy ireo ny Tompo mandritra ny fitsapana.

  • Asao ny ankizy hizara izay eritreretin’izy ireo fa dikan’ilay andian-teny hoe “ary Jehovah nomba an’i Josefa” (Genesisy 39:2). Asao izy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa nahatsapa izy ireo fa nomba azy ireo na ny fianakaviany ny Tompo nandritra ny fotoan-tsarotra iray. Mizarà zavatra niainana sahala amin’izany teo amin’ny fiainanao.

Genesisy 37:3–28

Afaka ny ho faly aho rehefa misy zavatra tsara manjo ny hafa.

Fialonana no nahatonga ny rahalahin’i Josefa hanao safidy mahatsiravina. Nandratra an’i Josefa ny safidy ratsy nataon’izy ireo sady nandratra ny fon’ny rain’izy ireo. Ity tantara ity dia afaka manampy ny ankizy hisafidy ny ho faly rehefa notahian’ny Tompo ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamerina hijery ny Genesisy 37:3–11 ary hanao ny sarin’ny palitaon’i Josefa sy ireo nofiny roa. Inona no tsapan’ireo rahalahin’i Josefa momba an’i Josefa? Ahoana no fomba hafa azon’izy ireo nasetry izany? Resaho ny antony maha-zava-dehibe ny mifaly rehefa misy zavatra tsara manjo ny olona hafa.

  • Angataho ny ankizy mba hizara toe-javatra sasany izay mety hahatsapan’ny olona iray fialonana ho an’ny olon-kafa. Miaraha manao hira iray momba ny fampisehoana fitiavana ho an’ny hafa, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74). Antitrantero fa ny Ray any An-danitra dia afaka manampy antsika hanolo ny fahatsapana fialonana amin’ny fahatsapana fitiavana.

Genesisy 39:7–12

Afaka mitsoaka fakam-panahy aho miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Rehefa miatrika fakam-panahy mandritra ny androm-piainany ireo ankizy ampianarinao dia afaka mahazo hery avy amin’ny ohatra nasehon’i Josefa tamin’ny fandosirana fakam-panahy izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny sarin’i Josefa sy ny vadin’i Potifara (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 11), na zarao ilay tantara ao amin’ny Genesisy 39:7–12. Ahoana no fomba nandresen’i Josefa ny fakam-panahy? Ampio ny ankizy hahita teny ao amin’ny Genesisy 39:7–12 izay mamaly io fanontaniana io—ohatra: fantatr’i Josefa fa ny fiarahany amin’ny vadin’i Potifara dia “fahotana amin’ Andriamanitra” (andininy 9).

  • Asao ny ankizy hieritreritra toe-javatra miseho izay mety haka fanahy ny ankizy hanao safidy ratsy. Angataho izy ireo mba hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatr’i Josefa ao amin’ireo toe-javatra ireo—ohatra: inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika mahatsiaro an’ Andriamanitra rehefa alaim-panahy isika?

  • Asehoy ny andraimby roa, maneho an’ Andriamanitra sy i Satana, ary vy kely toy ny trombone, maneho ny tenantsika. Ampiasao ireo andraimby hanehoana fa arakaraka ny maha-akaiky antsika amin’ Andriamanitra no mampatanjaka ny heriny mitaona ho eo amintsika, ary torak’izany koa ny fanakaikezana an’i Satana. Inona no azontsika atao mba hanatonana an’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara fomba hamenoana ity fehezan-teny manaraka ity: “Afaka ny ho toa an’i Josefa aho amin’ny alalan’ny .” Asao izy ireo hizara amin’ny fianakaviany ny fomba namenoana ilay fehezan-teny.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao mba hizara. Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fitsipiky ny filazantsara ianareo dia asao ny ankizy hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany ary ny zavatra niainany. Ho hitanao fa manana hevitra manan-danja maro izy ireo.