Testamenta Taloha 2022
14–20 febroary. Genesisy 18–23: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?”


“14–20 febroary. Genesisy 18–23: -Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?-Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14–20 febroary. Genesisy 18–23,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Saraha mihazona an’i Isaka zazakely

I Saraha sy Isaka, nataon’i Scott Snow

14–20 febroary

Genesisy 18–23

“Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?”

Rehefa mikatsaka ny hanome izay ilain’ny ankizy ampianarinao ianao dia eritrereto ireo sosokevitra ho an’ireo ankizy lehibe sy ny ankizy kely ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hizara izay efa fantany momba ny Genesisy 18–23, dia asehoy ny sarin’ny zava-nitranga iray na maromaro tao amin’ireo toko ireo, ary asao ny ankizy hizara izay zavatra tadidiny momba ilay tantara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Genesisy 18:9–14; 21:1–7

Afaka matoky an’ Andriamanitra aho fa hitandrina ireo fampanantenany Izy.

Na dia nampanantena aza Andriamanitra fa hiteraka zazalahy i Saraha sy i Abrahama, rehefa nihalehibe izy ireo, dia toa tsy ho tanteraka ilay fampanantenana. Ahoana no ahafahanao mampiasa ity tantara ity mba hanampiana ny ankizy hanana finoana fa hitandrina mandrakariva ny fampanantenany Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny fampanantenan’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Saraha fa hanan-janaka sy ny fahatanterahan’io fampanantenana io (jereo ny Genesisy 17:15–19; 18:9–14; 21:1–7). Na manasà mpivady roa hiakanjo toa an’i Abrahama sy Saraha sady hitantara ny tantaran’izy ireo. Ampio ny ankizy hahatakatra fa i Abrahama sy i Saraha dia efa antitra loatra raha toa ka mbola hiteraka. Apetraka amin’izy ireo ny fanontaniana avy ao amin’ny Genesisy 18:14: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?” Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manatanteraka ny fampanantenany ny Tompo, na dia toa tsy mety ho tontosa velively aza izany.

  • Manaova fampanantenana amin’ny ankizy izay hotanterahinao amin’ny faran’ny kilasy (ohatra, avelanao handoko sary izy ireo). Mandritra ny kilasy dia ampahatsiahivo azy ireo ny fampanantenanao, ary tanteraho izany. Hazavao fa ny Tompo dia mitandrina hatrany ireo fampanantenany.

  • Angataho ny ankizy mba hizara fotoana iray izay tsy maintsy niandrasany zavatra tena niriany. Miaraha mihira hira mijoro ho vavolombelana momba ny fampanantenan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny ankizy, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68). Ampio ny ankizy hamantatra ireo zavatra nampanantenain’ Andriamanitra tamintsika raha toa mahatoky isika.

  • Asehoy ny sarin’ny batisa iray na ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Boky mirakitra ny Filazantsara, lah. 103, 104, 107108). Ampio ny ankizy hianatra momba ireo fampanantenana ataontsika amin’ Andriamanitra, sy izay ampanantenan’ Andriamanitra ho setrin’izany, rehefa atao batisa sy mandray ny fanasan’ny Tompo isika. (Jereo ihany koa ny Miorim-paka ao amin’ny finoana,)

Genesisy 22:1–14

Nankatò ny Tompo i Abrahama.

Sarotra be tamin’i Abrahama ny nanaraka ny didy hanao sorona ny zanany. Saintsaino ny fomba ampiasanao io tantara io hamporisihana ny ankizy hankatò an’ Andriamanitra na dia sarotra aza izany na tsy fantatr’izy ireo tanteraka ny anton’ireo didiny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’i Abrahama sy i Isaka (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy, dia resaho amin’ny ankizy ny fomba ampahatsiahivan’ny tantaran’i Abrahama sy Isaka antsika momba ny sorona nataon’ilay Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika.

  • Milalaova kilalao tsotra izay mitaky ny ankizy hanaraka torolalana. Ohatra, ireo torolalana dia mety hitarika amin’ny sarin’ny Mpamonjy nafenina tao an-dakilasy. Inona avy ireo zavatra izay nangatahan’ny Ray any an-danitra mba hataontsika? Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fitandremana ny didiny dia hanampy antsika hiverina hiaraka hiaina Aminy sy Jesoa Kristy indray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Genesisy 18:9–14; 21:1–7

Nanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo, na dia toa tsy ho tanteraka velively aza izany.

