Testamenta Taloha 2022
3–9 janoary. Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”


“3–9 janoary. Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: -Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“3–9 janoary. Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
sarin’ny tany sy ny volana

3–9 janoary

Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”

Rehefa mandalina ny Genesisy 1–2, Mosesy 2–3, ary Abrahama 4–5 ianao, dia eritrereto ireo ankizy ampianarinao, ary saintsaino ireo fahamarinana azonao anampiana azy ireo mba ho takany avy ao amin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara zavatra noharian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka maha-velom-pankasitrahana azy ireo. Ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manome sosokevitra ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Mosesy 2

Namorona ny tany i Jesoa.

Ny fahafantarana momba ny Fahariana dia afaka manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ary hampitombo ny fankasitrahany an’izao tontolo izao. Ahoana no hanaovanao ny fianarana momba ny Fahariana ho mitondra aingam-panahy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny sarin’ireo zavatra maneho ireo vanim-potoana samihafa tao amin’ny Fahariana (araka ny voafariparitra ao amin’ny Mosesy 2; “” ) ary ampio ny ankizy hieritreritra fihetsika tokony hiaraka amin’ireo sary ireo. Ohatra, afaka manao totohondry izy ireo mba hanehoana ny tany maina na mampikapilipily ny sandriny toy ny onjan-drano (jereo ny Mosesy 2:9–10). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nataon’i Jesoa Kristy ireo zavatra ireo satria tia antsika sy ny Ray any An-danitra Izy.

  • Mihirà hira momba ireo zavatra noharian’i Jesoa Kristy ho antsika, toy ny hoe “Kanto izao tontolo izao” (Bokin-kiran’ny ankizy,122). Asaivo ataon’ny ankizy sary ireo zava-boary voafariparitra ao amin’ilay hira.

    Sary
    bemiray mampiseho ny dingana isan-karazany amin’ny fahariana

    Fahariana, nataon’i Joan Hibbert Durtschi

Mosesy 2:26–27

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

Rehefa takatry ny ankizy fa nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra izy ireo, dia afaka mikolokolo fanajana lalina sy fanajana ny vatan’izy ireo sy ny an’ny hafa izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamerimberina matetika hoe: “Izaho Andriamanitra dia nahary ny olona araka ny endriko,” (Mosesy 2:27). Hazavao fa nahary ny vatantsika mba hitovy amin’ny Azy ny Ray any An-danitra. Asao ny ankizy hanondro ny ampahany amin’ny vatany rehefa tonononao izany, na mihirà hira momba ny vatantsika, toy ny: “Loha, soroka, tongotra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 129).

  • Asao ny ankizy hanao fihetsika ireo zavatra izay azon’izy ireo atao amin’ny vatany, ka ny ankizy hafa dia haminavina izay ataony. Asao ny ankizy hizara ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ireo noho ny vatany.

  • Manaova sarina vatana iray amin’ny taratasy, ary manaova piozila amin’ny alalan’ny fanapatapahana izany. Ampitapitao ireo singa ireo ary avelao hiara-hiasa ny ankizy mba hanambatra izany ho lasa vatana iray. Angataho ny ankizy mba hizara ireo zavatra azon’izy ireo atao amin’ireo singa tsirairay. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny vatantsika.

Mosesy 3:2–3

Andro Masina ny Sabata

Ny ankizy izay manana fahazarana mitandrina ny andro Sabata ho masina fony mbola kely dia azo inoana kokoa fa hitandrina io didy io rehefa mihabetsaka ireo zavatra atao eo amin’ny fiainana ary mitaky zavatra mafy kokoa izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Mosesy 3:2–3, ary angataho ny ankizy hihaino ny zavatra nataon’ Andriamanitra tamin’ny andro fahafito. Mitondrà sary (na manaova sary tsotra) an’ireo zavatra ataontsika amin’ny alahady mba hitandremana izany ho andro masina sy ireo zavatra ataontsika amin’ny andro hafa. Avelao ny ankizy hametraka ireo sary amin’ny toerana roa, ny iray ho an’ny alahady ary ny iray ho an’ny andro hafa. Mijoroa ho vavolombelona ny antony maha-zava-dehibe ny fitandremana ny andro Sabata ho masina.

  • Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny ankizy iray sy ny ray aman-dreniny mba hiomana hizara izay ataon’izy ireo mba hitandremana ny andro Sabata ho masina. Asao ny ankizy hafa hizara izay ataon’ny fianakaviany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Mosesy 2

Nahary ny tany teo ambanin’ ny fitarihan’ ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny mampiasa ny Mosesy 2 hanampiana ny ankizy hahita fa noforonina mba ho ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra izao tontolo izao. Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao, inona no hevitra tonga ao an-tsaina izay mety hanampy amin’ny fanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo ankizy momba ny Fahariana?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana nanaovan’izy ireo zavatra tamin`ny fanarahana ny torolalana avy tamin’ny olona iray hafa. Ohatra, angamba izy ireo dia nanamboatra sakafo iray miaraka amin’ny rainy na reniny na iray tam-po izay nitarika azy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Iza no nahary ny tany? , ary asao ny ankizy hitady ny valiny ao amin’ny Mosesy 2:1. Mijoroa ho vavolombelona fa nahary ny tany i Jesoa Kristy teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra.

  • Omeo andinin-tsoratra masina tsirairay ao amin’ny Mosesy 2 izay mifandraika amin’ny iray amin’ireo andro fahariana ny ankizy tsirairay, ary asao izy ireo hanao sary ireo zavatra noharian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa tamin’io andro io. Angataho ny ankizy mba hitana ny sariny sy hijoro araka ny filaharan’ny andro Fahariana, ary asao ny ankizy tsirairay hampianatra ny ankizy sisa ny zavatra nitranga tamin’ny andro nomena azy ireo. Inona no ianarantsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny tantaran’ny Fahariana?

Mosesy 2:26–27

Noforonina araka ny endrik’ Andriamanitra i Adama sy i Eva.

Hanome hafatra diso momba ny vatan’izy ireo amin’ny ankizy izao tontolo izao. Ny fotopampianarana ao amin’ny Mosesy 2:26–27 dia antony mahery vaika manosika antsika hanaja sy hikarakara ny vatantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Mosesy 2:26–27. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny vatantsika?

  • Manaova sarina vatana iray eo amin’ny solaitrabe, ary asao ny ankizy hisafidy ampahan’ny vatana iray sy hanoratra eo akaikiny ny antony maha-velom-pankasitrana azy ireo noho izany. Asehoy ny fankasitrahanao ny vatanao ary mijoroa ho vavolombelona fa nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika.

Genesisy 2:2–3

Andro Masina ny Sabata

Mety tsy maintsy manazava amin’ny namany ny antony hitondrany ny Alahady tsy mitovy amin’ny andro hafa ny ankizy. Ny Genesisy 2:2–3 dia mampianatra ny antony maha-andro masina ny andro Sabata. Inona no azonao atao mba hanampiana ny ankizy hahatakatra bebe kokoa sy hanazava io fotopampianarana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ny fitiavantsika sy fankatoavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ampio ny ankizy handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra ireo trangan-javatra izay hanazavan’izy ireo amin’ny namana iray ny antony isafidianany hanao zavatra izay manome voninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa amin’ny alahady. Asao izy ireo hampiasa ny Genesisy 2:2-3 ao amin’ny fanazavany.

  • Omeo minitra vitsy ny ankizy hanoratanao ny lisitr’ireo zavatra maro izay azony eritreretina fa azony atao mba hitandremana ny Sabata ho andro masina. Asao ny ankizy hizara ny lisitra nataon’izy ireo ary amporisiho izy ireo hanampy ao amin’ny lisitra nataony rehefa mizara sosokevitra izay tsy noeritreretiny ny hafa. Toroy hevitra ny ankizy hitondra ny lisitra nataon’izy ireo any an-trano ka hijery izany rehefa mila hevitra amin’ireo zavatra tsara hatao amin’ny Sabata.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo manao asa atao iray miaraka amin’ny fianakaviany mitovy amin’ilay nataonareo tao amin’ny kilasy. Azonao atao ny manampy azy ireo hanoratra fanamarihana mba hampahatsiahivana ny tenany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona. Rehefa manangan-javatra, na manao sary, na mandoko zavatra mifandray amin’ny tantara na ny fitsipika ianarany ny ankizy dia matetika izany no tsaroan’izy ireo kokoa. Amporisiho izy ireo hampiasa ny zavatra noforoniny hampianarana ny fianakaviany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,25.)