Nolazaina tamin’i Abrahama sy i Saraha fa hiteraka zazalahy izy ireo, saingy toa tsy ho tanteraka velively izany—100 taona i Abrahama ary 90 taona i Saraha (jereo ny Genesisy 17:17). Notanterahin’ Andriamanitra ny fampanantenany, ary ity tantara ity dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hanamafy ny finoany an’ireo fampanantenan’ Andriamanitra ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty mitokana amin’ny taratasy kely iray ny teny tsirairay avy amin’ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Genesisy 18:14, ary omeo tsirairay ny ankizy rehetra. Angataho avy eo ny kilasy hametraka ireo teny amin’ny filaharana marina. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Genesisy 18:9–14; 21:1–7 hahitana ohatra iray avy tamin’ny fiainan’i Saraha sy i Abrahama rehefa nanao zavatra izay toa tsy azo tanterahina ny Tompo. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Saraha sy i Abrahama izay afaka mandrisika antsika hatoky ny fampanantenan’ Andriamanitra?

  • Mampisehoa sarina tantara ao amin’ny soratra masina ka nanao zavatra toa tsy ho tanteraka velively na sarotra Andriamanitra tao amin’izany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 7, 8, 25, 26). Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany momba ireo zava-nitranga hita ao amin’ireo sary ireo ary ampio izy ireo hahita ny fomba nanatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany isaky ny mandeha. Mizarà fomba nitandreman’ny Tompo ny fampanantenany teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao (hahitana ohatra sasany amin’ny fampanantenan’ny Tompo, jereo ny Malakia 3:10; Jaona 14:26–27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21) . Avelao ny ankizy hizara ohatra fantatr’izy ireo.

Genesisy 19:15–26

Afaka mandositra ny faharatsiana aho.

Ny tantaran’i Lota sy ny fianakaviany nandositra tanàna ratsy fanahy dia afaka manentana ireo ankizy ampianarinao mba handositra ny fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainany.

Sary
Sary nataon’i Lota sy ny fianakaviany nandositra an’i Sodoma sy Gomora

Nandositra an`i Sodoma sy Gomora, nataon’i Julius Schnorr von Carolsfeld

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny Genesisy 19:15–26 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niaina tao amin’ny tanàna tena ratsy fanahy ny fianakavian’i Lota, ary nampitandrina azy ireo ny anjely mba hiala. Iaraho mamaky ny andininy 15–17, 26, ary ampio ny ankizy hieritreritra izay mety ho dikan’ny hoe “mandosira” ny ratsy ary “aza miherika” (andininy 17).

  • Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy ary angataho ny ankizy mba hanao dingana iray rehefa mizara zavatra iray azony atao handosirana ny faharatsiana ary hanatonana an’i Kristy.

  • Ifanakalozy hevitra ireo toe-javatra miseho izay mety hanasan’ny namana iray ny ankizy mba hanao zavatra fantatr’izy ireo fa tsy mety. Ahoana no “handosirantsika” an’ireo toe-javatra ireo? Inona no azontsika lazaina amin’ilay namantsika?

Genesisy 22:1–14

Ny Ray any An-danitra dia nandefa ny Zanany lahy, izay nanao sorona ny tenany ho antsika.

Rehefa mampianatra momba ny fahavononan’i Abrahama hanao sorona an’Isaka ianao, dia fantaro ny fihetseham-pon’ny ankizy. Ampiasao ity tantara ity hanampiana ny ankizy hanamafy ny fitiavan’izy ireo sy ny fankasitrahany ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ny ankizy hianatra ny tantara ao amin’ny Genesisy 22:1–14, dia vakio aminy ireo andininy ireo ary asao izy ireo hanao sary ny zavatra vakianao. Nahoana no sarotra ho an’i Abrahama ny didin’ny Tompo hanao sorona an’Isaka? Inona no ianarantsika momba an’i Abrahama avy amin’ity tantara ity?

  • Ampiasao ny sarin’i Abrahama sy Isaka ary ny Fanomboana amin’ny hazo fijaliana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 9, 57) hampitahana ny tantara ao amin’ny Genesisy 22 amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 27:26–37). Inona no azontsika ianarana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny tantaran’i Abrahama sy Isaka ary ny Fanomboana?

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20-21). Inona no azontsika ianarana momba ny Ray any A-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny tantaran’i Abrahama sy Isaka ary ny Fanomboana?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany momba ny fotoana izay nitahian’ Andriamanitra azy ireo rehefa nankatò ny iray amin’ireo didiny izy.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Raha ilaina mandritra ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana lalina. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fihirana mangina na fiventsoana feon-kira na amin’ny alalan’ny fanehoana sarin’i Jesoa.